Hijery ny anatiny

Nisy Namorona Ve?

Fomba Fiasan’ny Zavaboary

Ny Hakanton’ny Biby Sasany sy ny Fahaizan’ny Biby Hafa Manao Zavakanto: Nisy Namorona Ve?

Be dia be ny zavatra kanto hitantsika rehefa mandinika ny biby isika.

Ny Fahaizan’ny Zavaboary Sasany Mampiasa ny Hazavan’ny Masoandro mba Hamokarana ny Sakafony: Nisy Namorona Ve?

Ahoana no ataon’ny zavaboary sasany mba hamokarana ny sakafony? Mandray soa amin’izany ve isika?

Ny Fahaizan’ny Zavamananaina Mampiasa Angovo: Nisy Namorona Ve?

Efa ao anatin’ny zavamananaina mihitsy ilay hoe mahay mampiasa angovo. Mety ho tongatonga ho azy izany sa nisy namorona?

Ny Hazavana Avoakan’ny Zavamananaina: Nisy Namorona Ve?

Mamoaka hazavana ny biby sasany, sady kely lavitra ny angovo ampiasainy amin’izany raha oharina amin’ny an’ny jiro amboarin’ny olombelona.

Vatan’olombelona

Ny Fahaizan’ny Vatana Mitatitra Oksizenina: Nisy Namorona Ve?

Ho hitanao ato hoe tena mahavariana ny fahaizan’ny vatana mitatitra oksizenina.

Ny Fahaizan’ny Vatana Manasitrana Fery

Miezaka maka tahaka an’izany ny manam-pahaizana rehefa manamboatra plastika vaovao. Ahoana no ataony?

Biby An-tanety

Ny Oron’ny Elefanta: Nisy Namorona Ve?

Mahavita miolanolana ny oron’ny elefanta, ary mahavariana ny mpikaroka izany. Ho hitanao ato hoe inona no mahatonga ny oron’ny elefanta ho hoatr’izany.

Ny Atidohan’ilay Karazana Écureuil any Amin’ny Tendrontany Avaratra​—Nisy Namorona Ve?

Ho hitanao ato fa miavaka ny fahaizan’ny atidohany miverina amin’ny laoniny.

Ny Volon’ny Loutre An-dranomasina: Nisy Namorona Ve?

Voaro amin’ny hatsiaka ireo biby mampinono mivelona any anaty ranomasina, satria matevina be ny taviny. Zavatra hafa kosa no miaro ny loutre an-dranomasina.

Ny Lelan’ny Saka—Nisy Namorona Ve?

Efa ho ny ampahefatry ny fotoanan’ny saka no laniny hanadiovany ny vatany, rehefa tsy matory izy. Nahoana ny saka no mahavita manadio ny vatany?

Ny Volombavan’ny Saka: Nisy Namorona Ve?

Nahoana ny mpahay siansa no nanamboatra robots misy volombava elektronika?

Ny Fahaizan’ny Alika Mamantatra Fofona

Nahoana ny fahaizan’ny alika mamantatra fofona no tian’ny mpahay siansa halaina tahaka?

Ny Tongotry ny Soavaly: Nisy Namorona Ve?

Nahoana ny enjeniera no tsy nahavita naka tahaka ny firafitry ny tongotry ny soavaly?

Ny Fahaizan’ny Ramanavy Mamantatra Zavatra Amin’ny Alalan’ny Onjam-peo—Nisy Namorona Ve?

Ahoana no ahafahan’ny biby “mahita” zavatra, nefa tsy mampiasa ny masony?

Ny Ditin’ny Lailosy

Mety hampiasa lakaoly mitovitovy amin’ny ditin’ny lailosy amin’izay ny dokotera mpandidy, fa tsy hampiasa kofehy sy vy kely intsony rehefa hanidy tataka amin’ny vatana.

Zavamananaina Anaty Rano

Ny Hoditry ny Antsantsa: Nisy Namorona Ve?

Nahoana ny hoditry ny antsantsa no manampy azy tsy hipetahan’ny katsentsitra?

Ny Fahaizan’ny Trozon’i Cuvier Milomano any Anaty Rano Lalina: Nisy Namorona Ve?

Biby mampinono sady mifoka rivotra ny trozon’i Cuvier. Ahoana àry no ahafahany mijanona ela be any anaty rano nefa tsy mifoka rivotra, sady mahery be koa ny tsindrin’ny rano?

Ny Vombon’ny Trozona Misy Trafo

Misy vokany eo amin’ny fiainanao ny fomba fiasan’ny vombon’io biby goavam-be io. Nahoana?

Ny Hoditry ny Trozona Mainty

Nahoana ny orinasa mampiasa sambo no liana amin’izany?

Ny Fahaizan’ny Feso Mampiasa Onjam-peo: Nisy Namorona Ve?

Mahavariana ny fahaizan’ny feso mamantatra ny manodidina azy. Miezaka maka tahaka an’izany ny manam-pahaizana.

Ny Ditin’ny Myxine: Nisy Namorona Ve?

Tsy tian’ny biby hafa ny mihinana azy nefa mahaliana ny mpahay siansa izy. Nahoana?

Ny Hoditry ny Zanga

Inona no mahatonga ny hoditr’io hazandranomasina io ho afaka miovaova?

Mahavariana ny Fanatodin’ny Grunion: Nisy Namorona Ve?

Hainy tsara ny mifidy ny andro sy ny fomba hanatodizany. Jereo ato hoe nahoana izany no manampy an’ilay atody mba ho vanona.

Ny Nifin’ny Patelle

Inona no mahatonga ny nifin’ny patelle ho mafy kokoa noho ny landin-kala?

Ny Ditin’ny Balanes

Miraikitra lavitra noho ny lakaoly namboarin’olombelona ny ditin’ny balanes. Vao haingana vao fantatra hoe ahoana no ahafahan’io biby io miraikitra amin-javatra any anaty rano.

Ny Kofehy Maditiditin’ny Betsimitsitekiteky

Mampiasa kofehy ny betsimitsitekiteky mba hiraiketana amin-javatra. Raha azon’ny mpikaroka tsara ny fomba fiasan’izy ireny, dia mety hahita fomba vaovao sy tsara kokoa hametahana zavatra amin’ny rindrina na hampifandraisana hozatra amin’ny taolana izy ireo.

Ny Endriky ny Akorandriaka

Natao hiarovana ny sifotra ao anatiny ny firafitry ny akorandriaka sy ny endriny.

Ny Fahaizan’ny Horita Miova Loko

Miezaka maka tahaka an’izany ny injeniera, ka nanamboatra akanjo afaka miova loko ao anatin’ny ampahan-tsegondra.

Ny “Jiron’ny” Angisy any Hawaii: Nisy Namorona Ve?

Mamoaka hazavana io biby io mba tsy ho hitan’ny biby mpihaza azy.

Ny Tanan’ny Horita—Nisy Namorona ve?

Nanamboatra fitaovana mahavita zavatra mahavariana ny manam-pahaizana.

Ny Fomba Ahitan’ny Kintan-dranomasina

Fantaro ny zavatra mahavariana momba an’io biby fahita any amin’ny haran-dranomasina io.

Ny Rambon’ny Soavalin-dranomasina: Nisy Namorona Ve?

Jereo ato hoe nahoana ny rambon’ny soavalin-dranomasina no manome hevitra an’ireo mpanamboatra robot.

Ny Fahaizan’ny Andian-trondro

Hahay hampihena ny lozam-piarakodia ve isika raha mandinika ny fahaizan’ny andian-trondro?

Ny Fahaizan’ny Rémora Miraikitra Amin’ny Biby Hafa—Nisy Namorona Ve?

Fa nahoana io trondro io no mahavita miraikitra amin’ny biby hafa any anaty ranomasina?

Ilay Sivana ao Am-bavan’ny Fay “Manta”: Nisy Namorona Ve?

Vitan’ny fay ny manavaka bibikely madinika lavitra noho ny mason’ilay sivana ao am-bavany. Ahoana no ahavitany an’izany?

Vorona

Ny Lelan’ny Kôlibria: Nisy namorona ve?

Be pitsiny ny fomba hakan’ny kôlibria mamimbony, ary tsy mampiasa hery izy rehefa manao izany.

Ny Fahaizan’ny Ngovo Mitsoraka Anaty Rano

Midona mafy be amin’ny rano io vorona io satria mety hihoatra ny avo 20 heny amin’ny hery misinton’ny tany ny hamafiny. Ahoana no ataony mba tsy hahafaty azy?

Ny Lokom-borona Tsy Mety Vasoka

Nahoana ny volom-borona tsy mety vasoka no manampy mba hahavitana loko sy lamba tsara kokoa?

Ny Elatry ny Vorondolo

Ny elatry ny vorondolo no mety hanampy ny olona hanamboatra helisy tsy dia mitabataba be.

Ny Tendron’ny Elatry ny Voromahery

Naka tahaka azy io ny mpanamboatra fiaramanidina, ka nihena 7 600 tapitrisa litatra ny solika lany isan-taona.

Ny Volon’ny Vorondrano: Nisy Namorona Ve?

Inona no hitan’ny mpikaroka momba ny volon’ny vorondrano?

Ny Lohovava Mpirenireny: Misidina Nefa Tsy Mikopaka Elatra

Nahoana io vorona io no afaka misidina ela be mihitsy nefa tsy mikopaka elatra na indray mandeha aza?

Ny Fahaizan’ny Vorona Iray Mifindra Monina

Fantaro ny momba an’ilay vorona mpifindra monina mampiaiky volana ny olona indrindra. Manao dia maharitra valo andro izy io.

Ny Akanin’ny Vorona Léipoa: Nisy Namorona Ve?

Ataon’io vorona io mety tsara ny akaniny mba hikotrehana ny atodiny. Ahoana no ifehezany ny mari-pana ao amin’ilay akany, na dia miovaova aza ny toetrandro mandavantaona?

Biby Mivelona An-tanety sy Anaty Rano, Biby Mandady

Ny Hoditry ny Androngo Matsilotsilo

Anisan’ny mitroka rano koa ny tongotr’io androngo io. Ahoana anefa no ahatongavan’ilay rano any am-bavany?

Ny Rambonny Androngo: Nisy Namorona Ve?

Ahoana no ataon’ny karazan’androngo iray rehefa mitsambikina mankeny amin’ny rindrina?

Ny Valanoranon’ny Voay: Nisy Namorona Ve?

Avo telo heny noho hamafin’ny kaikitry ny liona sy ny tigra ny an’ny voay. Mora mahatsapa zavatra noho ny tendron’ny rantsantanana anefa ny valanoranony. Nahoana?

Ny Hoditry ny Bibilava

Tsy rovitra ny hoditry ny bibilava na dia mianika hazo marokoroko sy misitrika any anaty fasika aza izy. Nahoana?

Ilay Sahona Miteraka Amin’ny Vavany

Nino ny evolisiona ny mpahay siansa iray nefa nilaza fa sarotra be ny mieritreritra hoe nivoatra miandalana ilay sahona miteraka amin’ny vavany. Nahoana?

Ny Feon’ny Sahona Mpiani-kazo any Japon: Nisy Namorona Ve?

Ahoana no ahaizan’ny sahona lahy mamoaka feo rehefa mitady vady?

Bibikely

Ny Fahaizan’ny Tantelisiaka Manidina: Nisy Namorona Ve?

Mahay lavitra noho ny mpanamory matihanina io bibikely io. Fa ahoana no ataony?

Ny Fahaizan’ny Tantely Mipetraka Amin-javatra

Nahoana no azo ampiasaina tsara amin’ny fitaovana hibaikoana robot kely manidina ny teknika ampiasainy?

Ny Tranon-tantely: Nisy Namorona Ve?

Inona no teknika hitan’ny tantely mba hanaovana trano malalaka, nefa tsy voaporofon’ny mpahay matematika raha tsy tamin’ny 1999?

Ny Fahaizan’ny Vitsika Mivezivezy Milamina Tsara

Mivezivezy ny vitsika nefa tsy mitohana mihitsy. Ahoana no ataony?

Ny Tendan’ny Vitsika

Ahoana no ahafahan’ny vitsika mitondra entana mavesatra lavitra noho ny vatany?

Ny Fahaizan’ny Vitsika Manadio ny Tandrony

Mila madio foana io bibikely io raha tsy te ho faty. Ahoana no hanaovany an’izany?

Ny Volon’ny Vitsika Mivolombolafotsy any Sahara

Io no anisan’​ny bibikely mahazaka hafanana indrindra. Nahoana izy io no mahatanty hafanam-be toy izany?

Ny Tsingerim-piainan’ny Jorery

Hafahafa ny tsingerim-piainan’io bibikely io. Miaina mandritra ny herinandro vitsivitsy monja izy, nefa afaka 13 na 17 taona indray vao mipoitra ny taranany.

Ny Fahaizan’ny Jorery Mitsambikina

Fantaro ilay zavatra manokana manampy an’io bibikely io hitsambikina lavitra.

Ny Mason’ny Valala

Nahoana ny valala no tsy mifandona mihitsy na dia mifanizina be aza?

Ny Sofin’ny Valala

Tena kely ny sofin’ny valala nefa mitovy amin’ny an’ny olona ny fiasany. Miezaka maka tahaka azy io ny injeniera. Hampandroso ny siansa sy fitsaboana ve izany?

Ny Dia Lavitra Ataon’ny Lolo Mpanjaka: Nisy Namorona Ve?

Mahavariana ny dia lavitra ataon’ny lolo mpanjaka. Manaporofo ve izany hoe misy ny Mpamorona?

Ny Elatry ny Lolo

Toa malama ny elatry ny lolo rehefa jerena. Misy kirany kely mifanaingina anefa izy io, raha ny marina. Inona no ilana an’izany?

Ny Elatry ny Lolomboasary

Mainty ny lokon’ny elatry ny lolo sasany, nefa misy antony hafa koa mahatonga azy ho mora mandray sy mitahiry herin’ny masoandro.

Ny Fahaizan’ny Lolofotsy Manangona Angovo

Inona amin’ny lolofotsy no manampy ny mpikaroka hanamboatra panneaux solaires tsara kokoa?

Ny Sofin’ny Samoina

Tsotra kely ny sofiny, nefa mandre lavitra noho ny sofin’ny biby hafa rehetra fantatry ny mpahay siansa.

Ny Akoran’ilay Bibikely Atao hoe Voangorin’ny Devoly: Nisy Namorona Ve?

Ahoana no ahazakan’io bibikely io tsindry mafy be?

Ny Sela Mpandray Hafanana ao Amin’ny Voangorin’afo

Inona no ianaran’ny injeniera sy ny mpikaroka avy amin’io voangory hafakely io?

Ny Hazavan’ny Angamenavava: Nisy Namorona Ve?

Rehefa nandinika ny jiron’io bibikely io ny mpahay siansa, dia lasa nahita hevitra hampitomboana ny hazavan’ny jiro LED, izay fahita amin’ny fitaovana elektronika. Ho hitanao ato izany.

Ny Kambon’ny Lalitra

Efa nieritreritra ve ianao hoe nahoana ny lalitra no sarotra samborina? Fantaro ny zavatra hitan’ny mpahay siansa.

Ny Fahaizan’ny Lalitra Manidina

Afaka mivily tampoka hoatran’ny fiaramanidina mpiady ny lalitra mpihinam-boankazo, saingy ao anatin’ny ampahan-tsegondra no anaovany an’izany.

Hala

Ny Mason’​ny Hala

Ahoana no ahalalan’​ny hala ny elanelan’​ny toerana misy azy sy ny zavatra iray? Nahoana ny mpikaroka no te haka tahaka azy io?

Ny Ditin’ny Hala

Miraikitra be indraindray ny fandrika ataon’ny hala. Mora miendaka koa anefa izy io amin’ny fotoana hafa. Ahoana no hahavitany izany? Ary nahoana?

Zavamaniry

Ny Hoditry ny Pamplemosy Mahazaka Tontona: Nisy Namorona Ve?

Inona no eritreretin’ny mpahay siansa hatao rehefa hitany hoe mahazaka tontona ny pamplemosy?

Ny Loko Mangan’​ny Voaroy Pollia

Miloko manga mangirangirana izy io, ary tsy misy zavamaniry hafa mitovy loko aminy. Tsy tena loko anefa no manome an’​io lokony manga io. Fa inona?

Mahavariana ny Fanidin’ny Voana Beroberoka: Nisy Namorona Ve?

Mahavita mitsingevana elaela sy manidina mahitsy tsara ny voana beroberoka, ary avo efatra heny noho ny vitan’ny parachute ny vitany.

Ny Fahaizan’ny Zavamaniry Manao Kajy

Hitan’ny mpikaroka fa manana fahaizana mahavariana ny voan-tsinapy.

Zavatra Bitika

Ny ADN

Lasa nantsoina hoe “ny disque dur matanjaka indrindra” ny ADN. Nahoana?

Zavamiaina Bitika Mandevona Solika

Voadion’izy ireo ve ny solika niraraka tao amin’ny Hoalan’i Meksika tamin’ny 2010?