Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Alika Mamantatra Fofona

Ny Fahaizan’ny Alika Mamantatra Fofona

 Misy mpikaroka milaza fa afaka mampiasa ny fahaizany mamantatra fofona ny alika mba hahalalana ny taonan’ny alika hafa, ny fihetseham-pony, ary ny hoe lahy izy sa vavy. Azo ampiofanina hamantatra baomba sy zava-mahadomelina mihitsy aza ny alika. Ny maso ny an’ny olombelona no ampiasainy mba hahalalana ny manodidina azy, fa ny an’ny alika kosa ny orona no tena miasa.

 Diniho izao: Mihoatra lavitra noho ny antsika ny fahaizan’ny alika mamantatra fofona. Milaza ny Ivon-toerana Amerikanina Momba ny Fenitra sy ny Teknolojia fa vitan’ny alika ny “mamantatra ny singa sasany ao anatin’ny singa iray tapitrisa tapitrisa. Mitovy amin’ny hoe maheno tsirona siramamy ampahefatry ny sotrokely eo ho eo ao anaty rano eran’ny dobo filomanosana amin’ny Lalao Olympika izany.”

 Fa maninona no miavaka be hoatr’izany ny fahaizan’ny alika mamantatra fofona?

  •   Mando ny oron’ny alika ka mora maheno fofona kokoa.

  •   Misy lalan-drivotra roa amin’ny oron’ny alika: Ny iray hifohany rivotra ary ny iray hihainoany fofona. Rehefa mifofona zavatra izy, dia mankany amin’ilay faritra misy sela mpamantatra fofona, ao amin’ilay lavak’orona, ny rivotra.

  •   Mirefy 130 santimetatra toradroa na maherin’izany ny faritra mpamantatra fofona ao amin’ny oron’ny alika. Ny an’ny olombelona anefa dimy santimetatra toradroa fotsiny.

  •   Mety hahatratra avo 50 heny ny habetsahan’ny sela mpamantatra fofona ao amin’ny alika raha oharina amin’ny antsika.

 Izany rehetra izany no ahavitan’ny alika manavaka ny singa samihafa ao anaty fofona. Misy manam-pahaizana, ohatra, milaza hoe raha fofona lasopy no henontsika dia ny fangaro tsirairay ao anatiny kosa no henon’ny alika.

 Milaza ny mpikaroka ao amin’ny fikambanana iray mpanao fikarohana momba ny kansera fa “anisan’ny fitaovana mpamantatra fofona arifomba indrindra eto an-tany” ny atidohan’ny alika sy ny orony rehefa miara-miasa. Manamboatra “orona” elektronika izao ny mpahay siansa mba hamantarana baomba sy entana aondrana an-tsokosoko ary aretina, anisan’izany ny kansera.

 Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fahaizan’ny alika mamantatra fofona, sa nisy namorona?