Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Volon’ny Vorondolo

Ny Volon’ny Vorondolo

Nisy Namorona Ve?

Ny Volon’ny Vorondolo

◼Mitsiriritra erỳ ny injeniera mijery ny vorondolo, satria tsy re ny fikopaky ny elany rehefa manidina izy. ‘Tsy misy vorona toy izany mihitsy’, hoy ny gazety iray ao amin’ny Internet. Fa nahoana no tsy re ny fikopaky ny elany?

Eritrereto izao: Re ny fikopaky ny elatry ny ankamaroan’ny vorona, satria misafotofoto ny rivotra rehefa midona amin’ny elany. Tsy toy izany kosa ny an’ny vorondolo. Malefaka ireo volo mikiramborambo amin’ny elany, ka miditra eny anelanelan’ireny ny rivotra rehefa manidina izy. Tsy tena heno àry ny feon’ny rivotra. Mbola mampihena ny feon’ny rivotra koa ireo volo madinika amin’ny vatany.

Tian’ireo mpanamboatra fiaramanidina ho fantatra izay mahatonga ny vorondolo hila tsy ho re mihitsy rehefa manidina. Tsy afaka mipetraka sy manainga amin’ny alina be na vao maraina be ny fiaramanidina any amin’ny seranana sasany, satria mitabataba. Raha mahavita manamboatra fiaramanidina tsy dia mitabataba anefa ny injeniera, dia ho azo sorohina izany. Efa eo am-pieritreretana an’izany izao izy ireo. “Efa dinihina izao ny fomba hanatanterahana an’izany”, hoy i Geoffrey Lilley, manam-pahaizana momba ny fiaramanidina, niasa tao amin’ny Oniversiten’i Southampton, Angletera. Mila taona maro, hoy izy, vao ho vita ny fiaramanidina tsy dia mitabataba toy izany.

Ahoana ny hevitrao? Nisy ho azy sa nisy namorona ireo volo malefaka amin’ny elatry ny vorondolo, izay mahatonga ny fikopaky ny elany tsy dia ho re?

[Sary, pejy 23]

Ampitahao ny volon’ny vorondolo eo ankavia, sy ny an’ny firasa, eo ankavanana

[Sary nahazoan-dalana, pejy 23]

Vorondolo lava sofina: © Joe McDonald/Visuals Unlimited; sary mifampitohitohy: © Andy Harmer/Photo Researchers, Inc.; fampitahana elatra: Courtesy of Eike Wulfmeyer/Wikimedia/GFDL