Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Jaboran’ny Biby An-dranomasina

Ny Jaboran’ny Biby An-dranomasina

Nisy Namorona Ve?

Ny Jaboran’ny Biby An-dranomasina

● Efa ho 40 kilaometatra isan’ora ny hafainganam-pandehan’ny feso. Efa ela izany no nampiasa saina ny mpahay siansa, satria tsy betsaka ny hozatr’io biby io. Anisan’ny mahatonga ny feso ho afaka hilomano haingana ny jaborany. Ahitana jabora koa ao ambanin’ny hoditry ny trozona sy ny biby hafa any an-dranomasina.

Diniho izao: Hoy ny Rakipahalalan’ny Tontolo Vaovao (anglisy): “Ny jabora dia tambatsela mpampitohy milamina tsara ary feno tavy matevim-be.” Efa ho ny vatan’ilay biby manontolo no rakotra jabora. “Misy hozatra madinika sy rohinofo be dia be misandrahaka sy mifandray tsara mampiraikitra [an’ilay jabora] amin’ny hozatra sy ny karana.” Nofo toy ny kofehy elastika sy proteinina kosa no hita ao amin’ireo hozatra madinika sy rohinofo. Misy an’io proteinina io koa any amin’ny hoditra sy taolana. Tsy sosona tavy natao hiaro amin’ny hatsiaka fotsiny àry ilay jabora, fa tambatsela be pitsiny maro be koa.

Misy karazana feso mahavita milomano 56 kilaometatra isan’ora. Nahoana ny jabora no manampy ny feso sy ny biby hafa hilomano haingana? Misy vokany eo amin’ny bikan’ilay biby ny jaborany, ka lasa afaka milomano haingana izy. Ankoatra izany, dia hafakely ny fomba itambaran’ireo proteinina sy nofo toy ny kofehy elastika, ao amin’ny jabora eo anelanelan’ny rambony sy ny vombony. Mifampidipiditra izy ireo, ka afaka mipelipelika tsara ny rambony nefa tsy mandreraka azy. Rehefa manetsika ny rambony ilay biby, dia misintona an’ilay rambo hiverina ilay jabora, izay toy ny resaoro. Vao mainka mandeha mafy izy amin’izay nefa tsy reraka be.

Manampy an’ilay biby hitsinkafona koa ny jabora sady mitahiry hafanana. Ilain’ilay biby ny taviny rehefa tsy dia misy ny sakafo. Tsy mahagaga àry raha te hianatra momba ny jabora ny olona te hanamboatra sambo tsara kokoa sy mandeha haingana kokoa.

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny jabora sy ireo zavatra maro mampiavaka azy, sa nisy namorona?

[Kisary, pejy 17]

(Jereo ny gazety)

Nofo toy ny kofehy elastika sy proteinina mifampidipiditra

Nofo toy ny kofehy milahadahatra