Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Namorona Ve?

Ny Rambon’ny Androngo

Ny Rambon’ny Androngo

TSY sahirana ny karazan’androngo iray rehefa hitsambikina eny amin’ny rindrina. Sahirana kosa izy rehefa miainga avy eo amin’ny toerana malama, nefa tody ihany. Ahoana no ataony? Ny rambony no manampy azy.

Diniho izao: Rehefa hitsambikina avy eo amin’ny toerana marokoroko azo amikirana tsara ilay androngo, dia ataony mahitsy tsara ny vatany ary ampidininy ny rambony. Afaka mitsambikina tsara izy amin’izay. Mibolisatra kosa izy raha mitsambikina avy eo amin’ny toerana malama. Ampiakariny àry ny rambony amin’ilay izy mitsambikina iny mba hampahitsy tsara ny vatany sy hahatongavany eny amin’izay alehany. Misy pitsipitsiny be tafiditra amin’izany. Hoy ny tatitra navoakan’ny Oniversiten’i Kalifornia, any Berkeley: “Tsy maintsy amboarin’ilay androngo ny paozin’ny rambony, mba hahitsy tsara ny vatany rehefa mitsambikina.” Arakaraka ny mampahalama an’ilay toerana iaingany no ampakarany ny rambony, mba hahatongavany eny amin’izay alehany.

Mety hanampy ny injeniera hanamboatra fiara robot mandeha haingana sy tsy mora mivadika ny fandinihana ny rambon’io androngo io. Azo ampiasaina io fiara io mba hikarohana an’izay tsy maty amin’ny horohoron-tany na loza hafa. Hoy ny mpikaroka iray atao hoe Thomas Libby: “Tsy misy robot mailamailaka hoatran’ny biby. Fandrosoana be tokoa àry ny hoe mahavita robot afaka mitsoriadriaka.”

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny rambon’io androngo io, sa nisy namorona?