Hijery ny anatiny

NISY NAMORONA VE?

Ny Fahaizan’ny Vitsika Manadio ny Tandrony

Ny Fahaizan’ny Vitsika Manadio ny Tandrony

 Tsy maintsy madio tsara ny bibikely raha te hanidina sy hianika amin-javatra ary hamantatra ny manodidina azy. Raha maloto, ohatra, ny tandroky ny vitsika, dia ho sahirana izy rehefa hitady lalana sy hifampiresaka ary hamantatra fofona. Izany no mahatonga an’i Alexander Hackmann, manam-pahaizana momba ny biby, hilaza hoe: “Tsy hahita bibikely maloto mihitsy ianao.” Hoy koa izy: “Efa hain-dry zareo ny miaro tena amin’ny loto.”

 Diniho izao: Nandinika karazana vitsika iray (Camponotus rufifemur) i Hackmann sy ny mpiara-miasa aminy. Nodinihin’izy ireo ny fomba anadiovan’io bibikely io ny tandrony. Hitan’izy ireo hoe misy volovolo samihafa amin’ny tongotr’io vitsika io. Ampandaloviny ao ambany tongony iray ny tandrony iray rehefa diovina. Ireo volovolo lehibe no manala ny loto lehibe indrindra. Misy volovolo hoatran’ny fihogo kely koa eo amin’ilay tongotra. Mitovy amin’ny haben’ny volo eo amin’ilay tandroka ny elanelan’ny rantsan’ilay fihogo ka voatazona eo ny loto kely kokoa rehefa mandalo eo ilay tandroka. Misy volovolo hoatran’ny borosy koa eo amin’ilay tongotra, ary manala ny loto madinika indrindra, ka afaka daholo na dia ny loto kely lavitra noho ny loham-panjaitra aza.

 Jereo ny fanadiovan’ny vitsika iray ny tandrony

 Hitan’i Hackmann sy ny ekipany fa azo ampiasaina any amin’ny orinasa ilay fomba fanadiovan’ny vitsika ny tandrony. Saro-pady be, ohatra, ny piesy elektronika tena bitika ka tena tsara raha misy fomba hihazonana azy hadio foana mandritra ny fanamboarana azy. Mety tsy hiasa tsara mantsy ilay piesy raha maloto, na dia kely fotsiny aza.

 Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny fahaizan’ny vitsika manadio ny tandrony, sa nisy namorona?