Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Lohan’ny Pika

Ny Lohan’ny Pika

Nisy Namorona Ve?

Ny Lohan’ny Pika

● Mety hahatorana anao ny zavatra iray midona aminao raha eo anelanelan’ny 80 sy 100 ny heriny, araka ny mari-drefy fandrefesana ny sinton’ny tany. Hery 1 200 eo ho eo amin’io mari-drefy io anefa no mihatra amin’ny pika, rehefa mandoaka hodi-kazo amin’ny vavany izy. Nahoana io vorona io no tsy torana sady tsy marary andoha akory?

Eritrereto izao: Hitan’ny mpikaroka fa ireto zavatra efatra ireto no mahatonga ny lohan’ny pika hatanjaka be:

1. Mafy be ny vavany nefa afaka milefitra

2. Taolana mifangaro tambatsela toy ny lasitika no mandrakotra ny karandohany

3. Misy taolana toy ny spaonjy ao amin’ny karandohany

4. Misy elanelana kely misy ranoka manokana eo anelanelan’ny karandohany sy ny atidohany

Samy manampy ny pika hahatanty an’izay midona aminy ireo zavatra efatra ireo. Tsy maninona àry ny atidohany na akapokapony amin’ny hazo in-22 isan-tsegondra aza ny vavany.

Naka hevitra avy amin’izany ny mpikaroka, ka nanamboatra fitoeran-javatra mahatanty hery hatramin’ny 60 000 amin’ny mari-drefy fandrefesana ny sinton’ny tany. Mety ho azo ampiasaina amin-javatra maro izany, anisan’izany ny boaty kely mirakitra ny dia ana habakabaka, izay tsy mahatanty afa-tsy hery 1 000 eo ho eo aloha hatreto. Milaza i Kim Blackburn, injeniera ao amin’ny Oniversiten’i Cranfield, any Royaume-Uni, fa asehon’ny zavatra fantatra momba ny lohan’ny pika hoe “eo amin’ny natiora, dia afaka mitambatra ireo firafitra avo lenta, ka lasa mahavaha olana tsy noeritreretina ho voavaha mihitsy.”

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny lohan’ny pika, sa nisy namorona?

[Kisary, pejy 19]

(Jereo ny gazety)

1

2

3

4

[Sary nahazoan-dalana, pejy 19]

Pika: © 2011 photolibrary.com