Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nisy Namorona Ve?

Ny Kambon’ny Lalitra

Ny Kambon’ny Lalitra

Ahoana no ahafahan’ny lalitra manao fihetsika hafakely eny am-panidinana? Nahoana izy ireny no tonga dia afaka manidina tsara indray, rehefa avy tsofin’ny rivotra? Ireo kambo kely eo aorian’ny elany tsirairay no ahavitany izany. *

Diniho izao: Hoatran’ny paozina fen’akoho bitika kely ireo kambo. Miara-mihetsika amin’ny elatr’ilay lalitra izy ireo, saingy miakatra rehefa midina ireo elatra ary midina kosa rehefa miakatra ireo elatra. Hitan’ny mpahay siansa fa ireo kambo ireo no manampy ny lalitra tsy hihilangilana rehefa manidina.

Manampy an’ireo lalitra tsy hihilangilana eny am-panidinana ireo kambo

Botabota ny lohan’ireo kambo ary “mihetsiketsika toy ny kapily amin’ny famantaranandro lehibe”, hoy ny rakipahalalana iray momba ny zavaboary. Lazainy koa fa “miolana ny tahon’ilay kambo” raha mihodina tampoka eny am-panidinana ilay lalitra, na fanahy iniany izany na noho izy tsofin’ny rivotra. ‘Raha vao miolana ilay taho, dia mampita hafatra any amin’ny atidoha avy hatrany ny selam-pitatitra ao amin’ilay kambo. Manamboatra ny fihetsiny àry ilay lalitra, mba ho afaka hanidina tsara indray.’ Izany no mahatonga azy ho mailaka be sy ho sarotra samborina.

Rehefa nianatra momba an’ilay kambo ny manam-pahaizana dia nanamboatra fitaovana be dia be, toy ny robot sy sambon-danitra ary fitaovana bitika mitovitovy amin’ny bibikely manidina. Hoy i Rafal Zbikowskilay, mpikaroka momba ny sambon-danitra: “Iza moa no nanampo hoe zavaboary kely tsy be mpitia toy ny lalitra dia hianarantsika zavatra be dia be?”

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona na fiovana miandalana ve ilay kambo mahatonga ny lalitra tsy hihilangilana eny am-panidinana, sa nisy namorona?

^ Misy an’ireo kambo ireo koa amin’ny bibikely manana elatra roa, toy ny moka.