Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Sifotra Hareza Mpihady Lavaka

Ny Sifotra Hareza Mpihady Lavaka

Nisy Namorona Ve?

Ny Sifotra Hareza Mpihady Lavaka

● Rehefa jerena io sifodranomasina lavalava io, dia toa tsy hahavita hihady fasika akory. Vitany anefa ny mihady tany mafy be, sady poatoizay no anaovany azy, ka nantsoin’ny olona hoe “mpihady lavaka mirimorimo” izy io. Variana mihitsy ny mpikaroka. Hoy i Anette Hosoi, mpampianatra ao amin’ny Sekoly Ambony Momba ny Teknolojia any Massachusetts: “Misy tetika mihitsy ampiasain’ireny sifotra ireny.” Fa inona izany tetika izany?

Eritrereto izao: Ahetsiketsiny ao anaty fasika ny tongony, ka lasa misy lavaka kely eo, izay idiran’ny rano sy fasika. Akisinkisiny eo ny vatany avy eo, sady sokafany sy akombony ny akorany. Lasa azon’ny rano àry ilay faritra kely ka mora lavahana. Mahavita mihady lavaka 70 santimetatra ny sifotra hareza, ka 1 santimetatra isan-tsegondra no anaovany izany. Rehefa tafiditra ao amin’ilay lavaka izy, dia sarotra be ny misintona azy avy ao. Mifikitra toy ireny vatofantsika ireny mantsy izy. Rehefa ampitahaina ny hery sy ny angovo ampiasainy mba hamikirana, dia avo folo heny noho ny vatofantsika tsara indrindra vitan’ny olona.

Nandinika an’io sifotra io ireo injeniera, ka nanamboatra vatofantsika “maoderina.” Hoy i Hosoi: “Mety misokatra sy mikombona toy ny akoran’ilay sifotra izy io, ary afaka miakatra sy midina.” Matanjaka sy tsy mandany angovo io vatofantsika vaovao io. Hampiasaina amin’ny sambo mpisitrika mpanao fikarohana ilay izy, ary koa amin’ny fitaovana mpitrandraka solika an-dranomasina sy mpamotika vanja milevina.

Ahoana ny hevitrao? Kisendrasendra ve no nahatonga ny sifotra hareza hahay hihady lavaka? Sa nisy namorona?

[Sary, pejy 23]

Vatofantsika “maoderina” voalohany, nalaina tahaka avy amin’ny sifotra hareza

[Sary nahazoan-dalana]

Sifotra hareza: © Philippe Clement/naturepl.com; vatofantsika “maoderina”: Courtesy of Donna Coveney, Massachusetts Institute of Technology