Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 NISY NAMORONA VE?

Ny Hoditry ny Bibilava

Ny Hoditry ny Bibilava

TSY misy tanana na tongotra ny bibilava fa mikisaka. Mila hoditra mafy àry izy, satria mikasoka amin-javatra foana ny vatany. Mianika hazo marokoroko ny sasany, ary ny hafa indray misitrika any anaty fasika. Nahoana anefa ny hodiny no tsy mora rovitra?

Diniho izao: Tsy mitovy ny hatevin’ny hoditry ny bibilava sy ny endriny, arakaraka ny karazany. Ny mampitovy azy rehetra anefa dia izao: Mafy ny etỳ ivelany, fa mihamalefaka kosa ilay izy hatrany anatiny. Inona no mahatsara an’izany? Hoy ilay mpikaroka atao hoe Marie-Christin Klein: “Misy mahatsara azy ny zavatra henjana nefa malefaka ny ao anatiny, satria rehefa manindry zavatra ilay izy, dia afaka mivelatra eo amin’ilay zavatra ipetahany fa tsy miridiridy be.” Raha mandalo amin’ny vato maranidranitra, ohatra, ny bibilava, dia faritra ngezangeza amin’ny vatany no indray mitehina satria tsy mihenjana be ny hodiny. Tsy manindrona be àry ny vato tsindriany, ka tsy mora simba ny hodiny. Hafakely ny hoditry ny bibilava satria afaka mamikitra tsara amin’izay zavatra lalovany, ary iny no manosika azy hikisaka. Ara-dalàna raha natao hateza ilay hoditra, satria isaky roa na telo volana vao misolo.

Raha maka tahaka ny hoditry ny bibilava ny mpikaroka, dia mety hahavita solonofo mateza sy miraikitra tsara, izay natao hanatsaram-bika. Mety ho vitan’izy ireo koa ny hanao milina mampisosa entana, izay tsy mila asiana menaka be. Manimba tontolo iainana mantsy ireny menaka ireny.

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny hoditry ny bibilava, sa nisy namorona?