Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Endriky ny Akorandriaka

Ny Endriky ny Akorandriaka

ANY amin’ny fanambanin’ny ranomasina any no misy ny sifodranomasina. Tsy mora ny zavatra iainany any, satria iharan’ny tsindry mafy be izy ireo. Tena miaro azy anefa ny akorany. Tian’ny injeniera halain-tahaka àry ny firafitry ny akorandriaka sy ny endriny, mba hanamboarana fiara sy trano maharo tsara ny olona ao anatiny.

Diniho izao: Nandinika karazana akorandriaka roa ny injeniera. Ny iray miendrika mivalombalona (misy takelaka roa mifanarona), ary ny iray miendrika miolikolika.

Noho ireo endriny ireo, dia izay faritra matanjaka indrindra amin’ilay akorandriaka no tena mizaka ny tsindry. Ny sisiny sy ny fihaonan’ireo takelaka mifanarona izany ho an’ilay akorandriaka miendrika mivalombalona, fa ny atin’ilay akora sy ny faritra mivelatra indrindra aminy kosa ho an’ilay miendrika miolikolika. Mbola voaro ihany àry ilay sifotra ao anatiny, na simba aza ilay akorandriaka.

Nanamboatra akorandriaka tsotsotra miendrika boribory sy matsoko loha ny mpikaroka. Ny akora ao amin’ny akorandriaka ihany no nalainy tahaka. Nampitahainy ny hamafin’ny akorandriaka voajanahary sy ny an’ireo akorandriaka tsotsotra ireo. Hita fa efa ho avo roa heny ny tsindry zakan’ny akorandriaka voajanahary, noho izy io be pitsiny kokoa.

Hoy ny gazety Amerikanina Siantifika: ‘Raha mitondra fiara hoatran’ny akorandriaka ianao indray andro any, dia tadidio fa natao hiarovana ny olona ao anatiny izy io fa tsy hoe haitraitra fotsiny.’

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny endriky ny akorandriaka, sa nisy namorona?