Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

 NISY NAMORONA VE?

Ny Mason’ny Valala

Ny Mason’ny Valala

MIFANIZINA BE ny andiam-balala rehefa manidina, ka mety hahitana “valala 80 tapitrisa be izao ao anatin’ny faritra iray kilaometatra toradroa.” Mahagaga anefa fa tsy mifandona mihitsy izy ireny. Nahoana?

Diniho izao: Misy hozatra hafakely eo aoriana indrindra amin’ny mason’ny valala, mifandray amin’ny atidohany. Inona ny asan’izy io? Mamantatra an’izay zavatra mihetsika manodidina azy. Mandefa baiko haingana ilay hozatra raha vao mitady hifandona amin’ny valala hafa izy. Voarain’ny elany sy ny tongony ilay baiko, ka miala avy hatrany izy. Haingana be izany rehetra izany, satria avo dimy heny amin’ny indray mipy maso.

Naka tahaka an’io hozatra amin’ny mason’ny valala io ny mpahay siansa. Nanamboatra fitaovana elektronika izy ireo, ary nataony tao anaty robot. Afaka mamantatra an’izay zavatra manatona azy àry ilay robot, sady mahay miala mba tsy hifandona amin’ilay izy. Nandraman’ny mpikaroka napetaka tamin’ny fiara ilay fitaovana elektronika, ka mandefa fanairana haingana raha vao mitady hifandona amin-javatra ilay fiara. Hoy ny Pr. Shigang Yue, ao amin’ny Oniversiten’i Lincoln any Royaume-Uni: “Bibikely tsotsotra ny valala, nefa be dia be no azo ianarana avy aminy.”

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona (na fiovana miandalana) ve ny mason’ny valala, sa nisy namorona?