Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

NISY NAMORONA VE?

Ny Hazavan’ny Angamenavava

Ny Hazavan’ny Angamenavava

SOMARY hafa ny jiron’ilay karazana angamenavava atao hoe Photuris. Misy kirany be dia be mantsy izy io, ka vao mainka mazava be ilay jirony. *

Kirany mifanaingina

Diniho izao: Hitan’ny mpikaroka fa mifanaingina ireo kirany, toy ireny tafo tanimanga ireny. Tsy mahitsy ilay izy fa mitongilana kely. Miainga telo ampaharivona milimetatra ilay izy, izany hoe kely noho ny singam-bolo zaraina roapolo. Lasa mazava be ilay jiron’ny angamenavava noho ireo kirany mitongilana ireo. Mihena 50 isan-jato be izao mantsy ilay hazavana raha mahitsy ireo kirany.

Azo alaina tahaka ve io teknika io, mba hampitomboana ny hazavan’ireny jiro kely arehitry ny diôda ireny (LED), izay fahita matetika amin’ny fitaovana elektronika? Nanandrana an’izany ny mpikaroka, ka nanao jiro misy kirany madinika hoatran’ny an’ny angamenavava. Inona ny vokany? Nitombo 55 isan-jato ny hazavan’ireo jiro! Hoy i Annick Bay, mpahay fizika: “Ny tena nisongadina tamin’iny fanandramana iny dia hoe be dia be ny azontsika alaina tahaka avy amin’ny zavaboary, raha mandinika tsara isika.”

Ahoana ny hevitrao? Vokatry ny evolisiona ve ny jiron’ny angamenavava, sa nisy namorona?

^ feh. 3 Tsy mbola nandinika ny karazany rehetra amin’io angamenavava io ny mpikaroka.