Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Fahaizan’ny Trondro Milomano

Ny Fahaizan’ny Trondro Milomano

Nisy Namorona Ve?

Ny Fahaizan’ny Trondro Milomano

● Maro ny karazana saumon milomano manohitra ny fikorianan’ny rano mahery, rehefa handeha hanatody. Mandreraka be izany nefa tsy reraka izy ireny. Nahoana? Tena hainy ny manararaotra an’ilay rano mahery, ka tsy manahirana azy izany. Fa ahoana no ataony?

Diniho izao: Tsy manezakezaka be mandeha amin’ny rano misafotofoto ny saumon. Mitsitsy ny heriny kosa izy ka mampiasa an’ireo rano kely mitambolimbolina miforona rehefa sakanan’ny vato na rantsankazo na zavatra hafa ny rano. Misy rano mitambolimbolina kely miforona eo amin’ny andaniny sy ny ankilan’ireny zavatra ireny, ary mandeha eny anelanelan’ireo rano mitambolimbolina ilay trondro. (Jereo ny kisarisary.) Mampiasa ny rano mitambolimbolina avy amin’ny trondro eo alohany izy rehefa miaraka andiany. Afaka manararaotra ny rano mitambolimbolina foronin’ny tenany mihitsy aza izy!

Te hitrandraka ny fahaizan’io trondro io milomano ny manam-pahaizana, mba hahazoana angovo avy amin’ny rano mikoriana miadana. Mamokatra herinaratra avy amin’ny rano mikoriana 9,3 kilaometatra isan’ora eo ho eo na mahery ny fitaovana mpamokatra herinaratra. Misy fitaovana vaovao mahavita mamokatra herinaratra avy amin’ny rano mitambolimbolina anefa izao, ka rano mikoriana telo kilaometatra isan’ora mahery monja dia efa ahazoana herinaratra. * Tsy mahavita ny vitan’ny trondro toy ny saumon mihitsy ny teknolojia, na izany aza. Niaiky i Michael Bernitsas, manam-pahaizana ao amin’ny Oniversiten’i Michigan any Etazonia, hoe: “Tsy mahay noho ny trondro isika.”

Ahoana ny Hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny fahaizan’ny saumon manararaotra ny rano mitambolimbolina, sa nisy namorona?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 5 Toa tsara izany satria latsaka ny 5,5 kilaometatra isan’ora ny fikorianan’ny ankamaroan’ny rano.

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Sary ambony: © photolibrary. All rights reserved.