Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Jiro Kelin’ny Angamenavava

Ny Jiro Kelin’ny Angamenavava

Nisy Namorona Ve?

Ny Jiro Kelin’ny Angamenavava

● Samy misy angamenavava na any amin’ny tany mafana na any amin’ny tany tsy dia mafana. Mamoaka hazavana manjelanjelatra izy rehefa mitady vady. Tsara lavitra ny hazavana avoakany raha oharina amin’ny an’ny karazana ampola rehetra. Eritrereto io bibikely io rehefa mijery ny vidin-jironao ianao amin’ny manaraka.

Diniho izao: Ny 10 isan-jaton’ny angovo ao amin’ny ampola sasany ihany no lasa hazavana. Ny an’ny hafa kosa ny 90 isan-jatony. Tsy misy mahatoraka ny angamenavava anefa ireo. Saika ny angovo rehetra ao aminy mantsy no lasa hazavana! Tsy dia misy taratra manimba koa io hazavana io.

Misy sela ahitana zavatra simika atao hoe losiferinina sy losiferazy ao amin’io bibikely io. Miara-miasa amin’ny oksizenina ireo, ka miteraka hazavana. Tsy mafana ilay hazavana. Tsy mahagaga raha nilaza i Sandra Mason, mpampianatra momba ny fambolena sy ny tontolo iainana, fa “tsy maintsy ho nitsiriritra ny angamenavava” i Thomas Edison, ilay namorona ny ampola.

Ahoana ny hevitrao? Nisy ho azy ve sa nisy namorona ny jiro kelin’ny angamenavava?

[Kisary/Sary, pejy 15]

(Jereo ny gazety)

ANGOVO LASA HAZAVANA

10% 90% 96%

Ampola tsotra Ampola mazava be Angamenavava

[Sary nahazoan-dalana, pejy 15]

Angamenavava eo ambony: © E. R. Degginger/Photo Researchers, Inc.; angamenavava eo ambany: © Darwin Dale/Photo Researchers, Inc.