Hijery ny anatiny

Todd Aki/Moment Open via Getty Images

NISY NAMORONA VE?

Ilay Sivana ao Am-bavan’ny Fay “Manta”

Ilay Sivana ao Am-bavan’ny Fay “Manta”

 Sady milomano ny fay no misakafo. Trohiny amin’ny vavany ny ranomasina sy ny bibikely tena madinika, dia avy eo mandalo ao amin’ny zavatra hoatran’ny sivana ao amin’ny tendany. Avahan’ilay sivana hoe sakafo ny bibikely, fa ny rano indray mbola manohy mandalo an’ilay sivana, dia mivoaka amin’ny sagoagan’ilay fay. Mbola vitan’ilay sivana anefa ny manavaka ny bibikely, na dia kely noho ny mason’ilay sivana aza ilay izy. Milaza i Ed Yong, mpanao gazety momba ny siansa, fa “tsy azo eritreretina hitranga mihitsy izany.”

 Diniho izao: Miendrika antsasaka faribolana anankidimy ilay sivana. Hoatran’ny fihogo ny tsirairay amin’ilay antsasaka faribolana, dia misy kinifinifiny daholo ny andaniny roa amin’ilay izy. Mitodika mankany aloha ny sasany amin’ilay kinifinifiny, fa ny hafa indray mitodika mankany aoriana. Ireny kinifinifiny ireny no manavaka ny rano tafiditra ao am-bavan’ilay fay. Mandalo eo ambonin’ilay kinifinifiny ny ampahany amin’ny rano, fa ny ambiny indray tafiditra eny anelanelany, dia lasa misy rano mihodinkodina ao am-bavan’ilay fay.

 Rehefa entin’ilay rano mihodinkodina ilay sakafo, dia midona amin’ny sisin’ilay kinifinifiny. Tonga ao amin’ny tendan’ilay fay ilay izy amin’ny farany, dia ateliny. Na dia ny zavamananaina bitika tokony ho tafiditra eo anelanelan’ilay kinifinifiny aza dia tonga ao amin’ny tendan’ilay fay ihany. Lasa mandeha haingana be mantsy ilay izy rehefa entin’ilay rano mihodinkodina, dia midona amin’ilay kinifinifiny. Na dia zavatra faran’izay madinika aza izany dia tsy very manaraka an’ilay rano, fa lasa sakafon’ilay fay.

 Ankoatra izay, dia tsy mety tsentsina sady mahavita manadio ny tenany ilay sivana, na dia rehefa mandeha haingana be aza ilay fay na koa be dia be ny bibikely ampidiriny ao am-bavany.

 Manantena ny mpikaroka hoe hahavita hanamboatra sivana mitovy fiasa amin’ilay sivana ao am-bavan’ny fay. Tian-dry zareo hampiasaina hanadiovana rano sy hanavahana potika plastika mampidi-doza ilay izy.

 Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ilay sivana ao am-bavan’ny fay “manta”, sa nisy namorona?