Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tena Mafy ny Taolana

Tena Mafy ny Taolana

Nisy Namorona Ve?

Tena Mafy ny Taolana

● Voalaza fa “sangan’asa miavaka” ny taolana, satria “tsy mora tapaka na potika na pepo.”

Diniho izao: Misy taolana 206 sy tonon-taolana 68 eo ho eo ao amin’ny vatantsika. Ny taolam-pe no lava indrindra, ary ny anjataolana ao amin’ny sofina no fohy indrindra. Tsy henjana be ny vatana sady mahavita fihetsika isan-karazany noho ireo taolana, hozatra, taola-malemy, ary tonon-taolana ao aminy. Hita izany rehefa jerena ireo mpanao fanatanjahan-tena mahay. Hoy ny foibem-pikarohana iray: “Raha mandinika ny ankibe fotsiny isika, dia tsy maintsy hiaiky fa tena mahay ilay namorona antsika (na iza izy na iza)!”

Tsy mihontsina koa ny taolana mazàna na dia voadona mafy be aza. Hoy ihany ilay foibem-pikarohana: “Tsy misy hafa amin’ny rindrina simenitra misy vy ny taolana. Ilay vy no mahatonga an’ilay rindrina hatanjaka be. Ny fasika sy simenitra ary vato ao aminy kosa no mahatonga azy io tsy ho mora potika. Mbola mafy lavitra noho ny rindrina simenitra anefa ny taolana.” Hoy i Robert Ritchie, mpampianatra any amin’ny Oniversiten’i Kalifornia, Etazonia: “Tsy ho vitantsika mihitsy ny haka tahaka ny taolana!”

Saika misy taolana avokoa ny zavamananaina rehetra, ary tena ilaina izy io. Tsy vitan’izay fa afaka manavao tena ny taolana. Raisiny tsara koa ireo hormonina mampitombo azy. Mandray anjara amin’ny famokarana ny selan’ny ra mihitsy aza ny taolana. Mihamatanjaka koa izy io arakaraka ny ampiasana azy, tsy misy hafa amin’ny hozatra. Izany no mahatonga ny atleta ho mafy taolana raha oharina amin’ny olona tsy mampiasa vatana.

Ahoana ny hevitrao? Kisendrasendra ve no nampisy ny taolana, sa nisy namorona?

[Sary, pejy 25]

Firafitry ny taolana (nohalehibeazina)

[Sary nahazoan-dalana, pejy 25]

Taolana: © MedicalRF.com/age fotostock; sary nohalehibeazina: © Alfred Pasieka/Photo Researchers, Inc.; mpanao fanatanjahan-tena: Cultura RF/Punchstock