Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ny Nifin’ny Sokindriaka

Ny Nifin’ny Sokindriaka

Nisy Namorona Ve?

Ny Nifin’ny Sokindriaka

● Manana nify dimy ny sokindriaka ary ireo no andavahany sy ikikisany ny vato ipetrahany. Maranitra foana anefa ny nifiny. Hoy i Pupa Gilbert, mpampianatra fizika ao amin’ny Oniversiten’i Wisconsin, any Etazonia: “Tsara lavitra izany raha oharina amin’ireo fitaovana fanapahana sy fikikisana fantatsika sy ampiasaintsika.” Inona no mahatonga ny nifin’ny sokindriaka ho toy izany?

Diniho izao: Kristaly mitambatambatra ny nifin’ny sokindriaka. Milaza anefa i Gilbert hoe “efa misy faritra malemy ao amin’ireo nify.” Mora miendaka ny tampon’ny nify efa niasa, noho ireny faritra malemy ireny, ary miseho ny nify vaovao maranitra. Mitovy amin’ny taratasy misy lavaka kely be dia be milahatra izany, ka rehefa rovitina ilay taratasy dia manaraka an’ireo lavaka ny triatra. Tsy dombo mihitsy ilay nify satria maniry foana ny avy ao amin’ny fotony ary efa maranitra avy hatrany ny eo an-tampony. Milaza i Gilbert fa “vitsy ihany ny zavatra eo amin’ny natiora” mitovy amin’ny nifin’ny sokindriaka ka hoe “maranitra avy hatrany.”

Tena faly ny mpanamboatra fitaovana rehefa fantatra ny fomba fiasan’ny nifin’ny sokindriaka. Mety ho azo atao ny hanamboatra fitaovana tonga dia maranitra arakaraka ny ampiasana azy. Milaza i Gilbert fa “ilaina fotsiny ny maka tahaka ny sokindriaka.”

Ahoana ny hevitrao? Tongatonga ho azy ve ny nifin’ny sokindriaka, sa nisy namorona?

[Kisary, pejy 16]

(Jereo ny gazety)

Nify mitombo

Fonony misy kalsioma

Nify maranitra

[Sary, pejy 16]

Sokindriaka

[Sary, pejy 16]

Nify dimy

[Sary nahazoan-dalana, pejy 16]

Sary roa: Courtesy of Pupa Gilbert/University of Wisconsin-Madison