Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ilay Ambasadaoron’i Meksika

Ilay Ambasadaoron’i Meksika

Ilay Ambasadaoron’i Meksika

● Nanandrana pulque tany Meksika ireo Espaniola mpanjanaka rehefa tonga tany, taoriana kelin’ny 1500. Ranona karazan-taretra efa niotrika izy io ary kely ny alkaola ao aminy, toy ny amin’ny labiera. Misy proteinina, gliosida, vitaminina, ary mineraly koa ilay izy, ka ampiasaina ho fanampin-tsakafo any amin’ny faritra maro.

Zatra misotro zava-pisotro misy alkaola ny Espaniola rehefa misakafo. Nataon’izy ireo mahery kokoa àry ilay ranona karazan-taretra, ary izany no nahazoana an’ilay zava-pisotro atao hoe tequila ankehitriny. Betsaka izao ny mpamokatra tequila any Meksika, ary mahavita 189 tapitrisa litatra mahery izy ireo isan-taona, ka aondrany ny 40 isan-jaton’izany.

Be rano ny ravin’ilay karazan-taretra ambolena any amin’ny faritra avo toerana sy maina any afovoany andrefan’i Meksika, indrindra fa any Jalisco, tanàna akaikin’i Tequila. * Izany no nahatonga an’ilay anarana hoe tequila. Mila 12 taona vao matoy ilay karazana taretra ka mitroka mineraly be dia be. Tapahina ny raviny feno tsilo rehefa matoy izy io, ka ilay atiny miendrika mananasy be milanja 50 kilao eo ho eo sisa no tavela. Antsoina hoe piña io atiny io ary misy ranony ahazoana tequila iray litatra, isaky ny 7 kilao eo ho eo.

Maro ny Meksikanina tia tequila amin’izao, ampiarahina amin’ny sira sy silaka voasarimakirana. Ny margarita kosa no mahazatra kokoa ny vahiny. Tequila mifangaro ranom-boasarimakirana sy toaka mamy manitra voasary izy io. Asiana sira ny molotry ny vera avy eo ka atao ao ilay izy, ary androtsahana gilasy. * Amidin’i Meksika any amin’ny tany 90 eo ho eo ny tequila vokariny, ka mety tsara raha antsoina hoe ambasadaoron’i Meksika.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 4 Misy 136 ny karazana taretra any Meksika, ary hanamboarana pulque sy toaka hafa ny maro aminy. Karazany iray ihany anefa no ahazoana tequila.

^ feh. 5 Tsy raran’ny Baiboly ny misotro zava-pisotro misy alkaola, raha atao amin’ny antonony. (Salamo 104:15; 1 Timoty 5:23) Melohin’ny Baiboly anefa ny misotro tafahoatra sy ny mimamo.—1 Korintianina 6:9, 10; Titosy 2:3.