Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara ve ny Mitady Namana ao Amin’ny Internet?

Tsara ve ny Mitady Namana ao Amin’ny Internet?

Toko 11

Tsara ve ny Mitady Namana ao Amin’ny Internet?

Rehefa miresaka amin’ny olona ianao, inona no tianao?

□ Miresaka mivantana

□ Miresaka an-telefaonina

□ Mampiasa Internet

Ny miresaka amin’iza no mahavantana anao kokoa?

□ Mpiara-mianatra

□ Olona ao an-trano

□ Mpiara-manompo

Aiza ianao no tena tsy menamenatra, rehefa miresaka?

□ Any am-pianarana

□ Ao an-trano

□ Any am-pivoriana

JEREO ny valin-teninao tamin’ilay fanontaniana voalohany. Namaly ve ianao hoe aleo mampiasa Internet, toy izay hiresaka mivantana? Tsy ianao irery no mamaly toy izany. Maro ny tanora mampiasa Internet, hitadiavana namana sy hifandraisana aminy. Hoy i Cynthia: ‘Afaka miresaka amin’ny olona any amin’ny tany samihafa ianao. Mahafinaritra be ilay izy, satria tsy ho afaka nanao an’izany mihitsy ianao, raha tsy nisy ny Internet.’ Nilaza antony hafa itiavan’ny olona ny Internet i Anita, 19 taona. Hoy izy: “Azonao afenina izay tsy tianao ho fantatra momba anao. Raha tena mihaona amin’ilay olona mantsy ianao, dia tsy misy azonao atao, rehefa tsy tiany ianao.”

Jereo kosa izao ny valin-teninao tamin’ilay faharoa sy fahatelo. Ny miresaka amin’ny mpiara-mianatra ve no mahavantana anao kokoa, noho ny miresaka amin’ny mpiara-manompo? Tsy mahagaga izany. Hoy i Jasmine, 18 taona: “Any am-pianarana no tena be ankizy manana olana mitovy amin’ny anao. Tsy mahagaga raha mahavantana anao kokoa ry zareo.”

Rehefa jerena izany rehetra izany, dia toa aleon’ny ankizy mifampiresaka ao amin’ny Internet. Nilaza i Anita hoe efa nanao an’izany izy. Hoy izy: “Nifampiresaka tao amin’ny Internet daholo ny mpiara-mianatra tamiko, dia mba te hanao koa aho.” * Namorona pejy tao amin’ny Internet mihitsy aza i Niry, 20 taona, mba hiresahana amin’ny namany. Hoy izy: “Mandroso be ny teknolojia, ka misy fomba vaovao foana hahafahana mifampiresaka. Ny Internet no tena tiako amin’ireny.”

Mampidi-doza ny Internet

Marina fa mora kokoa amin’ny ankizy sasany ny mitady namana sy mifandray aminy, ao amin’ny Internet. Hoy ihany i Niry: “Tsy menamenatra hoatran’ny rehefa mifampiresaka mivantana ianao.” Mitovy hevitra aminy i Anita. Hoy izy: “Tsara ilay izy raha saro-kenatra ianao. Azonao amboamboarina tsara tsinona izay holazainao.”

Mampidi-doza anefa ny mifampiresaka ao amin’ny Internet, ary adala izay tsy miraharaha an’izany. Aoka hatao hoe efa fantatrao fa mampidi-doza ny toerana iray. Ho sahinao ve ny hanampina ny masonao, rehefa mandehandeha any? Mitovy amin’ny toerana toy izany ny Internet. Tokony ho fantatrao àry ny loza mety ho sendra anao ao.

Inona, ohatra, no mety hitranga raha mitady namana ao amin’ny Internet ianao? Tia niresadresaka tamin’ny olona tsy fantany tao, i Cynthia. Hoy izy: “Feno olona ratsy saina ao amin’ny Internet. Vetivety fotsiny ianao no miresaka aminy, dia efa anaovany resaka vetaveta, na anontaniany hoe: ‘Mbola virjiny ve indrỳ? Tia manao firaisana amin’ny vava ve indrỳ?’ Ny sasany aza miteny hoe: ‘Andao hanao cybersexe.’ ” Ny cybersexe dia resaka ao amin’ny Internet, natao hanairana ny filan’ny nofo.

Ahoana kosa raha namanao ilay iresahanao, ary tsy ratsy saina izy? Mbola mila mitandrina ihany ianao. Hoy i Joanna: “Mety ho lany fotoana be hiresahana amin’ny ankizilahy ianao, na dia heverinao hoe ‘namanao fotsiny’ aza izy. Lasa mpinamana be ianareo, arakaraka ny andefasanao hafatra aminy, ka mety hivadika ho zavatra hafa ny resakareo.”

“Ireo manafina ny tena maha izy azy”

Fantatr’i Davida Mpanjaka fa tena ilaina ny mitandrina mba tsy hiaraka amin’ny naman-dratsy. Hoy izy: “Tsy miara-mipetraka amin’ny olona tsy marina aho, ary tsy mifanerasera amin’ireo manafina ny tena maha izy azy.”—Salamo 26:4.

Efa sendra olona toy izany ve ianao, tao amin’ny Internet? Nahoana izy ireo no “manafina ny tena maha izy azy”, araka ny hevitrao? ․․․․․

Ary sao dia mba ianao kosa no manafina ny tena maha ianao anao? Izany no nataon’i Anja. Hoy izy: “Ampiresahiko aloha ilay olona. Tsy ny tena toetrako avy eo no lazaiko aminy, fa izay fantatro hoe mety hahafinaritra azy.”

Hafa mihitsy kosa ny tetika nampiasain’i Seheno. Misy ordinatera mantsy ao an-tranony. Hoy izy: “Nifanoratra tao amin’ny Internet foana izahay sy ny ankizilahy iray. Avy ao amin’ny fiangonana eo akaikinay izy. Tsy ela dia nifampitory ‘fitiavana’ izahay. Isaky ny nandalo dada sy mamanay, dia nataoko izay tsy hahitany izay nosoratako, ka tsy fantany mihitsy ilay izy. Tsy tonga tao an-tsainy mihitsy hoe ny zanany vavy 13 taona ange ka nanoratra tononkalom-pitiavana ho an’ny ankizilahy 14 taona.”

Mitandrema!

Tsy ratsy foana anefa ny mifampiresaka ao amin’ny Internet. Maro ny olona mampiasa azy io mba hifandraisana amin’ny namany. Na ny olon-dehibe koa aza manao an’izany. Inona àry no fepetra azonao raisina, mba hiarovanao ny tenanao? Ireto ny sasany:

Fero ny fotoana holaninao eo amin’ny Internet. Tandremo sao variana eo ianao, ka hadinonao ny zava-dehibe kokoa, toy ny torimaso. Hoy i Luc: “Misy mpiara-mianatra aminay miteny hoe hatramin’ny telo maraina, hono, ry zareo no mijery Internet.”—Efesianina 5:15, 16.

Aza miresaka afa-tsy amin’ny olona fantatrao tsara. Matetika no ratsy saina ny olona sasany mijery Internet, satria te hanararaotra an’izay tanora tsy manampo na inona na inona.—Romanina 16:18.

Mitandrema rehefa hividy na hivarotra zavatra ao amin’ny Internet. Mieritrereta tsara vao milaza ny mombamomba anao. Mety hisy olona hisoloky anao mantsy, na hanao zavatra ratsy noho izany aza.—Matio 10:16.

Rehefa mandefa sary ho an’ny namanao ianao, dia mieritrereta hoe: ‘Tena hita amin’ity sary ity ve fa mpanompon’Andriamanitra aho?’—Titosy 2:7, 8.

Toy ny amin’ny resaka mivantana ihany, dia farano avy hatrany ilay resaka raha lasa “tsy mety” na vetaveta.—Efesianina 5:3, 4.

Aza afenina amin’ny ray aman-dreninao mihitsy izay ataonao ao amin’ny Internet. Misy zava-dratsy ataonao mantsy, matoa ianao ‘manafina ny tena maha ianao anao.’ Hoy i Karine: “Tsy misy afeniko an’ny mamanay mihitsy izay ataoko ao amin’ny Internet.”—Hebreo 13:18.

‘Soa ihany aho fa nifidy tsara!’

Te hana-namana ve ianao? Voajanahary izany. Nataon’Andriamanitra ho tia miaraka amin’ny hafa mantsy isika. (Genesisy 2:18) Efa faniriana nataony tao anatinao àry ny hoe hana-namana! Mahaiza fotsiny mifidy.

Matokia fa hahita namana tena tsara ianao, raha manaraka ny fitsipika ao amin’ny Tenin’Andriamanitra, rehefa mifidy azy ireny. Hoy ny ankizivavy iray 15 taona: “Sarotra ny mahita namana tia an’i Jehovah sy tia anao. Rehefa mahita namana toy izany anefa ianao, dia hiteny hoe: ‘Soa ihany aho fa nifidy tsara!’ ”

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Tena mandratra toy ny sabatra ny tenin’olona indraindray, indrindra rehefa mifosa antsika izy ireo. Inona no azonao atao raha misy mifosa ianao?

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 17 Hiresaka bebe kokoa momba ny namana any am-pianarana ny Toko 17.

ANDININ-TENY

“Tsy miara-mipetraka amin’ny olona tsy marina aho, ary tsy mifanerasera amin’ireo manafina ny tena maha izy azy.”—Salamo 26:4.

SOSO-KEVITRA

Mandeha be ny fotoana, rehefa eo amin’ny Internet isika! Fero àry ny fotoana hijerena azy io, ary aza mihoatra an’izany. Raha ilaina dia asio fanairana, mba hahalalanao hoe tapitra ilay fotoana noferanao.

FANTATRAO VE... ?

Misy olona ratsy saina ao amin’ny Internet. Ho mora aminy ny hahita anao, raha vao mahalala zavatra kely fotsiny momba anao izy. Ohatra hoe ny anarana na ny sekoly na ny nomeraon-telefaoninao.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Adiny ․․․․․ isan-kerinandro ihany aho no hijery Internet. Izao no hataoko mba hahavitako izany: ․․․․․

Izao no hataoko, raha sendra tafaresaka amin’ny olona tsy fantatro aho, ao amin’ny Internet: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Inona no mahatsara sy maharatsy ny mifampiresaka ao amin’ny Internet, raha oharina amin’ny mifampiresaka mivantana?

● Nahoana no mora ny manafina ny tena toetranao, rehefa miresaka ao amin’ny Internet ianao?

● Inona no azonao atao, mba tsy ho be loatra ny fotoana laninao eo amin’ny Internet?

● Inona avy no zavatra tsara azo atao, rehefa mifampiresaka ao amin’ny Internet?

[Teny notsongaina, pejy 103]

Tsy miresaka amin’ny olona tsy fantatro, na tsy tiako hifaneraserana mihitsy aho, rehefa mijery Internet.’’—Joanna

[Sary, pejy 100, 101]

Mety hampidi-doza ny miresaka amin’ny olona ao amin’ny Internet, ka mila mailo ianao. Raha tsy izany, dia toy ny olona mandehandeha any amin’ny toerana mampidi-doza ianao, nefa manampina maso