Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?

Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?

Toko 19

Ahoana no Hahaizako Mitsitsy Vola?

Efa mba nahatsapa ve ianao hoe tsy manam-bola ampy hividianan-javatra?

□ Tsia

□ Indraindray

□ Matetika

Efa nividy zavatra lafo loatra aminao ve ianao?

□ Tsia

□ Indraindray

□ Matetika

Efa nividy zavatra tsy ilainao ve ianao, fa novidinao ihany ilay izy satria mora?

□ Tsia

□ Indraindray

□ Matetika

TOA tsy mety ampy mihitsy ve ny volanao? Angamba ianao efa niteny hoe: ‘Raha mba ampy izao ny volako, dia ho afaka nividy an’ilay telefaonina tiako iny aho.’ ‘Raha mba betsaka izao ny karamako, dia ho afaka nividy an’ilay kiraro iny aho, sady tena ilaiko ilay izy.’ Na koa mitovy amin’ity lazain’i Noro ity ny mahazo anao. Hoy izy: “Asain’ny namako hiaraka aminy aho indraindray. Te handeha aho, nefa mandany vola be ilay izy. Mahamenatra anefa ny hiteny hoe: ‘Izaho akia tsy afaka fa tsy manam-bola a!’ ”

Aza sosotra raha tsy ampy ny volanao. Mianara kosa mitsitsy an’izay anananao. Marina fa mbola ho afaka hanao izany ihany ianao, rehefa mitokan-trano. Eritrereto anefa izao: Hitsambikina avy ao anaty sambo mba hilomano ve ianao, nefa mbola tsy nianatra nilomano akory? Marina fa mety ho hitanao ihany izay hatao, rehefa tena ao anaty rano ianao. Tsy aleo lavitra ve anefa mianatra izay tena ilaina ho fantatra momba ny lomano, vao mitsambikina?

Izao àry no fotoana tsara indrindra hianaranao mitsitsy vola. Mbola tsy mitokan-trano mantsy ianao, ka mbola tsy miady irery amin’ny fiainana. Hoy i Solomona Mpanjaka: ‘Fiarovana ny vola.’ (Mpitoriteny 7:12) Tsy hiaro anao mihitsy anefa ny vola, raha tsy mianatra mitsitsy azy io ianao. Raha mahay mitsitsy kosa ianao, dia tsy hatahotra firy sao handanilany vola. Hanaja anao koa ny ray aman-dreninao.

Ianaro izay tena ilaina ho fantatra

Efa mba nanontany ny ray aman-dreninao ve ianao hoe ohatrinona ny vola ilaina ao an-tranonareo? Fantatrao ve, ohatra, hoe ohatrinona isam-bolana ny vidin-jiro sy rano, saran-dalana, sakafo, ary ny hofan-trano? Tadidio fa anisan’ny nahatonga an’ireo fandaniana ireo ianao. Ary tsy maintsy handoa an’ireo koa ianao, rehefa mitokan-trano. Tsara ho fantapantatrao dieny izao àry ny vola tsy maintsy hilainao amin’izany. Anontanio ny ray aman-dreninao hoe inona avy no tsy maintsy aloany, ary ohatrinona. Anontanio koa izy ireo hoe ahoana no itsinjarany ny volany, mba handoavana izany. Henoy tsara izy.

Hoy ny Baiboly: “Hihaino ny hendry ka hitombo ny zavatra fantany, ary ny mahira-tsaina no mahazo tari-dalana tsara.” (Ohabolana 1:5) Nangataka tari-dalana tsara tamin’ny ray aman-dreniny i Anna. Hoy izy: “Nampianarin’ny dadanay hitsinjara vola aho. Nohazavainy koa hoe tena ilaina ny mahay mitantam-bola ao an-tokantrano.”

Nampianatra an’i Anna zavatra hafa mahasoa koa ny reniny. Hoy izy: “Natoron’ny mamanay hoe tena ilaina ny mampitaha vidin-javatra vao mividy. Mahazo zavatra be dia be izy, nefa vola kely fotsiny no entiny miantsena.” Nahasoa an’i Anna ve izany? Hoy izy: “Mahay mitantana ny volako aho izao. Mitsitsy vola tsara koa aho, ka milamin-tsaina satria tsy midi-trosa tsy amin’antony.”

Fantaro hoe inona no olana

Marina fa sarotra amin’ny tanora ny mitsitsy, raha mahazo vola foana amin’ny ray aman-dreniny izy na efa mikarama, nefa mbola tsy mitokan-trano. Nahoana? Satria mety ho ny ray aman-dreniny no mandoa ny ankamaroan’ny zavatra ilaina ao an-trano. Azony ampiasaina amin’izay itiavany azy àry ny ankamaroan’ny volany. Mahafinaritra ny ankizy sasany ny manao an’izany.

Mety hampirisika anao handany vola be loatra anefa ny namanao. Hoy i Ellena, 21 taona: “Tena tia mividividy zavatra ny namako. Rehefa tafaraka izahay, dia hoatran’ny tsy mety mihitsy raha tsy mandany vola. Raha tsy izany tsy mahafinaritra ny miaraka.”

Samy te ho tian’ny namantsika daholo isika. Voajanahary izany. Mieritrereta anefa hoe: ‘Mandany vola miaraka amin’ny ankizy ve aho, satria manam-bola, sa satria tsy maintsy manao an’izany?’ Maro ny olona mandany vola, satria te ho tian’ny namany sy ny mpiara-miasa aminy. Ny zavatra ananany no tiany ho voamariky ny olona, fa tsy ny toetra tsarany. Mety ho lany vola be anefa ianao raha manao toa azy ireny, ary mety ho bokan-trosa mihitsy aza. Inona àry no azonao atao?

Mianara mitsitsy vola

Nahoana raha manaraka an’ity torohevitr’i Ellena ity, toy izay handany ny volanao rehetra indray mandeha, na ho bokan-trosa? Hoy izy: “Rehefa hiaraka amin’ny namako aho, dia eritreretiko mialoha ny vola holaniko ary ferako izany, ka izay ihany no alaiko any amin’ny banky. Tonga dia mivantana any tsinona ny karamako. Hitako koa hoe tsara ny miara-miantsena amin’ny ankizy mahay mitsitsy vola. Asainy mampitaha vidin-javatra aho aloha, fa tsy tonga dia mividy izay sendra ahy fotsiny.”

Ireto misy soso-kevitra vitsivitsy azonao arahina, raha tsy maintsy mindram-bola ianao:

● Hamarino foana ny vola indraminao. Jereo raha mitovy tsara amin’izay nosoratan’ilay mampindrana izany.

● Aloavy avy hatrany ny trosanao raha vao manam-bola ianao. Aloavy izy rehetra, raha mety.

● Mieritrereta tsara vao mindram-bola. Aza mindrana amin’izao olona rehetra izao.

● Aza mindram-bola misy zanany, fa mety hitaintaina foana ianao mandra-pandoanao an’ilay izy.

● Aza manaiky raha misy olona mitady hindram-bola amin’ny anaranao, na dia namanao aza.

Mety hisy hilaza anefa hoe: ‘Ary maninona moa raha mitady vola bebe kokoa fotsiny aho e? Tsy voatery hianatra hitsitsy aho amin’izay.’ Mety tsy hahomby izany vahaolana izany! Ity misy ohatra: Aoka hatao hoe mitondra fiara ianao nefa tsy mahay akory, na zatra mitampi-maso. Hilaza ve ianao hoe: ‘Hataoko be dia be fotsiny ny lasantsy, dia ho tonga soa aman-tsara any amin’izay halehako aho’? Ho tonga any tokoa ve ianao? Tsia! Mbola tsy ho ampy foana koa ny volanao, raha tsy mianatra mitsitsy ianao, na dia mahazo vola betsaka kokoa aza.

Mety hiteny koa anefa ianao hoe: ‘Izaho ange efa mahay mitsitsy vola e!’ Mieritrereta àry hoe: ‘Ohatrinona ny vola laniko tamin’ny volana lasa? Laniko tamin’ny inona ilay izy?’ Tsy tadidinao ve? Ireto àry misy torohevitra hanampy anao hahay hitsitsy vola kokoa.

1. Manaova lisitra. Soraty izay vola rehetra voarainao sy ny daty nandraisanao azy, fara faharatsiny, mandritra ny iray volana. Soraty daholo koa ny zavatra vidinao sy ny vidiny. Amin’ny faran’ny volana, dia atambaro daholo ny vola voarainao. Atambaro koa ny vola laninao.

2. Mianara mitsinjara vola. Jereo  ilay tabilao eo amin’ny pejy 163. Soraty eo amin’ny tsanganana voalohany, ny vola rehetra mety ho voarainao ao anatin’ny volana. Ataovy lisitra eo amin’ilay faharoa, izay eritreretinao handaniana ny volanao. Jereo ilay lisitra nataonao tetsy aloha raha tsy hitanao izay hosoratana. Soraty eo amin’ilay tsanganana fahatelo ny vola tena laninao tamin’ny zavatra tsirairay, mandritra ilay volana. Soraty koa izay zavatra nandanianao vola, nefa tsy noeritreretinao mialoha.

3. Ahenao ny vola holanina. Ahenao ny vola mivoaka, raha betsaka kokoa tsy araka ny nieritreretanao azy ny vola laninao, ka ananan’olona trosa ianao. Aloavy ny trosanao, ary miezaha foana mitsitsy.

Mahasoa ny vola, raha hainao ny mampiasa azy. Mila mitady vola sy mahay mitsitsy rahateo isika rehetra. Aza tia vola anefa. Hoy i Toky: “Ilaina ny vola, nefa tsy io no zava-dehibe indrindra. Tsy tokony hatakalontsika azy io mihitsy ny fianakaviantsika na i Jehovah.”

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Mahantra ve ianareo? Inona no azonao atao?

ANDININ-TENY

‘Fiarovana ny vola. Izao anefa ny tombony azo amin’ny fahalalana: Rehefa ampiarahina amin’ny fahendrena izy dia miaro ny ain’izay manana azy.’—Mpitoriteny 7:12.

SOSO-KEVITRA

Ataovy lisitra izay zavatra hovidinao, alohan’ny hiantsenana. Aza mitondra afa-tsy izay vola ilaina amin’izany, ary aza mividy zavatra hafa.

FANTATRAO VE... ?

Raha mitrosa any amin’ny banky ianao, nefa kely ny vola averinao any isam-bolana, dia vao mainka hitombo ny zana-bola halainy aminao. Mety ho ela be vao ho voaloanao ny trosanao!

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba hitsitsiana vola: ․․․․․

Izao no hataoko alohan’ny hanapahana hevitra fa hitrosa: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana ianao no tokony hianatra hitsitsy vola, dieny mbola miara-mipetraka amin’ny ray aman-dreny?

● Nahoana no sarotra aminao indraindray ny mitsitsy vola?

● Ahoana no azonao ampiasana ny volanao mba hanampiana olona?

[Teny notsongaina, pejy 162]

Mahay mitsitsy kokoa aho, rehefa tsinjaraiko mialoha ny volako. Tsy mividy zavatra tsy ilaiko koa aho.’’—Léa

[Efajoro, pejy 158]

Inona no tena andanianao vola?

Ahalalana ny toetranao ny zavatra tena andanianao vola. Ho hita fa tena be fitiavana ianao, raha zatra mampiasa vola hanampiana olona. Asehonao amin’ny ataonao ny fitiavanao, fa tsy amin’ny teninao fotsiny. (Jakoba 2:14-17) Raha zatra manome vola hanohanana ny fivavahana marina koa ianao, dia ‘manome voninahitra an’i Jehovah amin’ireo zava-tsarobidy anananao.’ (Ohabolana 3:9) Ahoana kosa raha izay zavatra ilainao sy tianao foana no andanianao vola? Inona no toetranao hiharihary amin’izany?

[Tabilao/Sary, pejy 163]

 Fanampiana Hisaintsaina

Vola Miditra sy Mivoaka Isam-bolana

Adikao ity!

Vola miditra

VOLA NOMENA AHY

ASA TAPA-POTOANA

ZAVATRA HAFA

Tontaliny

Ar․․․․․

Vola Holanina

SAKAFO

․․․․․

AKANJO

․․․․․

TELEFAONINA

․․․․․

FIALAM-BOLY

․․․․․

FANOMEZANA

․․․․․

TAHIRY

․․․․․

ZAVATRA HAFA

․․․․․

Tontaliny

Ar․․․․․

Vola Tena Lany

SAKAFO

․․․․․

AKANJO

․․․․․

TELEFAONINA

․․․․․

FIALAM-BOLY

․․․․․

FANOMEZANA

․․․․․

TAHIRY

․․․․․

ZAVATRA HAFA

․․․․․

Tontaliny

Ar․․․․․

[Sary, pejy 160]

Toy ny olona mitondra fiara nefa mitampi-maso ianao, raha tsy mahay mitsitsy vola