Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tsara sa Ratsy ny Lalao Video?

Tsara sa Ratsy ny Lalao Video?

Toko 30

Tsara sa Ratsy ny Lalao Video?

“TSARA be ny lalao video sady be mpanao”, hoy i Luc. “Afaka manao zavatra tsy ho sahinao hatao mihitsy anefa ianao, amin’ny lalao video sasany. Tsy maintsy hahita faisana tsinona ianao, raha tena manao an’ilay izy.” Nilaza koa i Domoina fa tia lalao video izy. Nampitandrina anefa izy hoe: “Mety handany fotoana be izy ireny, ary mety ho sarotra ialana mihitsy aza.”

Fialam-boly tena maoderina ny lalao video. Tsy izay ihany anefa, fa manampy anao hampiasa saina izy io, sady manala sorisory. Manampy anao hanao zavatra haingana koa izy io. Mety hanatsara ny vakiteninao sy ny fahaizanao matematika mihitsy aza ny sasany. Mba manan-kolazaina amin’ny namanao koa ianao, raha efa nanao ny lalao video nivoaka farany. Izany mantsy no resaky ny mpianatra matetika.

Raha mahay mifidy ianao, dia hahita lalao mahafinaritra, sady mety amin’ny Kristianina. Nahoana anefa ianao no mila mahay mifidy?

Ratsy ny sasany!

Mampalahelo fa tsy ny lalao video rehetra no tsara. Maro amin’izy ireny no mampirisika ny olona hanao ilay antsoin’ny Baiboly hoe “asan’ny nofo”, izany hoe ireo fanao halan’Andriamanitra.—Galatianina 5:19-21.

Hoy i Haja, 18 taona, momba ny lalao iray be mpitia: “Misy jiolahim-boto miady ao, misy olona mifoka rongony, manao firaisana, miteny ratsy. Misy herisetra sy ra mandriaka ary vonoan’olona mahatsiravina koa ao.” Aseho ho toy ny fanao tsara ny fifandraisana amin’ny Devoly, ao amin’ny lalao sasany. Toa tsy misy dikany anefa ny lalao teo aloha, raha oharina amin’izay mivoaka farany. Azo iaraha-milalao amin’olon-kafa amin’ny alalan’ny Internet mihitsy aza, ny maro amin’ireny lalao ireny. Vao mainka àry lasa tian’ny olona sy mampientanentana azy ny lalao video. Hoy i Njaka, 19 taona: “Ao an-trano fotsiny ianao, dia efa afaka mifaninana amin’ny olona any andafy.”

Misy karazana lalao lasa be mpitia koa ao amin’ny Internet. Toy ny hoe ao amin’ny tanàna iray ianao. Afaka mamorona mpilalao hapetraka ao ianao. Mety ho olona izany, na biby, na bibiolona, ka ireny no ampilalaovina. Misy mpilalao an’arivony noforonin’olon-kafa koa ao amin’ilay tanàna. Ahitana fivarotana, fiara, trano, ary toerana fandihizana sy fivarotan-tena ao. Hoatran’ireny tanàna tena izy ireny mihitsy ilay izy. Afaka mifampiresaka eo no ho eo ianao sy ny mpandray anjara hafa, sady afaka mampifanandrina ny mpilalao noforoninareo, na mampanao zavatra hafa azy.

Feno Mafia, mpanao an-keriny, mpanao hosoka, mpamono olona, ary mpivaro-tena sy mpanera ho an’ny mpivaro-tena ao amin’ireny tanàna ireny. Vitsivitsy monja amin’ireo olon-dratsy hita ao ireo. Ampanaovin’ny olona zavatra tsy ho sahiny hatao mihitsy, ny mpilalao noforoniny. Bokotra vitsivitsy monja no tsindriana, dia afaka mampanao firaisana ny mpilalao noforoniny izy ireo, sady mifampiresaka momba ny firaisana. Afaka manao firaisana amin’ny ankizy aza ny mpilalao, ao amin’ny lalao sasany. Matahotra ny olona sasany sao mety hisy hamorona lalao hahitana an’izany fanao mamoafady izany.

Nahoana ianao no mila mahay mifidy?

Mety hilaza ny olona tia lalao video misy herisetra na zavatra vetaveta hoe: “Tsy maninona ilay izy, satria tsy tena izy fa kilalao fotsiny.” Aza manaiky ho voafitaky ny hevi-diso toy izany!

Hoy ny Baiboly: “Na ny zaza aza dia mampiseho amin’ny ataony raha madio sy mahitsy ny fanaony.” (Ohabolana 20:11) Raha zatra manao lalao video misy herisetra na zavatra vetaveta ianao, moa ve ianao azo lazaina hoe manao zavatra madio sy mahitsy? Hita imbetsaka tamin’ny fanadihadiana, fa vao mainka mahery setra ny olona tia fialam-boly misy herisetra. Milaza mihitsy aza ny manam-pahaizana fa misy vokany kokoa noho ny mijery tele ny manao lalao video, satria tsy mijery fotsiny ilay olona, fa mandray anjara mihitsy.

Toy ny milalao fako mamoaka taratra radiôaktifa ianao, raha manao lalao video misy herisetra na zavatra vetaveta. Hisy vokany ratsy eo aminao io taratra io, na dia tsy eo no ho eo aza. Raha be loatra mantsy ny miantefa any aminao, dia mety ho simba ny vavoninao. Ho simba koa ny tsinainao, ka hiparitaka any amin’ny ranao ny bakteria avy ao. Harary ianao amin’ny farany. Raha zatra mijery herisetra mahatsiravina sy sarin’olona manao firaisana koa ianao, dia hanimba anao izany, ka ‘tsy hahalala menatra’ intsony ianao. Hibahana ao an-tsainao ny fanirian’ny nofo ka hotanterahinao.—Efesianina 4:19; Galatianina 6:7, 8.

Inona no lalao video tokony hofidiko?

Raha avelan’ny ray aman-dreninao hanao lalao video ianao, inona no hanampy anao hahay hifidy izany? Ahoana no hahalalanao ny fotoana tokony holaninao amin’izy io? Mieritrereta àry hoe:

Ho faly sa ho tezitra amiko i Jehovah, raha manao an’ity lalao ity aho? Hoy ny Salamo 11:5: “Samy dinihin’i Jehovah na ny olo-marina na ny ratsy fanahy, ary tena halany ny olona tia herisetra.” Hoy koa ny Tenin’Andriamanitra, momba ireo tia mifandray amin’ny Devoly: ‘Maharikoriko an’i Jehovah izay rehetra manao ireo zavatra ireo.’ (Deoteronomia 18:10-12) Tokony harahintsika ny torohevitra ao amin’ny Salamo 97:10, raha te ho naman’Andriamanitra isika. Izao no voalaza ao: “Ankahalao ny ratsy.”

Inona no ho vokatr’izy io eo amin’ny saiko? Mieritrereta hoe: ‘Ho mora sa vao mainka ho sarotra amiko ny “handositra ny fijangajangana”, raha manao io lalao io aho?’ (1 Korintianina 6:18) Tsy hifantoka amin-javatra mahitsy, madio, ary tsara intsony ny sainao, raha manao lalao video misy sary na resaka manaitaitra ny filan’ny nofo ianao.—Filipianina 4:8.

Adiny firy no holaniko amin’ilay izy? Mety handany fotoana na dia ny lalao video tsara aza. Raiso an-tsoratra foana àry ny fotoana laninao amin’ilay izy. Sao dia efa be loatra izany, ka mila tsy ho vitanao intsony ireo zavatra tsy maintsy ataonao? Raha soratanao ny fotoana laninao amin’ny lalao video, dia ho hainao hoe inona no tokony hatao voalohany.—Efesianina 5:16.

Tsy milaza ny Baiboly hoe tokony hianatra na hanao raharaha foana ianao. Voalaza ao kosa fa misy ‘fotoana ihomehezana, ary misy fotoana itsinjahana.’ (Mpitoriteny 3:4) Tsara homarihina fa tsy fialam-boly ihany ny ‘mitsinjaka’, fa fampiasam-batana koa. Nahoana àry raha mba manao lalao mampiasa vatana indraindray, toy izay hipetraka foana eo anoloan’ny ordinatera na tele?

Mahaiza mifidy

Mahafinaritra ny manao lalao video, indrindra raha hainao tsara ilay izy. Ary izany no tena antony tokony hahaizanao hifidy azy ireny. Mieritrereta hoe: ‘Inona avy no taranja tena haiko any am-pianarana?’ Matetika dia ny taranja tena hainao no tianao, sa tsy izany? Arakaraka ny itiavanao an’ilay izy anefa no vao mainka hiezahanao hianatra bebe kokoa azy io. Mieritrereta indray àry hoe: ‘Inona no lalao video tiako indrindra? Inona no ianarako avy amin’ilay izy? Fitondran-tena tsara sa ratsy?’

Aoka àry ianao ho sahy hifidy ny lalao video ataonao, fa aza manaraka fotsiny izay ataon’ny namanao. Ampiharo ity torohevitra ity: “Fantaro tsara foana izay ankasitrahan’ny Tompo.”—Efesianina 5:10.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Tia mozika ny tanora ary tsy mahagaga izany. Tsy azonao mihitsy ve anefa ny ainao raha tsy misy mozika?

ANDININ-TENY

“Ianareo izay tia an’i Jehovah, ankahalao ny ratsy.”—Salamo 97:10.

SOSO-KEVITRA

Soraty izay lalao video tianao hatao. Lazao ny tanjona amin’ilay izy sy ny tetika atao mba hahatratrarana izany. Ampitahao amin’ireo toro lalan’ny Baiboly voalaza ato amin’ity toko ity izany. Diniho avy eo, raha mety amin’ny Kristianina ilay lalao na tsia.

FANTATRAO VE... ?

Any Amsterdam, any Holandy, no misy ny hopitaly voalohany natao hitsaboana ny olona adalana lalao video ao amin’ny Internet. Nosokafana tamin’ny 2006 izy io.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hoteneniko raha asain’ny ankizy manao lalao video misy herisetra na zavatra vetaveta aho: ․․․․․

Adiny isan-kerinandro ihany aho no hanao lalao video. Ho vitako izany raha

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

Inona no mety ho vokatry ny lalao video eo amin’ny sainao sy ny fonao?

Nahoana no tena ilaina ny mieritreritra ny fitsipik’i Jehovah momba ny fitondran-tena, rehefa mifidy lalao video?

Inona no holazainao amin’ny zandrinao raha lasa tia lalao video ratsy izy?

[Teny notsongaina, pejy 249]

Be dia be ny lalao video mahatonga anao ho mafy fo, ka tsy mampaninona anao intsony ny herisetra sy ny teny ratsy ary ny fijangajangana. Lasa mora resin’ny fakam-panahy ianao. Tena mila fidinao tsara àry izay lalao video ataonao.’’—Ony

[Sary, pejy 250]

Toy ny milalao fako mamoaka taratra radiôaktifa ianao, raha manao lalao video misy herisetra na zavatra vetaveta. Hisy vokany ratsy eo aminao ilay izy, na dia tsy eo no ho eo aza