Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony Hatao Batisa ve Aho?

Tokony Hatao Batisa ve Aho?

Toko 37

Tokony Hatao Batisa ve Aho?

Marina sa diso izao:

Anisan’ny zavatra takina amin’ny Kristianina ny batisa.

□ Marina

□ Diso

Natao hiarovana anao tsy hanao ratsy ny batisa.

□ Marina

□ Diso

Mety ho voavonjy ianao raha vita batisa.

□ Marina

□ Diso

Raha tsy vita batisa ianao, dia tsy meloka eo anatrehan’Andriamanitra amin’izay ataonao.

□ Marina

□ Diso

Misy namanao hatao batisa, ka midika izany fa efa tokony hatao batisa koa ianao.

□ Marina

□ Diso

EFA mankatò ny fitsipik’Andriamanitra ve ianao, ary efa miezaka minamana aminy? Efa mitory momba ny zavatra inoanao ve ianao? Tsy mahagaga àry raha mieritreritra ny hatao batisa ianao. Ahoana anefa no hahalalanao raha efa vonona ho amin’izany ianao? Andeha hodinihintsika ireo fehezanteny natao sora-matevina erỳ ambony.

Anisan’ny zavatra takina amin’ny Kristianina ny batisa.

Marina. Nilaza i Jesosy fa tsy maintsy hatao batisa ny mpianany. (Matio 28:19, 20) Na izy aza nanaiky hatao batisa. Mila atao batisa koa ianao, raha te hanara-dia azy. Rahoviana anefa ianao no azo atao batisa? Rehefa tena tianao izany. Tokony ho efa mato-tsaina koa ianao, ka mahay manapa-kevitra hoe hatao batisa.

Natao hiarovana anao tsy hanao ratsy ny batisa.

Diso. Natao hampisehoanao amin’ny olona izy io, fa nanolo-tena ho an’i Jehovah ianao. Rehefa manolo-tena ho azy koa ianao, dia tsy hoe mifanaikinaiky aminy fotsiny, sitrany ahay tsy sahy manao ratsy, nefa te hanao izany ihany ao am-po. Manolo-tena ho azy kosa ianao, satria te hankatò azy.

Mety ho voavonjy ianao raha vita batisa.

Marina. Milaza ny Baiboly fa anisan’ny zavatra ilaina hatao ny batisa, raha te ho voavonjy. (1 Petera 3:21) Tsy midika anefa izany hoe tsy maintsy voavonjy izay vita batisa. Tsy tokony hieritreritra àry ianao hoe aleo hatao batisa sitrany ahay voavonjy. Atao batisa kosa ianao satria tia an’i Jehovah, ary te hanompo azy mandrakizay amin’ny fo manontolo.—Marka 12:29, 30.

● Raha tsy vita batisa ianao, dia tsy meloka eo anatrehan’Andriamanitra amin’izay ataonao.

Diso. Hoy ny Jakoba 4:17: “Raha misy mahafantatra izay tokony hataony, nefa tsy manao, dia manota izy.” Manota ilay olona na vita batisa na tsia. Efa mahafantatra ny tokony hataonao ve ianao, sady efa mato-tsaina ka afaka mandinika ny fiainanao? Sao dia efa mila miresaka amin’ny ray aman-dreninao na amin’ny Kristianina matotra àry ianao hoe maniry hatao batisa? Ho fantatrao amin’izay hoe inona no tokony hataonao.

Misy namanao hatao batisa, ka midika izany fa efa tokony hatao batisa koa ianao.

Diso. Atao an-tsitrapo ny batisa. (Salamo 110:3) Tsy tokony hatao batisa ianao, raha tsy efa azonao tsara hoe inona avy no takina amin’ny Vavolombelon’i Jehovah, ary efa vonona amin’izany ianao.—Mpitoriteny 5:4, 5.

Manova fiainana ny batisa

Manova ny fiainanao ny batisa. Mahazo fitahiana be dia be mantsy ianao aorian’izay. Misy andraikitra lehibe miandry anao koa anefa. Tsy maintsy miaina mifanaraka amin’ny fanoloran-tenanao ianao.

Efa vonona hanolo-tena ve ianao? Tokony ho faly àry ianao. Misy fitahiana faran’izay tsara mantsy ho azonao. Sady afaka manompo an’i Jehovah amin’ny fo manontolo ianao, no afaka manaporofo hoe tena nanolo-tena ho azy.—Matio 22:36, 37.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Inona no azonao atao mba hanananao tanjona tsara, ka tsy hanenina ianao any aoriana?

ANDININ-TENY

‘Atolory ny tenanareo ho sorona velona sy masina ary ankasitrahan’Andriamanitra. Izany dia fanompoana masina ampiasanareo ny sainareo.’—Romanina 12:1.

SOSO-KEVITRA

Anontanio ny ray aman-dreninao hoe iza no olona matotra afaka manampy anao ho vonona ho amin’ny batisa. Ataovy namana iny olona iny avy eo.—Asan’ny Apostoly 16:1-3.

FANTATRAO VE... ?

Tena ilaina ny batisa, satria anisan’ny “marika” mila anananao izy io, raha te ho voavonjy ianao.—Ezekiela 9:4-6.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Ireto no fampianarana ao amin’ny Baiboly mbola tiako hazava kokoa amiko, alohan’ny hanaovana batisa ahy: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no tena ilaina ny batisa? Nahoana anefa izy io no tsy tokony hatao kilalao?

● Nahoana no misy tanora maika loatra hatao batisa?

● Nahoana no misy tanora tsy sahy manolo-tena sy atao batisa?

[Teny notsongaina, pejy 306]

Nataoko tao an-tsaina foana hoe efa vita batisa aho. Nanampy ahy hahay hanapa-kevitra izany, ary hitandrina tsara mba tsy hanao zavatra mety hanenenako.’’—Holy

[Efajoro/Sary, pejy 307]

Fanontaniana Fametraky ny Olona Momba ny Batisa

Inona no dikan’ny batisa? Rehefa asitrika ao anaty rano ianao dia toy ny hoe maty, izany hoe tsy ny sitraponao intsony no ataonao voalohany. Rehefa avoaka avy ao kosa ianao, dia midika fa velona mba hanao ny sitrapon’i Jehovah.

Inona no dikan’ny hoe manolo-tena ho an’i Jehovah? Midika izany fa mandà ny tenanao ianao, izany hoe mivoady fa ny sitrapony no hataonao alohan’ny zava-drehetra. (Matio 16:24) Tokony holazainao amin’i Jehovah amin’ny vavaka fa manolo-tena ho azy ianao, ary tokony hataonao alohan’ny batisa izany.

Inona no tokony hataonao raha maniry hatao batisa ianao? Tokony ho efa mankatò ny Tenin’Andriamanitra ianao, ary miresaka ny zavatra inoanao amin’ny olona. Tokony ho efa mivavaka tsy tapaka sy mianatra Baiboly ianao, mba hifandraisana amin’Andriamanitra. Tsy tokony hisy hanery anao hanompo azy, fa tokony ho sitraponao izany.

Firy taona ianao no tokony hatao batisa? Tsy ny taona no tena zava-dehibe. Na izany aza, dia tokony ho efa mato-tsaina ianao, ka mahazo tsara ny dikan’ny hoe manolo-tena.

Ahoana raha efa maniry hatao batisa ianao, nefa mbola tsy avelan’ny ray aman-dreninao? Angamba mbola tiany hiezaka ho matotra ara-panahy kokoa ianao. Hihatsara mantsy amin’izay ny fifandraisanao amin’i Jehovah. Ekeo àry ny torohevitr’izy ireo.—1 Samoela 2:26.

[Efajoro, pejy 308, 309]

Fanampiana Hisaintsaina

Mieritreritra ny Hatao Batisa ve Ianao?

Valio àry ireto, mba hahalalanao raha efa vonona ho amin’izany ianao. Aza hadinoina ny mamaky ireo andinin-teny alohan’ny hanoratanao ny valin-teninao.

Inona no ataonao mba hampisehoana fa mino ianao hoe hanampy anao i Jehovah?Salamo 71:5. ․․․․․

Inona no ataonao mba hampisehoana fa efa zatra manavaka ny tsara sy ny ratsy ianao?Hebreo 5:14. ․․․․․

Impiry ianao no mivavaka? ․․․․․

Milaza zavatra mivantana ve ianao rehefa mivavaka? Hita amin’ny vavaka ataonao ve fa tena tianao i Jehovah?Salamo 17:6. ․․․․․

Inona no tanjonao momba ny vavaka? ․․․․․

Mianatra samirery tsy tapaka ve ianao?Josoa 1:8. ․․․․․

Inona avy no ianaranao amin’izany? ․․․․․

Inona no tanjonao eo amin’ny fianarana samirery? ․․․․․

Miezaka manao tsara ny fanompoanao ve ianao? (Ohatra: Mahay manazava ireo fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ve ianao? Miverina mitsidika ny olona liana ve ianao? Miezaka manomboka fampianarana Baiboly ve ianao?)

□ Eny □ Tsia

Mandeha manompo ve ianao, na tsy mandeha aza ny ray aman-dreninao?Asan’ny Apostoly 5:42.

□ Eny □ Tsia

Inona no tanjonao eo amin’ny fanompoana?2 Timoty 2:15. ․․․․․

Mivory tsy tapaka ve ianao, sa indraindray ihany?Hebreo 10:25. ․․․․․

Inona avy no ataonao, mba handraisana anjara amin’ny fivoriana? ․․․․․

Mandeha mivory ve ianao, na dia tsy afaka aza ny ray aman-dreninao (raha avelany ianao)?

□ Eny □ Tsia

Tena mahafinaritra anao ve ny manao ny sitrapon’Andriamanitra?Salamo 40:8.

□ Eny □ Tsia

Inona avy no ditra nasain’ny namanao nataonao, nefa tsy nanaiky ianao?Romanina 12:2. ․․․․․

Inona no eritreretinao hatao, mba ho tianao foana i Jehovah?Joda 20, 21. ․․․․․

Mbola hanompo an’i Jehovah foana ve ianao, na dia tsy manompo azy intsony aza ny ray aman-dreninao na ny namanao?Matio 10:36, 37.

□ Eny □ Tsia

[Sary, pejy 310]

Toy ny fanambadiana ny batisa. Manova ny fiainanao izy io. Tokony hieritreritra tsara àry ianao vao manapa-kevitra