Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mahasoa ve ny Mankatò ny Fitsipiky ny Baiboly?

Mahasoa ve ny Mankatò ny Fitsipiky ny Baiboly?

Toko 34

Mahasoa ve ny Mankatò ny Fitsipiky ny Baiboly?

Miara-misakafo amin’ny mpiara-mianatra aminao ianao. Iny fa miditra i Bary, ilay ankizilahy vaovao.

Hoy ilay ankizivavy iray: “Tia an-drỳ mihitsy akia i Bary a! Jereo fotsiny ny fijeriny an-drỳ. Atỳ amin-drỳ foana ny masony!”

Mibitsibitsika aminao avy eo ilay ankizivavy faharoa hoe: “Sady izao akia a! ... Mbola tsy manana sipa izy!”

Efa fantapantatrao izany, satria efa nanasa anao tamin’ny fety i Bary. Marina aloha fa tsy nety nankany ianao, nefa lasalasa ihany ny sainao hoe: ‘Mba nanao ahoana re raha tany aho e?’

Tapaka eo ny eritreritrao, satria hoy ilay ankizivavy voalohany: “Izaho aloha efa manana e! Fa raha tsy izany an... Tena tonga dia nidirako io!”

Jereny tsara ianao avy eo sady gaga izy. Efa hainao izay holazainy.

Hoy izy: “Fa maninona tokoa aloha indrỳ no tsy mba manao sipa e?”

Izay indray ilay fanontaniana tsy tianao maizina! Hoy ianao anakampo: ‘Raha mba fantany mantsy fa tena te hiaraka amin’ny ankizilahy aho. Saingy nilazana aho hoe aleo tsy manao an’izany, raha tsy efa vonona hanambady. Raha mba tsy...’

Tapaka eo indray ny eritreritrao, satria hoy ilay ankizivavy faharoa: “Tsy mahazo manao an’izany ry zareo ao amin’ny fivavahany e! Sa tsy izany indray?”

Miteny anakampo ianao hoe: ‘Ary toa fantany ny ato an-tsaiko?’

Hoy indray izy: “Ny anareo koa io Baiboly Baiboly io foana! Tsy mba mahazo mifalifaly mihitsy izany ianareo?”

EFA nisy naneso ve ianao, satria miezaka mankatò ny fitsipiky ny Baiboly? Mety hieritreritra àry ianao hoe: ‘Sao dia voa mafy tokoa aho?’ Hoy, ohatra, i Maholy: “Nihevitra aho hoe mafy loatra ny fitsipiky ny Baiboly. Nahazo nanao izay tiany tsinona ny namako. Tiako be ny fiainan-dry zareo.”

Mitandrema sao diso hevitra

Tsy tsara ny miandry ho voa, vao miezaka mankatò ny fitsipik’Andriamanitra. Aleo kosa maka lesona avy amin’ny fahadisoan’ny hafa. Nanao izany i Asafa mpanao salamo. Hendry isika raha manahaka azy. Izany koa no ampirisihan’ny Baiboly hataontsika. Nihevitra i Asafa tamin’ny voalohany fa mafy loatra ny fitsipik’Andriamanitra. Nandinika ny fiainan’ireo olona tsy niraharaha izany anefa izy, ka nahatsapa fa diso hevitra. Hitany mantsy fa teo amin’ny “toerana malama” no nisy azy ireny.—Salamo 73:18.

Miezaha àry tsy hamerina ny fahadisoan’ny hafa. Diniho, ohatra, ny nataon’ireto tanora ireto. Tsy nankatò ny fitsipiky ny Baiboly ry zareo, ka nanao firaisana alohan’ny fanambadiana.

Inona no zavatra nisy vokany teo amin’ny sainareo sy ny fitondran-tenanareo?

Maholy: “Nanao sipa daholo ny mpiara-mianatra tamiko na lahy na vavy. Toa sambatra erỳ ry zareo. Niaraka taminy aho indraindray, ka lasa nitsiriritra azy satria nahita azy nifanoroka sy nifamihina. Lasa nanirery koa aho. Tia ankizilahy iray izay aho. Lasa nieritreritra azy foana àry aho, ka vao mainka te hiaraka taminy.”

Michel: “Namaky boky sy nijery fandaharana tsy niresaka afa-tsy firaisana aho. Izany foana koa no resakay sy ny namako. Vao mainka àry aho te hahalala momba ny firaisana. Isaky ny tafaraka tamin’ny ankizivavy aho taorian’izay, dia nieritreritra hoe afaka mifanafosafo sy mifanoroka izahay, nefa tsy voatery hanao firaisana. Nihevitra aho fa hahavita hifehy tena.”

Adriano: “Zatra nijery sary vetaveta tao amin’ny Internet aho. Nisotro toaka be koa aho, ary niara-nanao fety tamin’ny ankizy tsy dia niraharaha ny fitsipiky ny Baiboly.”

Leslie: “Fantatro fa tsy mety ny manao firaisana alohan’ny fanambadiana, nefa tiako ilay izy. Tsy nieritreritra ny hanao an’izany aho, nefa jamban’ny fitiavana. Tsy nanenjika ahy ny eritreritro raha tsy elaela tatỳ aoriana.”

Tianareo ve ny fiainanareo tamin’izany?

Maholy: “Faly be aho tamin’ny voalohany, satria tsy voafehifehy intsony sady lasa tian’ny namako. Tsy naharitra anefa izany. Nahatsapa ho maloto sy meloka ary tsy misy ilana azy aho. Nanenina be aho satria tsy virjiny intsony.”

Adriano: “Lasa mora resin’ny fakam-panahy aho. Nanenina be koa aho, sady sosotra tamin’ny tenako.”

Leslie: “Simba ny fahatanorako. Nihevitra aho hoe hahafinaritra be ny fiarahanay sy ilay sipako. Tsy izany anefa no nitranga. Niafara tamin’ny alahelo sy ratram-po ilay izy. Nitomany be aho isan’alina, sady niteny hoe: ‘Tahaka izay aho nankatò an’i Jehovah!’ ”

Michel: “Hitako hoe tsy nisy dikany intsony ny fiainako. Nataoko izay hanadinoana ny vokatry ny ditrako teo amin’ny olon-kafa, nefa tsy vitako. Nalahelo be aho nieritreritra hoe nampijaly olona, noho ny fitiavan-tenako.”

Misy tanora mihevitra fa mafy loatra ny fitsipiky ny Baiboly. Inona no torohevitra omenareo azy?

Leslie: “Mankatoava an’i Jehovah, ary miaraha amin’ny olona mankatò azy, dia ho sambatra ianao.”

Maholy: “Aza ny tenanao sy izay tianao ihany no eritreretina, fa ny olon-kafa koa. Hisy vokany eo aminy ny ataonao. Ho simba koa ny fiainanao, raha tsy mankatò an’Andriamanitra ianao.”

Adriano: “Mbola tanora isika, ka mihevitra hoe mahafinaritra ny fiainan’ny namantsika. Hifindra amintsika anefa ny toe-tsainy. Fidio tsara àry ny namanao. Matokia an’i Jehovah, dia tsy hanenina ianao.”

Michel: “Misy zava-tsarobidy nomen’i Jehovah antsika. Nataony mendrika sy madio fitondran-tena isika. Manambany tena ianao raha manary an’ireo fanomezana ireo, satria fotsiny hoe tsy mahafehy tena. Resaho amin’ny ray aman-dreninao na ny olona matotra hafa izay manjo anao. Raha nanao fahadisoana ianao, dia tsory aminy avy hatrany izany, ary miezaha hiova. Tena hilamin-tsaina ianao, raha mankatò an’i Jehovah.”

Rojo vy sa fehikibo miaro amin’ny loza?

“Andriamanitra falifaly” i Jehovah, ka tiany ho falifaly koa ianao. (1 Timoty 1:11; Mpitoriteny 11:9) Natao hahasoa anao ny fitsipiny. Angamba ianao mihevitra azy ireny ho toy ny rojo vy maneritery ny fiainanao. Tsy toy izany anefa ny lalàn’i Jehovah, fa toy ireny fehikibo fahita ao anaty fiara ireny, izay miaro amin’ny loza.

Matokia fa tsara ny fitsipiky ny Baiboly. Raha mankatò izany ianao, dia ho faly i Jehovah, ary hahita soa ianao.—Isaia 48:17.

AO AMIN’NY TOKO MANARAKA

Afaka ny ho naman’Andriamanitra ianao. Inona àry no tokony hataonao?

ANDININ-TENY

“Izaho Jehovah no Andriamanitrao, Ilay mampianatra anao mba hahitanao soa.”—Isaia 48:17.

SOSO-KEVITRA

Mitadiava porofo hanampiana ny zandrinao hino fa mahasoa ny mankatò an’i Jehovah. Rehefa resahinao mantsy ny zavatra inoanao, dia vao mainka hiaiky ianao fa marina izy ireny.

FANTATRAO VE... ?

Hadalana vetivety fotsiny dia efa manimba ny fifandraisana amin’i Jehovah, nefa mety ho ela be ilay izy vao ho tafaverina amin’ny laoniny.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba hahatonga ahy hino fa mahasoa ny mankatò ny fitsipiky ny Baiboly: ․․․․․

Izao no hataoko raha mitady hitsiriritra ny fiainan’ny olona eto amin’ity tontolo ity aho: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany:

AHOANA NY HEVITRAO?

● Nahoana no tsy tsara ny miandry ho voa, vao hiezaka hankatò ny lalàn’Andriamanitra?

● Inona no ianaranao avy amin’ny tenin’i Maholy, Michel, Adriano ary Leslie?

● Nahoana ny olona sasany no mihevitra fa mafy loatra ny fitsipiky ny Baiboly? Nahoana anefa no azo lazaina hoe tsy mandinika tsara ny olona toy izany?

[Teny notsongaina, pejy 285]

Aleo voasazy, na mafy aza izany, toy izay manafina ny ditra nataonao. Hijaly kokoa mantsy ianao raha manafina.’’—Dina

[Sary, pejy 288]

Tsy maneritery ny fiainanao ny fitsipiky ny Baiboly, fa miaro anao