Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Aho no Tsy Tokony Hijery Sary Vetaveta?

Nahoana Aho no Tsy Tokony Hijery Sary Vetaveta?

Toko 33

Nahoana Aho no Tsy Tokony Hijery Sary Vetaveta?

Isaky ny inona ianao no sendra mahita sary vetaveta?

□ Tsy mahita mihitsy

□ Tsindraindray

□ Mahita foana

Aiza no tena ahitanao an’ilay izy?

□ Ao amin’ny Internet

□ Any am-pianarana

□ Ao amin’ny tele

□ Any an-toeran-kafa

Inona no ataonao amin’izay?

□ Tonga dia tsy jereko ilay izy.

□ Jereko vetivety ilay izy, satria te hahafanta-javatra aho.

□ Jereko ela be ilay izy, ary mitady hafa mihitsy aza aho.

TAMIN’NY ray aman-dreninao nitovy taona taminao, dia tsy maintsy nikaroka ny olona vao nahita sary vetaveta. Tsy mila mikaroka anefa ianao ankehitriny, satria hita hatraiza hatraiza izy ireny. Hoy ny ankizivavy iray 19 taona: “Indraindray aho variana manao fikarohana na mividy zavatra ao amin’ny Internet, na manamarina ny kaontiko any amin’ny banky fotsiny, dia iny fa misy sary vetaveta miseho tampoka!” Mateti-pitranga izany. Nilaza ny 90 isan-jaton’ny ankizy 8 ka hatramin’ny 16 taona nadinadinina, fa efa sendra nahita sary vetaveta tao amin’ny Internet izy ireo. Teo am-panaovana devoara izy matetika no nahita izany!

Maro be ny toerana ahitana sary vetaveta, ka mety hanontany ianao hoe: ‘Tena ratsy tokoa ve izy ireny?’ Eny no valiny! Nahoana? Lasa tsy manana ny hajany intsony izay manao an’ilay izy sy izay mijery azy. Lasa manao firaisana mamoafady na mijangajanga koa matetika ny olona mijery sary vetaveta. Tsy izay ihany anefa.

Mety ho lasa zatra mijery sary vetaveta ny olona iray, ary hisy vokany ratsy be izany, na dia taona maro atỳ aoriana aza. Jereo, ohatra, ny nanjo an’i Jery. Efa 14 taona izao no tsy nijereny sary vetaveta intsony. Hoy anefa izy: “Mbola mila miady mafy aho isan’andro. Marina fa efa tsy mafy be intsony ny faniriako, nefa mbola ao anatiko ao ihany ilay izy. Mbola tsy afaka ato an-tsaiko ny sary hitako. Tahaka izay aho tsy nanandranandrana nijery zavatra maharikoriko hoatr’ireny. Toa tsy ratsy ilay izy amin’ny voalohany, nefa fantatro izao fa tsy marina izany. Misy vokany ratsy be ny sary vetaveta, sady maharikoriko. Lasa tsy misy hajany koa ny olona manao an’ireny sy izay mijery azy. Tsy misy mahatsara azy mihitsy ny sary vetaveta, na inona na inona lazain’ny mpankafy azy ireny.”

Aoka ianao handini-tena

Inona no azonao atao, mba tsy hahitanao sary vetaveta, na dia tsy fanahy inianao aza? Misy zavatra mila dinihinao. Isaky ny inona ianao no mahita an’ilay izy? Jereo ireto:

Efa mpandefa sary vetaveta amin’ny e-mail na telefaonina ve ny mpiara-mianatra aminao sasany? Aza sokafana àry izay hafatra alefany, fa vonoy avy hatrany.

Rehefa manao fikarohana ao amin’ny Internet ianao, ka mampiditra teny eo amin’ilay faritra natao hanoratana, misy soratra na sary mipoitra tampoka ve avy eo, ary manasa anao hanokatra pejy misy sary vetaveta? Raha efa nitranga taminao izany, dia mila mitandrina kokoa ianao, ka mila fidinao tsara ny teny soratanao.

Soraty eto izay nahatonga anao hahita sary vetaveta.

․․․․․

Inona no azonao atao mba tsy hahitanao sary vetaveta, na mba tsy ho matetika loatra no ahitanao an’izany? Soraty eto izay hevitra hitanao.

․․․․․

Ahoana raha efa zatra mijery sary vetaveta ianao?

Araka ny hitantsika teo, dia misy olona sendra mahita sary vetaveta. Misy kosa manao fanahy iniana mijery azy ireny. Lasa zatra mihitsy aza ny sasany! Tadidio anefa fa sarotra ny miala amin’ny mahazatra. Ity misy ohatra: Aoka hatao hoe voafatotry ny kofehy ny tananao, ary indray mihodina fotsiny ilay izy. Mora aminao ny manala azy. Ahoana anefa raha mifatopatotra be ilay izy? Ho sarotra kokoa aminao ny hanala azy. Toy izany koa no manjo ny olona zatra mijery sary vetaveta. Vao mainka sarotra aminy ny mifehy tena, arakaraka ny ijereny azy ireny. Izany ve no manjo anao? Inona no azonao atao, mba tsy hijerenao an’ireny intsony?

Tadidio fa tena ratsy ny sary vetaveta. Fomba ampiasain’i Satana hanambaniana ny zavatra tena tsara noforonin’i Jehovah izy ireny. Raha mitadidy izany ianao, dia ‘hankahala’ ireny zava-dratsy ireny.—Salamo 97:10.

Eritrereto ny ho vokany. Mampisaraka ny mpivady ny fijerena sary vetaveta. Lasa tsy manana ny hajany intsony koa ilay olona hita ao amin’ilay sary sy izay mijery azy. Tsy mahagaga raha milaza ny Baiboly hoe: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” (Ohabolana 22:3) Soraty eto ny olana na loza mety hanjo anao, raha zatra mijery sary vetaveta ianao.

․․․․․

Manaova voady. Hoy i Joba, mpanompon’Andriamanitra: “Efa nanao fifanekena tamin’ny masoko aho, koa hataoko ahoana indray no hijerijery virjiny?” (Joba 31:1) Ireto misy “fifanekena” na voady azonao atao:

Tsy hijery Internet aho raha vao irery ao an-trano.

Hakatoko avy hatrany izay sary na pejy ao amin’ny Internet misy zavatra vetaveta.

Hiresaka amin’ny Kristianina matotra aho, raha lasa nijery sary vetaveta indray.

Misy voady hafa azonao atao ve, mba tsy hijerenao sary vetaveta intsony? Soraty eto ny iray na roa amin’izany.

․․․․․

Mivavaha. Nitalaho tamin’i Jehovah ny mpanao salamo hoe: “Aza avela hifantoka amin-javatra tsy misy ilana azy ny masoko.” (Salamo 119:37) Tena tian’i Jehovah Andriamanitra hanao ny tsara ianao, ka afaka manome anao hery hahavitana izany izy!—Filipianina 4:13.

Mitadiava olona azonao iresahana. Maro no nahavita tsy nijery sary vetaveta intsony, satria nangataka torohevitra tamin’ny olona atokisany. (Ohabolana 17:17) Iza no olona matotra tsy mahamenamenatra anao, ka azonao iresahana? Soraty eto ny anarany.

․․․․․

Miady mafy ve ianao mba tsy hijery sary vetaveta intsony? Matokia fa afaka ny handresy ianao. Isaky ny mahavita tsy mijery an’ireny ianao, dia fandresena lehibe ho anao izany. Lazao amin’i Jehovah ilay izy, ary isaory izy nanampy anao. Tena ratsy ny sary vetaveta. Tadidio foana àry fa mampifaly ny fon’i Jehovah ianao, rehefa tsy mijery an’ireny!—Ohabolana 27:11.

ANDININ-TENY

“Koa vonoy ireo fironan-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo, dia fijangajangana, fahalotoana, filan’ny nofo, fanirian-dratsy, ary ny fitsiriritana izay fanompoan-tsampy.”—Kolosianina 3:5.

SOSO-KEVITRA

Fidio ilay programa manakana ny sary vetaveta tsy hiseho eo amin’ny ordinateranao. Aza sokafana izay hafatra avy amin’olon-tsy fantatra, ka manasa anao ho any amin’ny pejy hafa ao amin’ny Internet.

FANTATRAO VE... ?

Adalana firaisana toy ireo anjely ratsy fanahy tamin’ny andron’i Noa, ny olona tia mijery sary vetaveta.—Genesisy 6:2.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba tsy hahitako tampoka sary vetaveta: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny ray aman-dreniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

Nahoana no manambany ny zavatra tena tsara noforonin’i Jehovah ny sary vetaveta?

Inona no hoteneninao amin’ny mpiray tam-po aminao, raha zatra mijery sary vetaveta izy?

[Teny notsongaina, pejy 278]

Saika efa nandramako daholo ny rongony rehetra, tamin’izaho mbola tsy nianatra Baiboly. Sarotra ny niala tamin’izy ireny, fa mbola nisy zavatra sarotra noho izany. Tena mafy tamiko ny tsy nijery sary vetaveta intsony. Tsy afaka mihitsy aho, raha tsy nampian’i Jehovah.’’—Jery

[Sary, pejy 276]

Sarotra ny manala kofehy efa mifatopatotra be amin’ny tanana. Ho sarotra aminao koa ny hifehy tena tsy hijery sary vetaveta, raha mijery azy ireny foana ianao