Ho An’ny Kolosianina 3:1-25

  • Ny toetra taloha sy ny toetra vaovao (1-17)

    • Vonoy ny fanirian-dratsy (5)

    • Toy ny tady tonga lafatra mampifamatotra antsika ny fitiavana (14)

  • Torohevitra ho an’ny fianakaviana (18-25)

3  Raha niara-natsangana tamin’i Kristy anefa ianareo,+ dia katsaho foana ny zavatra any ambony, any amin’izay ipetrahan’i Kristy eo ankavanan’Andriamanitra.+  Afantohy amin’ny zavatra any ambony foana ny sainareo,+ fa tsy amin’ny zavatra etỳ an-tany.+  Efa maty mantsy ianareo, ary ny fiainanareo koa efa nankinina tamin’i Kristy, ilay tafaray amin’Andriamanitra.  Ary rehefa aseho i Kristy, ilay fiainantsika,+ dia haseho koa ianareo ka hahazo voninahitra miaraka aminy.+  Vonoy àry ny fanirian-dratsy ao amin’ny rantsambatanareo,*+ izany hoe ny fijangajangana,* fahalotoana, filan’ny nofo tsy voafehy,+ faniriana hanao ratsy, ary faniriana tsy mety afa-po, izay fanompoan-tsampy.  Fa ho tezitra amin’ny olona manao an’ireo zavatra ireo Andriamanitra.  Efa mpanao an’izany koa ianareo taloha, ary efa niaina tao anatin’izany.*+  Fa amin’izao anefa, esory hiala aminareo daholo ireto: Fisafoahana, fahatezerana, faharatsiana,+ fanevatevana,+ ary izay resaka vetaveta+ lazain’ny vavanareo.  Aza mifandainga ianareo.+ Esory ny toetranareo* taloha+ ary ialao koa izay fanaonareo tamin’izany. 10  Tafio kosa ny toetra vaovao,+ izay havaozina tsikelikely hifanaraka amin’ny toetran’Ilay* namorona azy,+ arakaraka ny ahalalanareo tsara ny fahamarinana. 11  Amin’izany dia tsy misy intsony ny hoe Grika na Jiosy, na voafora na tsy voafora, na hafa firenena, na Skytianina,* na andevo, na olona afaka. Fa i Kristy no zava-drehetra sady ao amin’ny olona rehetra.+ 12  Nofidin’Andriamanitra ianareo,+ ary masina sady tena tiana. Mitafia àry fitiavana lalina sy fangorahana,+ hatsaram-panahy, fanetren-tena,+ fahalemem-panahy,+ ary faharetana.+ 13  Mahaiza foana mifandefitra* sy mifamela heloka tanteraka,+ na dia misy manana antony itarainana momba ny sasany aza.+ Namela tanteraka ny helokareo i Jehovah,* ka mba manaova hoatr’izany koa ianareo.+ 14  Ambonin’izany rehetra izany, dia mitafia fitiavana,+ fa toy ny tady tonga lafatra mampifamatotra+ antsika izy io. 15  Avelao hanjaka ao am-ponareo* ny fiadanan’i Kristy,+ satria nantsoin’Andriamanitra ianareo mba hahazo an’izany fiadanana izany ka ho lasa vatana iray. Asehoy koa fa mahay mankasitraka ianareo. 16  Enga anie hameno tanteraka ny fonareo ny tenin’i Kristy, ka tena ho hendry ianareo! Miezaha foana hifampianatra sy hifampahery,* ka manaova salamo+ sy fiderana an’Andriamanitra ary hira masina ho fisaorana azy.* Dia mihirà amin’ny fo* ho an’i Jehovah.*+ 17  Na inona na inona teneninareo na ataonareo, dia ataovy amin’ny anaran’i Jesosy Tompo daholo izany, ka misaora an’Andriamanitra Ray amin’ny alalany.+ 18  Ianareo vehivavy, maneke ny vadinareo+ fa izany no mety eo imason’ny Tompo. 19  Ianareo lehilahy, tiavo foana ny vadinareo+ ary aza tezitra be* aminy.+ 20  Ianareo zanaka, ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny ray aman-dreninareo,+ fa izany no mampifaly ny Tompo. 21  Ianareo ray, aza mampahatezitra* ny zanakareo,+ mba tsy ho kivy* izy. 22  Ianareo mpanompo, ankatoavy amin’ny zava-drehetra ny tomponareo.*+ Tsy hoe rehefa manara-maso anareo ihany izy ireo vao mankatò ianareo, hoatran’ny hoe te hampifaly olona fotsiny,* fa mankatoava kosa amin’ny fo satria matahotra an’i Jehovah* ianareo. 23  Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fo manontolo toy ny hoe ho an’i Jehovah,*+ fa tsy ho an’olona. 24  Fantatrareo mantsy fa avy amin’i Jehovah* no hahazoanareo an’ilay lova mba ho valisoanareo.+ Ary manompoa an’ilay Tomponareo, dia i Kristy. 25  Izay manao ratsy dia azo antoka hoe hahazo ny valin’ny ratsy nataony,+ satria tsy mijery tavan’olona* Andriamanitra.+

Fanamarihana

Abt: “ny rantsambatanareo eto an-tany.”
Grika: pôrneia. Jereo F.T.
Na: “Efa hoatr’izany no nandehananareo, tamin’ianareo nanana fomba fiaina hoatr’izany.”
Abt: “ilay olona.”
Abt: “endrik’IIay.”
Ilazana olona ratsy toetra sy tsy mahalala fomba.
Jereo F.F. A5.
Na: “mifampizaka.”
Na: “hibaiko ny fonareo.”
Na: “hifananatra.”
Na: “hira mahafinaritra momba azy.”
Na: “ao am-po.”
Jereo F.F. A5.
Na: “masiaka.”
Na: “manao izay mahasosotra.”
Na: “tsy hamoy fo.”
Na: “olona tomponareo.” Abt: “tomponareo ara-nofo.”
Abt: “Tsy hoe manompo eo imaso toy ny mpila sitraka amin’olona.”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Na: “tsy manavakavaka.”