Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ho Sambatra ve Aho na i Neny Irery aza no Mitaiza Anay?

Ho Sambatra ve Aho na i Neny Irery aza no Mitaiza Anay?

Toko 25

Ho Sambatra ve Aho na i Neny Irery aza no Mitaiza Anay?

“Samy manana ny efitranony ny ankizy manana dada sy neny, sady mahazo akanjo vaovao foana. Izaho kosa tsy maintsy mitambatra efitra amin’ny mpiray tam-po amiko, sady indraindray ihany vao mahazo ny akanjo tiako. Tsy manam-bola, hono, tsinona i neninay. Hoatran’ny mpiasa kely aho ao an-trano, satria matin-draharaha rehefa mandeha miasa izy. Tsy mba hoatran’ny ankizy rehetra aho.”—Sitraka, 13 taona.

MARINA aloha fa tsy misy tsara noho ny hoe sady misy ray no misy reny be fitiavana ao an-trano. Mahazo torohevitra sy fampaherezana bebe kokoa mantsy ianao, sady voaro kokoa. Hoy ny Baiboly: “Tsara ny roa noho ny iray, satria ahazoan’izy ireo valisoa lehibe ny asa mafy ataony.”—Mpitoriteny 4:9.

Lasa vitsy kely anefa tato ho ato ny tokantrano misy ray sy reny, ka atahorana tsy hisy intsony ao aoriana kely ao. Ny antsasany mahery amin’ny ankizy latsaka ny 18 taona, any Etazonia, ohatra, no tsy miara-mipetraka afa-tsy amin’ny rainy na amin’ny reniny.

Maro àry ny tokantrano tsy misy afa-tsy ray na reny. Mbola menatra ihany anefa ny ankizy sasany ao amin’ireny tokantrano ireny. Misy koa kivy, satria be loatra ny olana mahazo azy. Ahoana ny aminao? Ny dada na mamanao irery ve no miara-mipetraka aminao? Inona no olana mahazo anao? Iza amin’ireny no tena tsy zakanao? Soraty eto izany.

․․․․․

Marina aloha fa tsy tena ampy fitiavana sy fikarakarana ianao, satria tsy eo ny iray amin’izy mivady. Midika ve anefa izany fa tsy maintsy hijaly ianao? Tsia! Miankina amin’ny toe-tsainao izany. Hoy ny Ohabolana 15:15: “Manjombona foana ny andron’ny ory, fa ny olona manana fo falifaly kosa toa manao fety foana.” Hita avy amin’izany fa ho sambatra ny olona iray, raha miezaka hanana fo falifaly, na mafy aza ny manjo azy. Inona àry no hanampy anao hanana “fo falifaly”, na mafy aza ny mahazo anao?

Aza manaiky ho kivy

Aza manaiky ho kivy na dia milaza zavatra mahasosotra momba anao aza ny olona. Misy mpampianatra sahy miteny zavatra mahasosotra, momba ny mpianany tsy manana afa-tsy dada na mama ao an-trano. Rehefa maditra aza ny sasany amin’ireny ankizy ireny, dia lazainy fa noho ilay ankizy tsy manan-dray na tsy manan-dreny no mahatonga an’izany. Mieritrereta anefa hoe: ‘Tena mahafantatra ahy sy ny fianakaviako ve ny olona milaza an’izany? Sa mamerina fotsiny ny tenin’olon-kafa izy ireo?’

Tsara homarihina fa misy andinin-teny maro ahitana ny hoe “kamboty ray”, ao amin’ny Soratra Masina. Tsy natao hanambaniana an’ireny ankizy ireny mihitsy anefa ny niantsoana azy hoe “kamboty ray.” Asehon’i Jehovah ao amin’ireny andininy ireny kosa, fa tena tiany ny kamboty. *

Mety hitandrina be koa anefa ny olona sasany rehefa miresaka aminao, satria matahotra sao hahatezitra na hahamenatra anao ny zavatra lazainy. Misy, ohatra, tsy sahy mampiasa ny hoe “dada”, “mpivady”, “fisaraham-panambadiana”, na “fahafatesana.” Tsy tianao ve ny olona manao toy izany? Asehoy azy fa tsy voatery hitandrina be izy. Mbola tsy nahita ny dadany mihitsy, ohatra, i Nary, 14 taona. Misy teny tsy sahin’ny olona sasany ampiasaina àry, rehefa miresaka aminy. Ahoana no ataon’i Nary? Manao fanahy iniana mampiasa an’ilay teny izy. Nahoana? Hoy izy: “Tiako ho fantany fa tsy menatra aho na dia tsy manana dada aza.”

Aza manantena zavatra tsy hisy mihitsy

Marina fa tsy maintsy malahelo ianao, raha nisaraka ny ray aman-dreninao, na koa maty ny iray aminy. Mahatsapa ianao hoe misy banga ny fiainanao. Miezaha anefa hahazaka ny alahelonao. Hoy ny Baiboly: “Aza manao hoe: ‘Fa nahoana re no tsara noho ny ankehitriny ny taloha e?’ ” (Mpitoriteny 7:10) Nisaraka ny ray aman-drenin’i Sarah, tamin’izy 10 taona. Efa 13 taona izy izao, ary hoy izy: “Aza mieritreritra be momba ny fijalianao, na manantena zavatra tsy hisy mihitsy. Aza mieritreritra koa hoe noho ianao tsy manana dada na mama intsony no mahatonga anao hijaly. Ary aza miteny hoe sambatra ny ankizy mbola miara-mipetraka amin’ny dada sy mamany.” Tsara izany torohevitra izany. Tadidio fa manana olana koa na dia ny tokantrano misy ray sy reny aza.

Ataovy toy ny hoe olona maromaro miara-mivoy lakana ianareo mianakavy kely. Marina fa tena tsara raha ampy ny isan’ny mpivoy. Tsy ampy iray anefa ny mpivoy ao amin’ilay lakanareo. Tsy maintsy mivoy mafimafy kokoa àry ianareo. Midika ve izany hoe tsy ho tody eny amoron-drano ianareo? Tsia! Ho tody soa aman-tsara eny ianareo, raha miara-mivoy foana. Toy izany koa fa handeha tsara ny fiainanareo, raha mifanampy daholo ianareo, na dia mafimafy aza izany.

Manampy ny ao an-trano ve ianao?

Inona no azonao atao mba hampisehoana izany? Ireto misy soso-kevitra telo:

Mianara mihafy sy mitsitsy. Tsy manam-bola firy ny ankamaroan’ny tokantrano tsy misy afa-tsy ray na reny. Inona àry no azonao atao? Hoy ihany i Nary: “Tsy mety handeha hianatra ny mpiara-mianatra amiko, raha tsy hividianan’ny dada sy mamany akanjo sy kiraro lafo be. Tsy mba manana an’izany aho, nefa madio sy milamina ny akanjoko. Tandremako tsara koa ilay izy mba tsy ho simba. Efa manao izay vitany tsinona mamanay, dia tsy te hanahirana azy intsony aho.” Miezaha koa hanao toy izany. Manahaka ny apostoly Paoly ianao amin’izay. Hoy izy: ‘Efa nianatra ny hianina aho tamin’ny zava-drehetra sy tao anatin’ny toe-javatra rehetra.’—Filipianina 4:11, 12.

Mahay mitsitsy koa ianao, raha tsy manarinary na manimba zavatra. (Jaona 6:12) Hoy i Rado: “Mitandrina tsara aho ao an-trano mba tsy hanimba na hanary zavatra. Mandany vola tsinona ny manamboatra azy ireny, na ny mividy vaovao. Vonoiko foana ny jiro sy ny fitaovana elektrika, rehefa tsy ampiasaina. Mba mihena amin’izay ny vidin-jiro.”

Manaova raharaha na dia tsy irahina aza. Tsy te hifehifehy ny zanany, na hampanao raharaha azy ny ray na reny sasany. Nahoana? Mieritreritra ry zareo hoe efa tsy eo intsony ny ray na renin’ilay ankizy, ka aleo izy mba hiadana. Misy milaza hoe: ‘Tsy tiako hijaly ny zanako.’

Zaran’ny ankizy sasany aza malahelo azy ilay rainy na reniny, sitrany ahay izy afaka manao izay tiany. Vao mainka anefa ho sahirana ny rainao na ny reninao, raha mitady hanararaotra toy izany ianao. Manaova raharaha àry, na dia tsy irahina aza ianao. Jereo ange ny nataon’i Nary e! Hoy izy: ‘Miasa any amin’ny hopitaly mamanay, dia mila pasohina ny tablieny. Tonga dia pasohiko ilay izy. Misy mieritreritra hoe ny vehivavy no tokony hipasoka. Ataoko anefa ilay izy, satria te hanampy azy aho.’

Asehoy fa mankasitraka azy ianao. Efa faly izy, raha manao raharaha ianao. Asehoy koa anefa fa ankasitrahanao ny zavatra ataony. Na izay fotsiny aza dia efa hampahery azy. Hoy ny renim-pianakaviana iray: “Mafy be ny asako indraindray, ka tena kivy aho na sorena rehefa mody. Vao tonga ao an-trano anefa aho matetika, dia mahita ny zanako vavy mametraka ny vilia eo ambony latabatra, sady mahandro ny sakafo hariva. Mankeo amiko koa ny zanako lahy, ary mamihina ahy.” Inona no vokatr’izany fitiavan’izy mianadahy izany? Hoy ihany ilay reny: “Vetivety eo dia falifaly indray aho.”

Iza amin’ireo soso-kevitra ireo no tena sarotra aminao ny mampihatra azy? ․․․․․

Inona no tombony ananan’ny ankizy tsy manana afa-tsy ray na reny? Mety hahay hangoraka sy tsy ho tia tena ary ho azo atokisana izy. Hoy koa i Jesosy: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Tena ho sambatra àry ianao raha tia manome, ka manampy ny dadanao na mamanao.

Marina fa tsy maintsy hieritreritra ihany ianao indraindray hoe tsara kokoa raha mba sady misy dada no misy mama ao an-trano. Nahoana anefa raha miezaka manao izay azonao atao, mba hahazakana ny zavatra mahazo anao? Izany no nataon’i Princia. Hoy izy: “Tamin’ny dadanay maty, dia nisy olona niteny tamiko hoe: ‘Misy zavatra azonao atao foana mba hahasambatra anao, na mafy aza ny mahazo anao.’ Tsy hadinoko mihitsy ireo teny ireo. Ataoko ao an-tsaina foana hoe tsy tokony havelako hahakivy ahy ny zavatra manjo ahy.” Nahoana raha manao toy izany koa? Tadidio fa afaka ny ho sambatra foana ianao, na inona na inona mahazo anao. Miankina amin’ny toe-tsainao sy izay ataonao izany.

JEREO ILAY BOKY TEO ALOHA, TOKO 4, RAHA MILA FANAZAVANA FANAMPINY

[Fanamarihana ambany pejy]

ANDININ-TENY

“Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:4.

SOSO-KEVITRA

Iangavio hanao an’ireto ny rainao na reninao, raha hitanao hoe be raharaha loatra ianao:

Atao lisitra ny raharaha tokony hataon’ny tsirairay ao an-trano.

Asaina manampy anao ny ankizy efa mahay manao raharaha, rehefa ilaina izany.

FANTATRAO VE... ?

Raha manao raharaha ianao ao an-trano, dia hahay handray andraikitra haingana kokoa noho ny ankizy miara-mipetraka amin’ny rainy sy reniny. Tsy manao raharaha firy mantsy ny sasany amin’izy ireny.

ZAVATRA ERITRERETIKO HATAO!

Izao no hataoko mba tsy ho kivy aho: ․․․․․

Izao no holazaiko, raha mitandrintandrina be ny olona rehefa miresaka amiko: ․․․․․

Izao no hanontaniako ny raiko na ny reniko momba izany: ․․․․․

AHOANA NY HEVITRAO?

Nahoana ny olona sasany no manambany ny ankizy tezain’ny rainy na ny reniny irery?

Nahoana ny rainao na ny reninao no mety tsy ho sahy hampanao raharaha anao?

Inona no azonao atao, mba hampisehoanao fa mankasitraka ny zavatra ataony ianao?

[Teny notsongaina, pejy 211]

Lasa nifampiresaka tsara izahay sy mamanay, taorian’ny nisarahan’izy sy dadanay. Lasa mpinamana be izao izahay.’’—Mélanie

[Sary, pejy 210, 211]

Toy ny lakana tsy ampy mpivoy iray, ny tokantrano tsy misy afa-tsy ray na reny. Tsy maintsy mivoy mafimafy kokoa izay eo, nefa ho tody eny amoron-drano izy ireo, raha miara-mivoy