Nosoratan’i Marka 12:1-44

  • Fanoharana momba ny mpamboly namono olona (1-12)

  • Andriamanitra sy Kaisara (13-17)

  • Fanontaniana momba ny fitsanganana amin’ny maty (18-27)

  • Ny didy roa lehibe indrindra (28-34)

  • Zanak’i Davida ve i Kristy? (35-37a)

  • Mitandrema amin’ny mpanora-dalàna (37b-40)

  • Vola madinika roa nomen’ilay vehivavy mpitondratena (41-44)

12  Nanomboka nanao fanoharana tamin’ireo izy avy eo hoe: “Nanao tanimboaloboka+ ny lehilahy iray, ary nofefeny ny manodidina. Dia nihady lavaka famiazam-boaloboka izy ary nanangana tilikambo.+ Nampanofainy tamin’ny mpamboly ilay izy avy eo, dia lasa nankany an-tany hafa izy.+  Rehefa tonga ny fotoam-piotazana, dia naniraka mpanompo ho any amin’ny mpamboly izy mba hanangona ny ampahany amin’ny vokatry ny tanimboaloboka avy tamin’izy ireo.  Nalain’izy ireo anefa ilay mpanompo dia nokapohiny, ka nalefany nody maina.  Naniraka mpanompo hafa ho any amin’ireo mpamboly indray ilay lehilahy, nefa nokapohin’ireo teo amin’ny lohany ilay mpanompo sady nalany baraka.+  Ary naniraka mpanompo hafa indray izy, saingy novonoin’ireo ho faty ilay mpanompo. Mbola naniraka olon-kafa be dia be koa izy, nefa ny sasany nokapohin’ireo, ary ny sasany novonoiny ho faty.  Iray sisa no teo aminy, dia ny zanany tena tiany,+ ka io no nirahiny farany tany amin’ireo. Fa hoy izy: ‘Mba hohajain’ireny kosa ny zanako e!’  Nifampiresaka anefa ireo mpamboly ireo hoe: ‘Iny ny mpandova!+ Andao izy hovonointsika, dia amin’izay ho lasantsika ny lova!’  Koa nosamborin’ireo izy dia novonoiny ho faty, ka notaritaritiny tany ivelan’ny tanimboaloboka.+  Inona àry no hataon’ilay tompon’ny tanimboaloboka? Ho avy izy dia hovonoiny ho faty ireo mpamboly ireo, ary homeny olon-kafa ny tanimboaloboka.+ 10  Angaha mbola tsy novakinareo tao amin’ny Soratra Masina mihitsy ilay hoe: ‘Ny vato tsy tian’ny* mpanao trano no lasa vato fehizoro lehibe indrindra.*+ 11  Avy amin’i Jehovah* izany sady mahavariana antsika’?”+ 12  Ary te hisambotra an’i Jesosy ny fahavalony, satria takany hoe izy ireo no tao an-tsain’i Jesosy tamin’ilay fanoharana. Natahotra ny vahoaka anefa izy ireo, ka lasa nandeha.+ 13  Ary nirahin’ireo hankany amin’i Jesosy ny sasany tamin’ny Fariseo sy ny mpanohana an’i Heroda mba hamandrika azy amin’ny teniny.+ 14  Rehefa tonga ireo dia niteny taminy hoe: “Mpampianatra ô, fantatray fa milaza ny marina foana ianao. Tsy mba mila sitraka amin’ny olona koa ianao satria tsy mijery tavan’olona,* ary marina ny fampianaranao momba an’Andriamanitra. Azo atao* ve sa tsia ny mandoa hetra* amin’i Kaisara? 15  Tokony handoa ve izahay sa tsia?” Fantatr’i Jesosy anefa hoe nihatsaravelatsihy izy ireo, ka hoy izy taminy: “Maninona ianareo no mitsapa ahy? Itondray denaria* iray aho hojereko.” 16  Dia nitondran’ireo izy. Ary hoy izy tamin’ireo: “Sarin’iza io, dia anaran’iza io?” Hoy ireo taminy: “An’i Kaisara.” 17  Hoy àry i Jesosy: “Aloavy amin’i Kaisara izay an’i Kaisara,+ fa amin’Andriamanitra kosa izay an’Andriamanitra.”+ Dia talanjona tamin’ny teniny ireo. 18  Ary nanatona azy ny Sadoseo, izay milaza fa tsy misy fitsanganan’ny maty.+ Nanontanian’ireo izy hoe:+ 19  “Mpampianatra ô, nanoratra ho antsika i Mosesy hoe raha maty ny lehilahy anankiray ka namela vady nefa tsy niteraka, dia tokony hampakatra an’ilay vady navelany ny rahalahiny, ka hanome taranaka ho an’ilay rahalahiny efa maty.+ 20  Nisy fito mirahalahy àry. Nanambady ilay voalohany, nefa maty tsy niteraka. 21  Dia nampakatra an’ilay vehivavy ny faharoa, nefa maty tsy niteraka ihany koa, ary hoatr’izany koa ny fahatelo. 22  Samy tsy niteraka izy fito mirahalahy. Maty koa ilay vehivavy tamin’ny farany. 23  Rehefa atsangana ny maty, ho vadin’iza ilay vehivavy? Efa samy nanambady azy daholo mantsy izy fito mirahalahy.” 24  Hoy i Jesosy tamin’ireo: “Samy tsy hainareo na ny Soratra Masina na ny herin’Andriamanitra. Tsy izany ve no mahadiso hevitra anareo?+ 25  Fa rehefa atsangana ny maty, dia tsy hampaka-bady na havoaka hampakarina, fa hitovy amin’ny anjely any an-danitra.+ 26  Raha ny amin’ny maty izay atsangana, angaha mbola tsy novakinareo ilay ao amin’ny bokin’i Mosesy, ao amin’ny fitantarana momba an’ilay voarointsilo, fa nilaza taminy Andriamanitra hoe: ‘Izaho no Andriamanitr’i Abrahama sy Andriamanitr’i Isaka ary Andriamanitr’i Jakoba’?+ 27  Tsy mba Andriamanitry ny maty izy, fa an’ny velona. Diso hevitra tanteraka ianareo.”+ 28  Nisy mpanora-dalàna iray nanatona ka naheno azy ireo niady hevitra. Fantany fa nahavaly tsara azy ireo i Jesosy, ka nanontaniany hoe: “Inona no voalohany* amin’ny didy rehetra?”+ 29  Dia namaly i Jesosy hoe: “Ny voalohany dia izao: ‘Henoy izao, ry Israely ô: I Jehovah* Andriamanitsika dia Jehovah* iray ihany. 30  Ary tiavo i Jehovah* Andriamanitrao amin’ny fonao manontolo sy ny tenanao manontolo sy ny sainao manontolo ary ny herinao manontolo.’+ 31  Ny faharoa dia izao: ‘Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.’+ Tsy misy didy lehibe noho ireo.” 32  Hoy ilay mpanora-dalàna taminy: “Izay mihitsy, ry Mpampianatra ô! Marina ilay teninao hoe: ‘Iray ihany Izy, ary tsy misy ankoatra azy.’+ 33  Ary sarobidy lavitra noho ny fanatitra dorana sy ny sorona rehetra ny fitiavana azy amin’ny fo manontolo sy ny saina* manontolo ary ny hery manontolo, sy ny fitiavana ny namana tahaka ny tena.”+ 34  Hitan’i Jesosy fa nahay namaly ilay lehilahy, ka hoy izy taminy: “Tsy lavitra ny Fanjakan’Andriamanitra ianao.” Tsy nisy sahy nanontany azy intsony taorian’izay.+ 35  Raha mbola nampianatra tao amin’ny tempoly anefa i Jesosy, dia niteny hoe: “Maninona no lazain’ny mpanora-dalàna fa zanak’i Davida i Kristy?+ 36  I Davida aza nasain’ny fanahy masina+ niteny hoe: ‘Hoy i Jehovah* tamin’ny Tompoko: “Mipetraha eto ankavanako mandra-panaoko ny fahavalonao ho eo ambany tongotrao.”’+ 37  Koa i Davida aza niantso azy hoe Tompo, dia ahoana no maha zanany azy?”+ Ary nahafaly ny vahoaka ny nihaino azy. 38  Hoy koa izy tamin’izy mbola nampianatra iny: “Mitandrema amin’ny mpanora-dalàna, izay tia mandehandeha manao akanjo lava. Tiany koa ny hoarahabaina eny an-tsena+ 39  sy ny hahazo toerana eny aloha* ao amin’ny synagoga ary ny toerana mihaja indrindra any amin’ny sakafo hariva.+ 40  Taperin’izy ireny ny fananan’ny* mpitondratena, ary manao vavaka lava be izy ireny mba hisehosehoana fotsiny. Hahazo fanamelohana henjana* kokoa izy ireny.” 41  Ary nipetraka tandrifin’ny vata fandrotsaham-bola+ izy, ka nodinihiny ny vahoaka nandrotsaka vola tao amin’ireo vata ireo. Ary betsaka ny mpanankarena nandrotsaka vola madinika be dia be.+ 42  Tonga kosa ny vehivavy mpitondratena mahantra iray, nandrotsaka vola madinika kely anankiroa zara raha nisy vidiny.*+ 43  Koa niantso ny mpianany hankeo aminy i Jesosy, dia hoy izy: “Lazaiko marina aminareo fa io mpitondratena mahantra io no nandrotsaka betsaka noho ny hafa rehetra nandrotsaka vola tao amin’ny vata fandrotsaham-bola.+ 44  Izy rehetra mantsy nandrotsaka avy tamin’izay sisa tsy laniny, fa io vehivavy io kosa na mahantra aza, dia nandrotsaka an’izay rehetra nananany, dia ny fivelomany rehetra.”+

Fanamarihana

Na: “vato nolavin’ny.”
Abt: “lasa lohan’ny zoro.”
Jereo F.F. A5.
Na: “tsy manavakavaka.”
Na: “hetra isan-dahy.”
Na: “Mety.”
Na: “lehibe indrindra.”
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Jereo F.F. A5.
Na: “fahaizana mahatakatra hevitra.”
Jereo F.F. A5.
Na: “ny hahazo ny toerana tsara indrindra.”
Abt: “Arapak’izy ireny ny tranon’ny.”
Na: “mavesatra.”
Abt: “leptona roa, izany hoe iray kadràna.” Jereo F.F. B14.