Genesisy 2:1-25

  • Andro 7: Nitsahatra Andriamanitra (1-3)

  • Jehovah Andriamanitra, Mpanao ny lanitra sy ny tany (4)

  • Lehilahy sy vehivavy tao amin’ny zaridainan’i Edena (5-25)

    • Noforonina avy tamin’ny vovoka ny olona (7)

    • Voarara ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy (15-17)

    • Noforonina ny vehivavy (18-25)

2  Dia vita ny lanitra sy ny tany ary ny zava-drehetra eo aminy.*+  Ary tamin’ny andro fahafito, dia efa vitan’Andriamanitra ny asa nataony. Dia nitsahatra tamin’ny asa rehetra nataony izy tamin’ny andro fahafito.+  Ary notahin’Andriamanitra ny andro fahafito ka nolazainy hoe masina. Tamin’io andro io mantsy izy no nitsahatra tamin’ny asa famoronana rehetra nataony, dia izay rehetra nokasainy hatao.  Izao* no tantaran’ny lanitra sy ny tany tamin’ny fotoana namoronana azy, tamin’ny andro nanaovan’i Jehovah* Andriamanitra ny tany sy ny lanitra.+  Mbola tsy nisy kirihitra* teto an-tany, ary mbola tsy nisy nitsiry ny zavamaniry eny an-tsaha, satria mbola tsy nampilatsaka orana tamin’ny tany i Jehovah Andriamanitra. Tsy nisy olona hiasa tany koa tamin’izay.  Nisy zavona anefa niakatra avy tamin’ny tany, ka nandena ny tany rehetra.  Ary namorona olona* avy tamin’ny vovoky+ ny tany i Jehovah Andriamanitra, dia nitsoka fofonaina+ nankao amin’ny vavorony, ka lasa zavamananaina*+ ilay olona.  Nanamboatra zaridaina tao Edena,+ tany atsinanana, koa i Jehovah Andriamanitra, ka napetrany tao ilay olona noforoniny.+  Dia nataon’i Jehovah Andriamanitra naniry tamin’ny tany ny hazo rehetra mahafinaritra ny maso sady misy voany mampite hihinana. Nataony naniry teo afovoan’ilay zaridaina koa ny hazon’aina+ sy ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy.+ 10  Nisy renirano nikoriana koa avy tao Edena tamin’izany, mba hanondraka an’ilay zaridaina. Dia avy teo indray ilay renirano no nisampana efatra.* 11  Pisona no anaran’ilay renirano voalohany. Izy io no manodidina ny faritr’i Havila manontolo, izay misy volamena. 12  Tsara ny volamena ao amin’izany tany izany. Misy ditin-kazo manitra* koa ao, sady misy vato oniksa. 13  Gihona no anaran’ilay renirano faharoa. Izy io no manodidina ny tanin’i Kosy manontolo. 14  Hidekela*+ no anaran’ilay renirano fahatelo. Izy io no mankany atsinanan’i Asyria.+ Ary i Eofrata+ ilay renirano fahefatra. 15  Dia nalain’i Jehovah Andriamanitra ilay lehilahy, ka napetrany tao amin’ny zaridainan’i Edena mba hiasa sy hikarakara an’ilay zaridaina.+ 16  Nandidy an’ilay lehilahy koa i Jehovah Andriamanitra hoe: “Afaka mihinana izay laninao amin’ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina ianao.+ 17  Aza mihinana amin’ny voan’ny hazo fahalalana ny tsara sy ny ratsy anefa, fa amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty+ tokoa ianao.” 18  Hoy i Jehovah Andriamanitra avy eo: “Tsy tsara raha irery foana ralehilahy. Andeha hanaovako mpanampy mety tsara aminy* izy.”+ 19  Ary noforonin’i Jehovah Andriamanitra avy tamin’ny tany ny bibidia rehetra sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra. Dia nentiny tany amin’ilay lehilahy ireny, mba hahitana an’izay anarana hiantsoany azy tsirairay. Koa izay anarana niantsoany ny zavamananaina tsirairay, dia izany no lasa anarany.+ 20  Dia nomen’ilay lehilahy anarana daholo ny biby fiompy rehetra sy ny biby manidina rehetra eny amin’ny lanitra ary ny bibidia rehetra. Tsy mba nisy mpanampy nety tsara taminy* anefa. 21  Nataon’i Jehovah Andriamanitra renoky ny torimaso àry ilay lehilahy. Tamin’izy ilay mbola natory iny, dia nalain’Andriamanitra ny taolan-tehezany iray, dia avy eo nakatony ny nofo teo amin’ilay nakany azy. 22  Ary nanao vehivavy tamin’ilay taolan-tehezana nalainy tamin’ilay lehilahy i Jehovah Andriamanitra. Dia avy eo nentiny nankany amin’ilay lehilahy ilay vehivavy.+ 23  Ary hoy ilay lehilahy: “Ela ny ela ka ity eto ny taolana avy amin’ny taolako,Sy ny nofo avy amin’ny nofoko! Hantsoina hoe Vehivavy izy,Satria avy tamin’ny lehilahy no nakana azy.”+ 24  Noho izany, dia handao ny rainy sy ny reniny ny lehilahy ka hikambana* amin’ny vadiny, ary ho nofo iray ihany izy roa.+ 25  Samy mbola niboridana+ ilay lehilahy sy ny vadiny, kanefa tsy menatra.

Fanamarihana

Abt: “ary ny tafik’izy ireo manontolo.”
Na: “Izany.” Mety hanondro an’izay voalaza eo amin’ny andininy 1-3 koa mantsy izy io.
Eto no voalohany ahitana an’ilay anarana mampiavaka an’Andriamanitra hoe יהוה (YHWH). Jereo F.F. A4.
Izany hoe hazo madinika.
Na: “lehilahy.”
Hebreo: nefesh, midika ara-bakiteny hoe “zavaboary miaina.”
Abt: “lasa loha efatra.”
Dity avy amin’ny hazo atao hoe deliôma.
Na: “Tigra.”
Na: “mpanampy ho famenony.”
Na: “mpanampy ho famenony.”
Na: “ka tsy hiala.”