Genesisy 5:1-32

  • Ny tantaran’i Adama ka hatramin’i Noa (1-32)

    • Niteraka zazalahy sy zazavavy i Adama (4)

    • Niara-nandeha tamin’Andriamanitra i Enoka (21-24)

5  Izao no tantaran’i Adama: Rehefa namorona an’i Adama Andriamanitra,* dia nataony nisy itovizana taminy+ izy.  Lahy sy vavy no namoronany azy ireo.+ Nitso-drano azy ireo izy, ary nataony hoe Olombelona* ny anaran’izy ireo, tamin’ny andro namoronana azy.+  Rehefa 130 taona i Adama, dia niteraka zazalahy nisy itovizana taminy, nitovy endrika taminy. Dia nataony hoe Seta ny anarany.+  Mbola velona 800 taona i Adama, taorian’ny niterahany an’i Seta. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.  Ary nahatratra 930 taona ny andro rehetra niainan’i Adama, dia maty izy.+  Rehefa 105 taona i Seta, dia niteraka an’i Enosa.+  Mbola velona 807 taona i Seta, taorian’ny niterahany an’i Enosa. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy.  Ary nahatratra 912 taona ny andro rehetra niainan’i Seta, dia maty izy.  Rehefa 90 taona i Enosa, dia niteraka an’i Kenana. 10  Mbola velona 815 taona i Enosa, taorian’ny niterahany an’i Kenana. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 11  Ary nahatratra 905 taona ny andro rehetra niainan’i Enosa, dia maty izy. 12  Rehefa 70 taona i Kenana, dia niteraka an’i Mahalalila.+ 13  Mbola velona 840 taona i Kenana, taorian’ny niterahany an’i Mahalalila. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 14  Ary nahatratra 910 taona ny andro rehetra niainan’i Kenana, dia maty izy. 15  Rehefa 65 taona i Mahalalila, dia niteraka an’i Jareda.+ 16  Mbola velona 830 taona i Mahalalila, taorian’ny niterahany an’i Jareda. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 17  Ary nahatratra 895 taona ny andro rehetra niainan’i Mahalalila, dia maty izy. 18  Rehefa 162 taona i Jareda, dia niteraka an’i Enoka.+ 19  Mbola velona 800 taona i Jareda, taorian’ny niterahany an’i Enoka. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 20  Ary nahatratra 962 taona ny andro rehetra niainan’i Jareda, dia maty izy. 21  Rehefa 65 taona i Enoka, dia niteraka an’i Metosela.+ 22  Rehefa avy niteraka an’i Metosela i Enoka, dia mbola niara-nandeha tamin’ilay tena Andriamanitra* foana, nandritra ny 300 taona. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 23  Ary nahatratra 365 taona ny andro rehetra niainan’i Enoka. 24  Niara-nandeha tamin’ilay tena Andriamanitra foana i Enoka.+ Tsy hita intsony izy tatỳ aoriana, satria nalain’Andriamanitra.+ 25  Rehefa 187 taona i Metosela, dia niteraka an’i Lameka.+ 26  Mbola velona 782 taona i Metosela, taorian’ny niterahany an’i Lameka. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 27  Ary nahatratra 969 taona ny andro rehetra niainan’i Metosela, dia maty izy. 28  Rehefa 182 taona i Lameka, dia niteraka zazalahy. 29  Dia nataony hoe Noa*+ ny anarany, satria hoy izy: “Izy no hanamaivana* antsika. Miasa mafy mantsy isika ka reraka be ny tanantsika satria nozonin’i Jehovah ny tany.”+ 30  Mbola velona 595 taona i Lameka, taorian’ny niterahany an’i Noa. Niteraka zazalahy sy zazavavy hafa koa izy. 31  Ary nahatratra 777 taona ny andro rehetra niainan’i Lameka, dia maty izy. 32  Ary feno 500 taona i Noa. Dia niteraka an’i Sema+ sy Hama+ ary Jafeta+ izy taorian’izay.

Fanamarihana

Na: “Tamin’ny andro namoronan’Andriamanitra an’i Adama.”
Na: “Adama; Olona.”
Abt: “tamin’ilay Andriamanitra.” Jereo F.T.
Azo inoana fa midika hoe “Fitsaharana; Fampiononana.”
Na: “hampionona.”