Hijery ny anatiny

Nahoana no Tsy Avelan’i Dada sy Neny Hifalifaly Aho?

Nahoana no Tsy Avelan’i Dada sy Neny Hifalifaly Aho?

Alao sary an-tsaina izao:

Te handeha amin’ny fety iray ianao, nefa tsy azonao antoka hoe havelan’ny ray aman-dreninao. Inona no hataonao?

  1.  TSY MIERA FA TONGA DIA MANDEHA

  2.  TSY MIERA ARY TSY MANDEHA

  3.  MIERA DIA HO HITA EO

 1. TSY MIERA FA TONGA DIA MANDEHA

 Antony mety hanaovanao an’izany: Te hiseho amin’ny namanao ianao hoe mahaleo tena. Mieritreritra ianao hoe mahay kokoa noho ny ray aman-dreninao, na tsy raharahainao ny heviny.—Ohabolana 14:18.

 Vokany: Mety hiaiky anao ny namanao nefa ho hitany koa fa mpamitaka ianao. Ho sahy hamitaka azy ireo koa ianao, raha sahy mamitaka ny ray aman-dreninao. Halahelo sy ho diso fanantenana koa ny ray aman-dreninao raha tratrany ianao, ary vao mainka ianao ho voafehifehy.—Ohabolana 12:15.

 2. TSY MIERA ARY TSY MANDEHA

 Antony mety hanaovanao an’izany: Mieritreritra an’ilay fanasana ianao ary mahita fa tsy mifanaraka amin’ny fitsipika arahinao ilay izy, na tsy namana tsara ny olona sasany ho any. (1 Korintianina 15:33; Filipianina 4:8) Mety ho te handeha koa ianao fa tsy sahy miera.

 Ny vokany: Raha tsy mandeha ianao satria fantatrao hoe ratsy ilay izy, dia ho hainao kokoa ny hilaza ny hevitrao amin’ny namanao. Raha tsy mandeha kosa ianao satria tsy sahy miera amin’ny ray aman-dreninao, dia hanjonitra fotsiny ao an-trano ary hihevitra fa ianao irery no tsy mba mifalifaly.

 3. MIERA DIA HO HITA EO

 Antony mety hanaovanao an’izany: Ekenao ny fahefan’ny ray aman-dreninao ary hajainao ny heviny. (Kolosianina 3:20) Tianao izy ireo ary tsy te hampalahelo azy ianao ka hoe handeha nefa tsy miera. (Ohabolana 10:1) Ho afaka hanazava ny hevitrao koa ianao.

 Ny vokany: Ho tsapan’ny ray aman-dreninao fa tianao sy hajainao izy ireo. Mety havelany handeha ianao raha azony ekena izany.

Nahoana izy ireo no mety handa?

Toy ny mpanara-maso eny amin’ny ranomasina ny ray aman-dreninao, ka mora mahatsinjo loza

 Misy ohatra ity mba hanazavana ny antony voalohany: Aleonao angamba milomano eny amin’ny ranomasina misy mpanara-maso, raha afaka mifidy ianao. Nahoana? Tsy hitanao daholo ny loza mety hitranga rehefa falifaly eo am-pilomanosana ianao. Tsara toerana kokoa mba hahita an’ireo loza anefa ireo mpanara-maso. Mety hahafantatra ny loza mety hanjo anao koa ny ray aman-dreninao, satria mahafanta-javatra sy ela niainana kokoa. Toy ny mpanara-maso eny amin’ny ranomasina ihany izy ireo. Tsy ny hanakana anao tsy hifalifaly amin’ny fiainana no tanjony fa ny hanampy anao tsy ho tratry ny loza.

 Misy antony hafa koa ity: Tena te hiaro anao ny ray aman-dreninao. Tia anao izy ireo ka manaiky izay angatahinao raha azony atao, ary mandà rehefa tsy maintsy mandà. Rehefa miera amin’izy ireo ianao, dia manontany tena izy ireo hoe azony ekena ve ny fangatahanao ary ho zakany ve ny vokany raha manaiky izy. Tsy hanaiky ny fangatahanao izy ireo raha tsy rehefa resy lahatra fa tsy hisy loza hanjo anao.

Torohevitra hanampy anao

Inona no azonao atao?

 Milaza ny marina: Apetraho amin’ny tenanao ireto fanontaniana ireto: ‘Nahoana aho no te ho any? Izay hatao any mihitsy ve no tiako, sa izaho tsy te hailikiliky ny namako? Sa ho any koa ilay ankizy mahatara ahy?’ Lazao amin’ny ray aman-dreninao ny marina, avy eo. Efa mba tanora izy ireo, ary mahalala tsara anao. Azo inoana àry fa ho fantany foana hoe nahoana marina ianao no te handeha. Ho faly izy ireo raha mitsotra ianao. Handray soa koa ianao satria hendry izy ireo. (Ohabolana 7:1, 2) Hampihena ny fatokisany anao kosa ianao raha tsy milaza ny marina, ary vao mainka izy ireo tsy hanaiky ny fangatahanao.

 Fotoana itenenana: Aza totofana fangatahana ny ray aman-dreninao raha vao tonga avy miasa na raha mbola mifantoka amin-javatra hafa. Aza iresahana izy ireo raha tsy rehefa milamindamina. Tandremo anefa sao efa akaiky loatra vao miresaka, ka eo vao hanery azy ireo hanome valiny. Tsy ho tian’ny ray aman-dreninao ny hanapa-kevitra maimaika. Mierà aloha kokoa, amin’izay izy ireo hanam-potoana hieritreretana.

 Izay holazaina: Lazao amin’ny an-tsipiriany ny momba an’ilay izy. Hazavao tsara izay tianao hatao. Tsy tian’ny olon-dehibe ny valin-teny hoe “Tsy haiko”, indrindra rehefa manontany izy ireo hoe: “Iza avy no ho any?”, “Hisy olon-dehibe matotra ve any?”, na “Amin’ny firy ianao no hody?”

 Fomba fihevitra: Aza heverina ho toy ny fahavalonao ny ray aman-dreninao. Hevero ho toy ny namanao kosa izy ireo, satria rehefa tena dinihina dia namanao tokoa izy ireo. Raha izany no fahitanao azy ireo, dia tsy ho toy ny miady aminy ianao ary ho vonona kokoa hiara-miasa aminao izy ireo.

 Asehoy fa efa matotra tsara ianao ka manaiky sy manaja ny fanapahan-keviny. Hanaja anao koa izy ireo, amin’izay. Mety ho mora kokoa aminy, amin’ny manaraka, ny hanaiky ny fangatahanao.