Hijery ny anatiny

Inona no Ataoko fa Nisaraka i Dada sy Neny?

Inona no Ataoko fa Nisaraka i Dada sy Neny?

Ny azonao atao

 Teneno izay mampiasa saina anao. Hazavao amin’ny ray aman-dreninao fa malahelo be ianao na mikorontan-tsaina. Angamba hohazavainy ny tena zava-misy, ka tsy hitebiteby be intsony ianao.

 Raha tsy afaka manampy anao ny ray aman-dreninao, dia mety ho afaka hiresaka amin’ny namanao matotra ianao.—Ohabolana 17:17.

 Tadidio koa fa vonona hihaino anao foana ilay “Mpihaino vavaka”, izany hoe ilay Rainao any an-danitra. (Salamo 65:2) Resaho aminy izay tena ao am-ponao, ‘satria miahy anao izy.’—1 Petera 5:7.

Inona no tsy tokony hatao?

Toy ny hoe tapa-tanana ianao, rehefa misaraka ny ray aman-dreninao. Manaintaina ilay izy, nefa tsy maintsy ho sitrana

 Aza mitana lolompo. Nisaraka ny ray aman-drenin’i Patrick, tamin’izy fito taona. Hoy izy: “Tia tena ry dadanay sy mamanay. Tsy niraharaha anay ry zareo. Tsy noeritreretiny koa hoe hisy vokany aminay ange ny ataony.”

 Inona no mety ho vokany raha tezitra be amin’ny ray aman-dreniny foana i Patrick?—Vakio ny Ohabolana 29:22.

 Nahoana no tsara raha mamela ny fahadisoan’ny ray aman-dreniny i Patrick?—Vakio ny Efesianina 4:31, 32.

 Aza manaonao foana. “Nalahelo be aho sady tezitra tamin’ny dadanay sy mamanay”, hoy i Njiva. “Lasa tsy nianatra tsara intsony aho, dia tsy nifindra kilasy. Nilaozako niadaladala sy niady tamin’ny ankizy fotsiny avy eo.”

 Araka ny hevitrao, nahoana i Njiva no niadaladala sy niady tamin’ny ankizy?

 Nahoana no mety hanampy ny olona toa an’i Njiva mba tsy hanaonao foana ny toro lalana ao amin’ny Galatianina 6:7?

 Elaela ianao vao tsy malahelo be intsony.. Hiverina tsikelikely ho toy ny taloha ihany anefa ny fiainanao rehefa mandeha ny fotoana.