Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Azoko Atao Rehefa Ilay Malahelo Be Iny Aho?

Inona no Azoko Atao Rehefa Ilay Malahelo Be Iny Aho?

 Nisy namanao na havanao maty ve vao haingana? Hanampy anao ity lahatsoratra ity raha izany.

Ho hitantsika ato hoe:

 Sao dia efa tafahoatra àry izany alaheloko izany?

 Be dia be ny olona malahelo be loatra rehefa nisy maty ny namany na ny havany, sady amin’izay mandritra ny fotoana ela be.

 “Mbola tsy nisy andro iray mihitsy tsy nieritreretako an’ny dadabenay. Efa roa taona izay izy no maty, kanefa mbola mitomany foana aho isaky ny miresaka momba an’azy.”​—Olivia.

 “Bebenay foana taloha no mpanohana an’ahy tamin’ny tanjoko. Tsy nisy hitany anefa ny nahatratrarako an’ireny, na dia iray aza. Isaky ny nisy anankiray tratrako tamin’ny tanjoko dia nalahelo be an’azy foana aho.”​—Alison.

 Miovaova be ny zavatra tsapanao rehefa misy olona akaiky anao maty. Ohatra:

 “Tena tsy nino mihitsy aho rehefa maty dadatoanay. Efa ela be tatỳ aoriana vao nanaiky an’ilay izy ny saiko. Izay vao nisy olona akaiky an’ahy maty hatramin’izay, dia hoatran’ireny nilatsaham-baratra ireny aho.”​—Nadine.

 “Tezitra tamin’ny dadabenay aho rehefa maty izy. Izahay mantsy efa niteny an’azy foana hoe mba tandritandremo ny fahasalamana, dia nefa mbola tsy noraharahiany ihany.”​—Carlos.

 “Raha amin’ny olona akaiky an’ny dadabenay, dia izahay sy zandrinay irery no tsy teo tamin’izy maty. Nanamelo-tena foana aho, tatỳ aoriana, hoe tsy mba nanao veloma an’azy akory.”​—Adriana.

 “Nisy mpivady naman’ny fianakavianay izay maty tamin’ny lozam-piarakodia. Isaky ny nisy nandeha nivoaka ny iray taminay tato an-trano, dia lasa natahotra be aho sao dia sanatria misy maty koa.”​—Jared.

 “Telo taona izay bebenay no maty. Nanenina be aho hoe tsy mba niaraka matetika taminy aho tamin’izy mbola velona.”​—Julianna.

 Ara-dalàna ianao raha tsy mino na tezitra na manamelo-tena na manenina rehefa misy namanao na havanao maty. Raha mahatsapa ny iray amin’ireo ianao, dia matokia fa hihena tsikelikely izany rehefa mandeha ny fotoana. Mandra-pahatongan’izay anefa, dia inona no azonao atao mba tsy halahelo be intsony ianao?

 Ahoana no hataoko rehefa miovaova be ny zavatra tsapako?

 Miresaha amin’ny namana anankiray. Milaza ny Baiboly fa “natao hanampy amin’ny fotoan-tsarotra” ny tena namana. (Ohabolana 17:17) Hanampy anao amin’ny fotoana ilanao azy ny miresaka an’izay tsapanao amin’olona iray.

 “Ara-dalàna be raha malahelo isika rehefa misy maty. Indraindray vitanao ny miatrika irery an’ilay izy, fa indraindray anefa ianao mahatsapa hoe tsy ho vitanao intsony ilay izy, dia izay no mahatsara an’ilay hoe miresaka amin’ny olona iray.”​—Yvette.

 Mieritrereta momba an’ilay olona akaiky anao efa maty. Milaza ny Baiboly fa manana “zavatra tsara tehiriziny ao am-pony” ny olona tsara. (Lioka 6:45) Azonao soratana ny zavatra tadidinao momba an’ilay olona, na manaova album misy ny sariny.

 “Nosoratako daholo ny zavatra rehetra nampianarin’ilay namako an’ahy talohan’ny nahafatesany, dia amin’izay hoatran’ny hoe velona foana ny modely navelany. Rehefa manoratra aho, dia lasa tsy dia malahelo be intsony.”​—Jeffrey.

 Karakarao tsara ny fahasalamanao. Milaza ny Baiboly fa mahasoa ny manao fanatanjahan-tena. (1 Timoty 4:8) Ataovy azo antoka hoe ampy tsara ny sakafonao, dia manaova fanatanjahan-tena. Ataovy ampy tsara koa ny torimasonao.

 “Lasa tsy misaina tsara ianao rehefa malahelo be. Ataovy azo antoka tsara àry hoe salama tsara ianao. Dia aza atao an-tsirambina ny sakafo, dia manaova ampy torimaso tsara.”​—Maria.

 Ampio ny hafa. Milaza ny Baiboly hoe: “Mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.”​—Asan’ny Apostoly 20:35.

 “Manaova zavatra ho an’ny hafa, indrindra fa ho an’ny olona efa namoy havana na namana. Amin’izay hitanao hoe tsy ianao irery no mijaly.”​—Carlos.

 Resaho amin’i Jehovah amin’ny vavaka izay tsapanao. Antsoin’ny Baiboly hoe “Mpihaino vavaka” i Jehovah Andriamanitra. (Salamo 65:2) Lazainy koa hoe ‘manasitrana an’ireo torotoro fo izy; ary fonosiny ny ratran’izy ireo.’​—Salamo 147:3.

 “Iangavio i Jehovah mba hanampy sy hampahery anao. Amin’ny fotoana sasany aloha ianao mety halahelo kokoa raha oharina amin’ny fotoana hafa, kanefa ho eo foana i Jehovah.”​—Jeanette.

 Aza tonga dia mieritreritra hoe vetivety dia hisinda ny alahelonao. Tadidio hoe tsy mitovy ny zavatra tsapan’ny olona rehefa misy olona akaiky azy maty. Milaza ny Baiboly hoe “tsy nety nampiononina mihitsy” i Jakoba rehefa noheveriny hoe maty ny zanany lahy. (Genesisy 37:35) Aza gaga àry raha hoe ela be vao afaka ny alahelonao.

 “Misy zavatra tampoka hahatsiarovako ny rahavavin’ny bebenay foana, na dia efa 15 taona aza izy izay no maty.”​—Taylor.

 Alaivo sary an-tsaina hoe tapaka ny taolanao. Marary be ilay izy sady mety ho elaela vao sitrana. Atoron’ny dokotera anao koa anefa ny zavatra azonao atao amin’ilay izy sy ny fomba hitsaboana azy.

 Hoatran’izany mihitsy koa no mitranga rehefa “maratra” ny fihetseham-pontsika satria namoy olona akaiky antsika tamin’ny fahafatesana isika. Mitaky fotoana vao mihena ny halahelo tsapantsika. Manàna àry faharetana. Diniho ny soso-kevitra ato amin’ity lahatsoratra ity, dia jereo hoe inona no tena hanampy anao amin’ireo.