Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Toaka?

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Toaka?

 Tsy raran’ny Baiboly ny misotro toaka amin’ny antonony, raha efa ampy taona ianao. Rarany kosa ny fimamoana.—Salamo 104:15; 1 Korintianina 6:10.

 Ahoana anefa raha misy manery anao hisotro, nefa ianao mbola tsy ampy taona na tsy avelan’ny ray aman-dreninao hisotro?

 Eritrereto ny ho vokany

 Milaza angamba ny namanao sasany hoe tsy ho afaka ny hifalifaly mihitsy ianao rehefa miala voly, raha tsy misotro toaka. Inona anefa no mety hitranga aorian’izay?

  •  Hosazin’ny lalàna. Any amin’ny tany sasany, dia raran’ny lalàna ny misotro toaka raha mbola tsy ampy taona. Raha misotro àry ny tanora iray, dia mety hosazina handoa lamandy, hosokajina ho mpanao heloka bevava, tsy hahazo hitondra fiara, hasaina hanao asam-pokonolona, na mety higadra mihitsy aza.—Romanina 13:3.

  •  Ho ratsy laza. Lasa sahisahy ratsy ny olona misotro. Mety hiteny na hanao zavatra hanenenanao àry ianao. (Ohabolana 23:31-33) Dia ho lasa ratsy laza ianao, ary ho hoatr’izany foana raha vao miparitaka ao amin’ny tranonkala fifaneraserana ilay zavatra nataonao.

  •  Tsy hahavita hiaro tena. Raha mamo ianao, dia ho mora tafihin’ny olona na ho mora vetavetaina. Ho mora voatariky ny naman-dratsy koa ianao, ka vao mainka hanaonao foana na hanao zavatra tsy ara-dalàna.

  •  Ho lasa andevozin’ny toaka. Asehon’ny voka-pikarohana sasany fa raha mbola kely ny olona iray no manomboka misotro, dia hiankin-doha bebe kokoa amin’ny toaka izy. Hoatr’izany koa izay misotro isaky ny miady saina, mahatsiaro ho manirery, na tsy misy atao. Ho sarotra amin’ny olona hoatr’izany anefa ny miala amin’ny toaka.

  •  Ho faty. Vao haingana izay tany Etazonia, dia olona iray no maty isaky ny 52 minitra tao anatin’ny taona iray, noho ny lozam-pifamoivoizana nateraky ny mpamily nisotro toaka. Tao anatin’ny dimy taona, dia nisy 1500 mahery ny olona latsaka ny 21 taona maty tamin’ny lozam-pifamoivoizana vokatry ny fisotroana toaka. Na tsy nisotro aza ianao, dia mety hahita loza ihany raha manaiky hoentin’ny olona avy nisotro.

 Mandraisa fanapahan-kevitra

 Mitondra vokany ratsy be ny misotro rehefa tsy tokony hisotro. Azonao atao anefa ny misoroka loza raha manapa-kevitra mialoha ny amin’izay hataonao ianao.

 Toro lalan’ny Baiboly: “Malina izay mahatsinjo ny loza ka miafina.” (Ohabolana 22:3) Tsy mety ny misotro alohan’ny hitondrana fiara na hanaovana zavatra ilana fifantohana tsara.

 Fanapahan-kevitra: ‘Raha mifidy ny hisotro aho, dia miandry efa ampy taona aloha, na rehefa mety ny toe-javatra.’

 Toro lalan’ny Baiboly: ‘Mpanompon’izay ankatoavinareo ianareo.’ (Romanina 6:16) Lasa manaiky hobaikobaikoin’ny namanao ianao, raha misotro satria hoe misotro ry zareo. Tsy hahay hiatrika olana koa ianao, raha misotro isaky ny miady saina na tsy misy atao.

 Fanapahan-kevitra: ‘Tsy hanaiky aho raha teren’ny namako hisotro.’

 Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ianao tsy ho isan’ny mpiboboka divay.” (Ohabolana 23:20) Mety ho efa tapa-kevitra ny tsy hisotro ianao, nefa tsy ho sahy handa indray raha miaraka amin’ny naman-dratsy na amin’ny olona mpisotro be.

 Fanapahan-kevitra: ‘Tsy hiaraka be amin’ny olona tia misotro aho.’