Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Spaoro?

Inona no Tokony ho Fantatro Momba ny Spaoro?

 Mety hahasoa anao ny spaoro nefa koa mety hanimba anao. Miankina amin’ny spaoro ataonao izany. Eo koa ny fomba anaovanao an’ilay izy sy ny fotoana laninao.

 Inona avy ny soa horaisinao rehefa manao spaoro?

 Mahasalama ny spaoro. Milaza ny Baiboly fa ‘mahasoa ny fampiasan-tena.’ (1 Timoty 4:8) Hoy ny tovolahy atao hoe Ryan: “Ny spaoro no tena manampy antsika havitribitrika. Tsara lavitra noho ny manao lalao video ao an-trano izy io.”

 Manampy anao hahay hiara-miasa amin’ny hafa sy hamola-tena ny spaoro. Mampiasa fanoharana mifandray amin’ny spaoro ny Baiboly mba hampianarana lesona lehibe iray. Milaza ny 1 Korintianina 9:24, 25 hoe: “Mihazakazaka avokoa ny mpihazakazaka rehetra manao fifaninanana, nefa iray monja no mahazo ny loka.” Resahiny avy eo hoe: ‘Mifehy tena amin’ny zava-drehetra izay rehetra mandray anjara amin’ny fifaninanana.’ Inona no azo ianarana avy amin’izany? Misy lalàna mifehy azy ny spaoro tsirairay. Mila mahay mifehy tena sy mahay miara-miasa amin’olona àry ianao rehefa manao spaoro. Manaiky an’izany i Abigail. Hoy izy: “Lasa nahay niara-niasa sy nifandray tamin’olona aho rehefa nanao spaoro.”

 Afaka ny hahazo namana ianao rehefa manao spaoro. Mampifandray anao amin’ny hafa ny spaoro. Hoy ny tovolahy atao hoe Jordan: “Saika ny spaoro rehetra no misy fifaninanana. Hanampy anao hifandray tsara amin’ny namanao anefa izy io, raha ny hilalao no tena ifantohanareo.”

 Inona avy ny fandrika?

 Miankina amin’ny spaoro ataonao izany. Hoy ny Baiboly: “Samy dinihin’i Jehovah na ny olo-marina na ny ratsy fanahy, ary tena halany ny olona tia herisetra.”—Salamo 11:5.

 Tonga dia hita hoe feno herisetra ny spaoro sasany. Hoy, ohatra, ny tovovavy atao hoe Lauren: “Ny hamely ny mpifaninana aminao no tena atao rehefa manao ady totohondry. Tsy miady anefa isika satria Kristianina. Tsy tokony hahafaly antsika koa àry ny mijery olona voavely totohondry.”

 Eritrereto izao: Tsy mampaninona anao ve ny milalao na mijery spaoro feno herisetra satria mieritreritra ianao hoe tsy hahatonga anao hahery setra izany? Raha izany no izy, dia tadidio ny Salamo 11:5. Milaza izy io hoe halan’i Jehovah ny “olona tia herisetra” fa tsy hoe izay olona manao azy ireny ihany.

 Miankina amin’ny fomba anaovanao an’ilay izy. Hoy ny Baiboly: “Aza manao na inona na inona noho ny fitia te hifanditra na noho ny fireharehana, fa amim-panetren-tena kosa dia aoka samy hanao ny hafa ho ambony noho ny tenany.”​—Filipianina 2:3.

 Mazava ho azy fa tsy maintsy hisy ny fifaninanana raha vao misy ekipa mifanandrina. Lasa tsy mahafinaritra intsony anefa ilay lalao, raha ny handresy no tena imatimatesana. Hoy ny tovolahy atao hoe Brian: “Vetivety ianao dia lasa manana toe-tsaina tia mifaninana. Mila mianatra hanetry tena ianao, arakaraka ny hahaizanao spaoro.”

 Eritrereto izao: Hoy ny tovolahy atao hoe Chris: “Manao baolina izahay isan-kerinandro, ary misy maratra foana.” Saintsaino àry hoe: ‘Inona no tena mahatonga ny mpilalao haratra? Inona no azoko atao mba tsy dia hisy haratra aminay rehefa manao spaoro?’

 Miankina amin’ny fotoana laninao izany. Hoy ny Baiboly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’​—Filipianina 1:​10.

 Ny zavatra ara-panahy no tokony hataonao loha laharana. Maharitra ora maromaro ny ankamaroan’ny spaoro. Mety ho lany fotoana be àry ianao, na manao an’ilay izy na mijery fotsiny. Hoy ny tovovavy atao hoe Daria: “Niady foana izahay sy Neny taloha, satria nandany fotoana be nijerena spaoro tamin’ny tele aho nefa tokony hanao zavatra hafa.”

Toy ny hoe mandraraka sira be dia be amin’ny sakafonao ianao raha ny spaoro no tena ifantohanao

 Eritrereto izao: Henoinao ve ny ray aman-dreninao rehefa miteny hoe inona no tokony hataonao loha laharana? Hoy ny tovovavy atao hoe Trina: “Tia nijery spaoro tamin’ny tele izaho sy ny anadahiko taloha, ka tsy niraharaha ny zavatra tokony hataonay. Nilaza taminay i Neny hoe mandray karama foana ireny mpilalao ireny na mijery azy izahay na tsia. Fa iza, hoy izy, no hanome vola anareo? Izao no tiany holazaina: Efa manana asa ireny mpilalao ireny. Raha tsy miraharaha ny entimodinay sy ny zavatra hafa tokony hataonay anefa izahay, dia tsy hahavita hamelon-tena amin’ny hoavy. Te hilaza i Neny fa tsy mety raha hoe ny mijery na manao spaoro no zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainanay.”