Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Nahoana Aho no Tokony Hinamana Amin’ny Olona Isan-karazany?

Nahoana Aho no Tokony Hinamana Amin’ny Olona Isan-karazany?

 “Vitsy kely ny tena namako, dia ny miaraka amin-dry zareo ihany no tena tiako. Tsy haiko mihitsy ny minamana amin’olon-kafa ankoatra an-dry zareo.”​—Alan.

 “Vitsivitsy ihany izahay no tena mpinamana, dia tena tiako ilay izy. Tsy izaho mihitsy no andeha hiresaka sy hinamana amin’olona tsy fantatro.”​—Sara.

 Hoatran’i Alan sy Sara koa ve ianao? Ankizy na tanora vitsivitsy ihany ve no tena namanao? Sarotra aminao ve ny minamana amin’ny olon-kafa?

 Raha izany no izy, dia natao ho anao mihitsy ity lahatsoratra ity.

 Inona ny olana mety ho hitanao raha olona vitsivitsy fotsiny no tena namanao?

 Tsy ratsy ny hoe olona vitsivitsy no tena namanao. Mahatsapa hoe mana-namana mantsy ianao, sady tian’izy ireo foana ianao na tsara na ratsy ny toetranao.

 “Mahafinaritra be ilay mahatsapa hoe mana-namana ianao sady tian’ireo namanao ireo. Tia an’izany daholo ny ankizy rehetra.”​—Karen, 19 taona.

 Fantatrao ve? Anisan’ny naman’i Jesosy ny apostoly 12. Ny telo tamin’izy ireo ihany anefa no tena namany be, dia i Petera sy Jakoba ary Jaona.—Marka 9:2; Lioka 8:51.

 Hahita olana anefa ianao, raha olona vitsivitsy fotsiny no ataonao namana. Ohatra hoe:

  •   Mety hisy olona tena ho namana tsara ho anao any ho any, fa tsy ho fantatrao mihitsy izy.

     “Raha olona mitovitovy aminao ihany no namanao, dia tsy hahita sady tsy hanana namana tsara hafa mihitsy ianao.”​—Evan, 21 taona.

  •   Hoatran’ny hoe manambony tena no fahitan’ny olona anao.

     “Raha tsy miova mihitsy ny namanao, dia lasa mieritreritra ny olona hoe tsy te hiresaka amin’ny olon-kafa ianao.”​—Sara, 17 taona.

  •   Mety ho voatarika hampijaly ankizy hafa ianao.

     “Tsy tianao ilay hoe mampijaly ankizy hafa. Raha manao an’izany anefa ny namanao, dia lasa hoatran’ny tsy mampaninona anao ilay izy, ary mety hahafinaritra anao mihitsy aza.”​—James, 17 taona.

  •   Mety hidi-kizo ianao, indrindra raha miezaka be mba ho tian’ny namanao.

     “Mety ho ny iray fotsiny amin’ireo namanao be ireo no ratsy, dia lasa voatariny hanao hoatran’azy daholo ianareo rehetra.”​—Martina, 17 taona.

 Inona no azonao atao?

  •   Eritrereto ny fitsipika arahinao.

     Diniho izao: ‘Inona avy ny fitsipika ezahiko harahina? Lasa mora amin’ahy ve sa lasa sarotra amin’ahy ny manaraka an’izy ireny, rehefa miaraka amin’ireo namako ireo aho? Tsy te hisaraka amin-dry zareo mihitsy ve aho na dia mety hidi-kizo aza?’

     Toro lalan’ny Baiboly: “Ny naman-dratsy dia manimba ny fahazarana mahasoa.”—1 Korintianina 15:33.

     “Raha hafa noho ny anao ny fitsipika arahin’ireo namanao, dia mety hanao zavatra tsy tianao hatao akory ianao.”​—Ellen, 14 taona.

  •   Eritrereto izay ataonao loha laharana.

     Diniho izao: ‘Te hinamana foana amin’ireo namako be ireo ve aho, ka lasa tsy mampaninona ahy ny hanao zavatra fantatro hoe tsy mety? Inona no hataoko raha manao ratsy ny iray amin’ireo namako ireo?’

     Toro lalan’ny Baiboly: “Izay rehetra iraiketan’ny foko no anariko.”—Apokalypsy 3:19.

     “Raha nanao ratsy, ohatra, ny iray amin’ireo namanao, nefa ianao tsy te hivadika aminy, dia hoatran’ny hoe ianao indray no ratsy raha mitati-bolana ianao.”​—Melanie, 22 taona.

  •   Miezaha hinamana amin’ny olona isan-karazany.

     Diniho izao: ‘Mety hahasoa an’ahy ve ny minamana amin’ny olona isan-karazany, ohatra hoe amin’ny olona tsy fantatro tsara?’

     Toro lalan’ny Baiboly: “Aoka ny tsirairay aminareo hihevitra izay hahasoa ny hafa, fa tsy izay hahasoa ny tenany ihany.”—Filipianina 2:4.

     “Tsy dia tian’ny ankizy, ohatra, ny ankizy sasany. Mety ho mafy koa ny zavatra iainan-dry zareo any an-trano. Rehefa minamana amin-dry zareo anefa ianao, dia hitanao hoe hay kay mahafinaritra be ry zareo.”​—Brian, 19 taona.

 Tadidio àry izao: Tsy ratsy ny hoe manana namana vitsivitsy. Hahita soa anefa ianao raha minamana amin’ny olon-kafa koa. Hoy ny Baiboly: “Izay manao soa be dia be, dia handray soa be dia be koa.”—Ohabolana 11:25.