Hijery ny anatiny

MANONTANY NY TANORA

Ahoana no Hataoko Rehefa Vita Batisa? Fizarana 2: Aza Mivadika Mihitsy

Ahoana no Hataoko Rehefa Vita Batisa? Fizarana 2: Aza Mivadika Mihitsy

 Milaza ny Baiboly fa “tsy hiahotra ny hanome zava-tsoa ho an’ireo tsy mivadika” i Jehovah. (Salamo 84:11) Inona ny dikan’ilay hoe “tsy mivadika”? Hoe asehonao eo amin’ny fiainanao fa mitana an’ilay teny nataonao tamin’ianao nanokan-tena ho an’i Jehovah ianao. (Mpitoriteny 5:4, 5) Ahoana no ampisehoanao fa tsy mivadika ianao rehefa vita Batisa?

Ho hitantsika ato hoe:

 Miareta foana rehefa misy olana

 Andinin-teny tsara hotadidina: “Tsy maintsy miatrika fahoriana maro isika vao ho tafiditra ao amin’ny Fanjakan’Andriamanitra.”​—Asan’ny Apostoly 14:22.

 Inona no dikan’izany? Tsy maintsy hiatrika olana daholo ny Kristianina rehetra. Mety hisy haneso, ohatra, ianao na hanohitra satria Kristianina. Indraindray anefa olana mpahazo ny olona rehetra no iaretanao, ohatra hoe olana ara-bola na aretina.

 Inona no mety ho olana? Mety hiova ny fiainanao ary matetika no tsy tianao ilay izy. Milaza ny Baiboly fa mety ho tratran’ny zavatra tsy ampoizina ny olona rehetra, na Kristianina izy na tsia.​—Mpitoriteny 9:11.

 Inona no azonao atao? Afaka miomana mialoha ianao satria efa fantatrao hoe tsy maintsy hiatrika olana. Ataovy hoatran’ny hoe fomba azonao anatanjahana ny finoanao sy ianteherana kokoa amin’i Jehovah ireny olana ireny. (Jakoba 1:2, 3) Ho afaka hilaza hoatran’ny apostoly Paoly ianao any aoriana any hoe: “Manana ny hery hiatrehana an’izay rehetra mitranga aho, noho ilay manome hery ahy.”​—Filipianina 4:13.

 TANTARA TENA NISY. “Vao vita batisa kelikely aho dia niala tamin’ny fahamarinana ny zokinay lahy rehetra. Lasa narary i Dada sy Neny, dia avy eo koa izaho narary. Kivy aho dia saika tsy hiraharaha intsony hoe izaho ange ka nanokan-tena ho an’Andriamanitra dia nampanantena an’azy hoe ataoko zava-dehibe indrindra eo amin’ny fiainako ny fanompoana azy. Ilay izaho nanokan-tena mihitsy anefa no nanampy ahy hiatrika an’ireny olana ireny.”​—Karen.

 Soso-kevitra: Ianaro ny tantaran’i Josefa. Ao amin’ny Genesisy toko faha-​37 sy 39 ka hatramin’ny faha-41 no ahitanao ny tantarany. Diniho ireto avy eo: Inona avy ny olana nitranga tamin’i Josefa nefa tsy nampoiziny, dia ahoana no niatrehany an’ilay izy? Inona no nataon’i Jehovah mba hanampiana azy?

 Hevitra hafa mety hanampy:

 Tohero foana ny fakam-panahy

 Andinin-teny tsara hotadidina: “Tsapaina ... ny tsirairay rehefa voasariky ny faniriany sy manaiky ho resin’izany.”​—Jakoba 1:14.

 Inona no dikan’izany? Efa any anatintsika rehetra mihitsy ny hoe te hanao zavatra ratsy indraindray, dia raha tsy voafehintsika ilay faniriana dia lasa manao ratsy isika.

 Inona no mety ho olana? Mbola hanana “fanirian’ny nofo” ianao, na dia efa vita batisa aza. (2 Petera 2:18) Mety hisy fotoana aza ianao te hanao firaisana alohan’ny fanambadiana.

 Inona no azonao atao? Dieny mbola tsy misy fakam-panahy dia efa miezaha ho tapa-kevitra, amin’izay tsy ny fanirianao no hibaiko anao amin’izay hataonao. Tadidio fa nilaza i Jesosy hoe: “Tsy misy mahavita manompo tompo roa.” (Matio 6:24) Afaka mifidy ianao hoe iza no hotompoinao. Enga anie mba ho i Jehovah no hotompoinao. Na mafy be tahaka ny inona aza ny fanirian-dratsy ao anatinao dia afaka mifidy ny tsy hanatanteraka an’ilay izy ianao.​—Galatianina 5:16.

 Soso-kevitra: Fantaro hoe inona ny toetra tsaranao dia inona ny fahalemenao. Olona hahatonga anao hanana toetra tsara atao namana. Halaviro daholo izay mety hanasarotra ny hanaovanao ny tsara, na olona izany na toerana na zava-misy.​—Salamo 26:4, 5.

 Hevitra hafa mety hanampy:

 Miezaha hafana fo foana

 Andinin-teny tsara hotadidina: “Mba hazoto hoatr’izany foana ... hatramin’ny farany ... Amin’izay koa ianareo tsy ho kamo.”​—Hebreo 6:11, 12.

 Inona no dikan’izany? Rehefa tsy mifantoka tsara amin’ny zavatra ataony ny olona iray, dia lasa tsy rototra izy dia avy eo lasa kamokamo.

 Inona no mety ho olana? Nazotozoto sy nafana fo erỳ izao ianao tamin’ny ianao vao vita batisa, sady tia be an’i Jehovah. Rehefa nandeha anefa ny fotoana dia mety hitanao hoe sarotra ny mankatò azy foana. Mety ho nahakivy anao izany dia lasa tsy dia nazoto be intsony ianao.​—Galatianina 5:7.

 Inona no azonao atao? Izay tsara foana atao, na dia misy fotoana aza tsy te hanao an’izany ianao. (1 Korintianina 9:27) Ataovy koa izay hahatonga anao ho vao mainka lasa naman’ilay Rainao any an-danitra. Miezaha hahafantatra azy kokoa sy hiresaka aminy matetika amin’ny vavaka. Miaraha foana koa amin’ny olona tia manompo an’i Jehovah.

 Soso-kevitra: Tadidio hoe tia be anao i Jehovah sady vonona hanampy anao. Aza mieritreritra hoe tezitra aminao izy raha misy fotoana ianao mba tsy mafana fo kely. Hozy ny Baiboly hoe: “Omeny hery ny reraka, ary ataony matanjaka be izay kely hery.” (Isaia 40:29) Hotahiny ny ezaka ataonao, rehefa mandeha ny fotoana, ka ho lasa mafana fo indray ianao.

 Hevitra hafa mety hanampy:

 Tadidio àry izao: Hampifaly ny fon’i Jehovah ianao, raha tsy mivadika. (Ohabolana 27:11) Ho faly be izy satria nifidy ny hanohana azy ianao. Tsy maintsy homeny anao koa izay rehetra ilainao mba hanoherana ny fanafihan’i Satana rehetra.