Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Tokony ho Anisan’ny Fivavahana Iray ve Aho?

Tokony ho Anisan’ny Fivavahana Iray ve Aho?

Manontany ny Mpamaky

Tokony ho Anisan’ny Fivavahana Iray ve Aho?

▪ Tsy te ho anisan’ny fivavahana iray ve ianao, satria maharikoriko anao ny mpiangona sy mpitondra fivavahana mihatsaravelatsihy sy misara-bazana? Mahalaza an’izay tsapanao àry ity ohabolana frantsay ity: “Matetika no lavitra an’Andriamanitra ny olona akaiky fiangonana.”

Manaiky izay lazain’ny Baiboly angamba ianao ary mihevitra fa tokony hohajain’ny fitondram-panjakana sy ny tsirairay ny zon’ny hafa ho anisan’ny fivavahana iray. Mety hieritreritra anefa ianao hoe: ‘Angaha moa Andriamanitra milaza fa tsy maintsy anisan’ny fivavahana iray ny olona, vao hekeny ny fivavahany?’

Raha tsorina dia eny. Nahoana? Ankasitrahan’Andriamanitra daholo ve ny fivavahana?

Diniho izay nataon’i Jesosy. Anisan’ny fivavahana iray ve izy? Jiosy izy ary fanaony ny nankany amin’ny tempolin’i Jerosalema mba hivavaka miaraka amin’ny fianakaviany sy ny olon-kafa, tamin’izy mbola kely. (Lioka 2:41-43) Rehefa lehibe izy, dia nivavaka tamin’Andriamanitra tao amin’ny synagoga, niaraka tamin’ny Jiosy. (Lioka 4:14-16) Hoy i Jesosy rehefa niresaka tamin’ny vehivavy anisan’ny fivavahana hafa: ‘Izahay mivavaka amin’izay fantatray.’ (Jaona 4:22) Nasehony fa anisan’ny Fivavahana Jiosy izy.

Nanda an’i Jesosy ilay firenena tatỳ aoriana, ka nilaza izy fa holavin’Andriamanitra ny fivavahan’ny Jiosy. (Matio 23:33–24:2) Nasehony anefa fa tsy maintsy anisan’ny fivavahana iray ny olona, vao heken’Andriamanitra ny fivavahany. Hoy izy tamin’ny mpanara-dia azy: “Raha mifankatia ianareo, dia izany no hahafantaran’ny olona rehetra fa mpianatro ianareo.” (Jaona 13:35) Tsy ho afaka haneho fitiavana amin’ny mpiray finoana aminy mihitsy ny mpianatr’i Kristy raha tsy miaraka. Nilaza mazava i Jesosy fa karazany roa ihany ny fivavahana misy, izay oharina amin’ny lalana. “Lehibe sady malalaka” ny iray, ary “mankany amin’ny fandringanana.” “Tery kosa ny vavahady ary ety ny lalana mankany amin’ny fiainana, ka vitsy no mahita azy”, hoy izy.—Matio 7:13, 14.

Tsy ny fivavahana rehetra àry no ankasitrahan’Andriamanitra. Mampitandrina antsika ny Tenin’Andriamanitra mba tsy hiaraka amin’ny olona “jerena toa mpivavaka be nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.” Lazainy koa hoe: “Ialao ny olona toy ireny.” (2 Timoty 3:5) Handray soa be dia be kosa isika raha mamantatra sy miaraka amin’ireo mandeha eo amin’ny lalana mankany amin’ny fiainana. Amin’izay isika, dia hisy hampahery sy hanampy dieny izao, ary hanana fanantenana tsara amin’ny hoavy.—Hebreo 10:24, 25.

Ahoana no ahafantaranao an’izay fivavahana manaraka an’ilay lalana tery? Nahoana raha mijery ny valiny omen’ny Baiboly, izay hita ao amin’ny toko 15 amin’ny boky Inona Marina no Ampianarin’ny Baiboly? * Ho fantatrao tsara izay lazain’ny Baiboly amin’izay, ary ho afaka hisafidy an’izay fivavahana tokony harahinao ianao.

[Fanamarihana ambany pejy]

^ feh. 9 Navoakan’ny Vavolombelon’i Jehovah.