Timoty Faharoa 3:1-17

  • Fotoan-tsarotra tsy mora atrehina amin’ny andro farany (1-7)

  • Nanaraka akaiky ny ohatr’i Paoly (8-13)

  • “Araho foana ny zavatra nianaranao” (14-17)

    • Avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra ny Soratra Masina (16)

3  Fantaro anefa izao: Amin’ny andro farany,+ dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora atrehina.  Fa ny olona ho tia tena, ho tia vola, hieboebo, hanambony tena, ho mpanevateva, tsy hankatò ray aman-dreny, tsy hahay hankasitraka, ho mora mivadika,  tsy ho tia ny mpianakaviny, tsy ho azo ifanarahana, ho mpanendrikendrika, tsy hahafehy tena, ho masiaka be, tsy ho tia ny tsara,  ho mpamadika, ho mafy loha, hirehareha, ho tia fahafinaretana fa tsy ho tia an’Andriamanitra,  hoatran’ny hoe mpivavaka be ny fahitana azy nefa tsy misy heriny eo amin’ny fiainany ny maha mpivavaka azy.+ Ialao ny olona toy ireny.  Misy amin’izy ireny mampiasa hafetsena mba hidirana any an-tranon’olona, ka alainy ho babo ny vehivavy mora ambakaina, izay vesaran’ny fahotany sy fehezin’ny faniriana maro samihafa.  Mianatra foana ny vehivavy toy ireo, nefa tsy mety mahalala tsara ny fahamarinana mihitsy.  Manohitra ny fahamarinana foana ireny olona ireny, hoatran’ny nanoheran’i Jana sy Jambra an’i Mosesy. Olona tena ratsy saina ireny, ary tsy ankasitrahana satria manohitra ny finoana.  Tsy ho lasa lavitra anefa izy ireny, satria hiharihary amin’ny rehetra ny hadalany,* hoatran’ny hadalan’izy roa lahy ihany.+ 10  Fa ianao kosa efa nanaraka akaiky ny fampianarako, ny fomba fiainako,+ ny tanjoko, ny finoako, ny faharetako, ny fitiavako, ny fiaretako, 11  ary fantatrao koa ny fanenjehana sy ny fijaliana nanjo ahy tany Antiokia+ sy Ikonioma+ ary Lystra.+ Niaritra an’izany fanenjehana izany aho, ary nanafaka ahy tamin’izany rehetra izany ny Tompo.+ 12  Raha ny marina, dia henjehina+ ihany koa izay rehetra te hampiseho eo amin’ny fiainany hoe mahafoy tena ho an’Andriamanitra sady tafaray amin’i Kristy Jesosy. 13  Fa vao mainka hiharatsy kokoa ny ratsy fanahy sy ny mpisandoka, ka sady mamitaka izy ireo no voafitaka.+ 14  Fa ianao kosa, araho foana ny zavatra nianaranao sy nandresen-dahatra anao ka inoanao.+ Fantatrao mantsy hoe iza avy no nampianatra anao an’ireny. 15  Ary mbola zazakely+ ianao dia efa nahalala ny Soratra Masina,+ izay mampahahendry anao ka hahatonga anao ho voavonjy noho ianao mino an’i Kristy Jesosy.+ 16  Ny Soratra Masina iray manontolo dia avy amin’ny herin’ny fanahy masin’Andriamanitra,+ ary mahasoa mba hampianarana,+ hananarana, hanitsiana an’izay tsy mety, hanabeazana* mifanaraka amin’ny fahamarinana,*+ 17  mba hahatonga ny olon’Andriamanitra ho tena mahay sy ho ampy fitaovana tsara hanaovana ny asa tsara rehetra.

Fanamarihana

Na: “havendranany.”
Na: “hanafaizana.”
Na: “mifanaraka amin’izay marina na mety eo imason’Andriamanitra.”