Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Mianara Momba An’Andriamanitra

Mianara Momba An’Andriamanitra

Fomba 5

Mianara Momba An’Andriamanitra

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY? “Sambatra ny mahatsapa fa mila an’Andriamanitra.”—Matio 5:3.

INONA NO OLANA? An’arivony ny fivavahana nefa samy manana ny fampianarany, ka tsy fantatrao hoe iza no tena marina sy eken’Andriamanitra. Milaza ny mpanoratra malaza sasany fa tsy tokony hivavaka ny olona misaina, ary misy vokany ratsy mihitsy ny finoana an’Andriamanitra. Hoy, ohatra, ny olo-malaza iray tsy mino an’Andriamanitra, araka ny gazetiboky Maclean’s (anglisy): ‘Zavatra tsy hita maso sy tsy azon’ny siansa porofoina no ampianarin’ny fivavahana kristianina. Tsy manatsara ny fiainantsika izany, sady mahatonga antsika hahery setra, nefa isika tsy manana afa-tsy ity fiainana ity.’

INONA NO AZONAO ATAO? Diniho ny porofo fa tena misy Andriamanitra. (Romanina 1:20; Hebreo 3:4) Aza avela hisy hisakana anao tsy hitady ny valin’ireo fanontaniana lehibe, toy ny hoe: Inona no antony namoronana antsika? Mbola velona any ho any ve ny maty? Nahoana no be ny fijaliana? Inona no tian’Andriamanitra hataoko? Mila valiny mahafa-po momba an’ireo ianao, mba ho afa-po amin’ny fiainana.

Aza manaiky fotsiny an’izay lazain’ny olona anefa. Mampirisika anao ny Baiboly mba hampiasa ‘ny sainao’, ka hamantatra izay ankasitrahan’Andriamanitra. (Romanina 12:1, 2) Tsy ho very maina ny ezaka ataonao. Hisoroka olana ianao, sady ho faly kokoa fa tsy hiady saina loatra, raha mianatra Baiboly sy mampihatra ny toroheviny. Matokia fa olona an-tapitrisany avy amin’ny kolontsaina samihafa no nandray soa rehefa nianatra ny marina momba an’Andriamanitra sy ny fikasany. Vakio, ohatra, ireo tantara ato amin’ity gazety ity, pejy 18 ka hatramin’ny 21.

Hahafoy tena ho an’Andriamanitra ianao rehefa tsapanao fa mahasoa ny mampihatra ny torohevitra feno fahendrena ao amin’ny Teniny. Maninona àry raha mianatra Baiboly miaraka amin’ny Vavolombelon’i Jehovah? Ho hitanao fa marina ny tenin’i Paoly hoe: ‘Fomba hahazoan-tombony be ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra, raha ampiarahina amin’ny fahaiza-mianina amin’izay ananana.’—1 Timoty 6:6.

[Sary, pejy 8]

Fantaro izay ankasitrahan’Andriamanitra