Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana no Maro Ireo Tsy Mety Afa-po?

Nahoana no Maro Ireo Tsy Mety Afa-po?

Nahoana no Maro Ireo Tsy Mety Afa-po?

“Mahantra ny mpanankarena raha tsy afa-po amin’izay ananany. Manan-karena kosa ny mahantra raha afa-po amin’izay ananany.” —Benjamin Franklin.

TSY voatery ho afa-po tokoa ny olona, na dia mpanankarena aza, satria tsy voavidim-bola izany. Tsy mahagaga raha maro no tsy afa-po amin’ny fiainany. Ity tontolo ity mantsy mampirisika azy haniry fananana bebe kokoa, sy hahavita zavatra lehibe kokoa, ary hitsiriritra ny fiainan’ny hafa! Efa nisy nihatra taminao ve ireto manaraka ireto?

• Mampirisika anao hividy zava-baovao foana ny dokam-barotra. Raha tsy izay, hono, ianao tsy ho afa-po.

• Tia mifaninana sy mifampitaha ny mpiara-miasa na mpiara-mianatra, ka tsy afa-po ianao raha tsy mahavita ny vitan’ny hafa.

• Tsy mahay mankasitraka an’izay ataonao ny olona.

• Ataon’ny namanao izay hahatonga anao hitsiriritra an’izay ananany.

• Tsy fantatrao ny valin’ireo fanontaniana lehibe momba ny fiainana.

Tena azo atao ve ny ho afa-po amin’ny fiainana, raha izany? Nahavita izany ny apostoly Paoly. Afa-po foana izy, na nanam-be na nihafy, ary na nanaja azy ny olona na naneso azy. “Nianatra ny hianina” izy, izany hoe ny ho afa-po foana, “na inona na inona toe-javatra” nisy azy.—Fil. 4:11, 12.

Azonao atao àry ny ho afa-po amin’ny fiainanao. Marina fa sarotra izany ho an’izay mbola tsy nanandrana, kanefa azo ianarana tsara, araka ny tenin’i Paoly. Diniho ireto fomba dimy atoron’ny Baiboly ireto.