Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ampaherezo Ireo Nidonam-pahoriana

Ampaherezo Ireo Nidonam-pahoriana

Ampaherezo Ireo Nidonam-pahoriana

NARARY mafy i Lazarosy, nipetraka tao Betania, ka naniraka olona i Marta sy Maria anabaviny mba hampilaza tamin’i Jesosy naman’izy ireo. Maty anefa i Lazarosy ka nalevina. Tonga “hampionona” azy mirahavavy ny namany sy ny mpiray tanàna aminy noho izany. (Jaona 11:19) Tonga koa i Jesosy tamin’ny farany. Inona no nataony sy nolazainy rehefa namangy azy ireo? Hanampy antsika hampahery ny hafa izany.

Zava-dehibe ny fahatongavanao

Nandeha an-tongotra roa andro i Jesosy vao tonga tao Betania. Tsy maintsy niampita ny Reniranon’i Jordana izy, ary niakatra an’ilay fiakarana, be rivotra, mankao Jeriko. Nihazakazaka nitsena azy tany ivelan’ny tanàna i Marta. Nandeha nijery azy haingana koa i Maria, rehefa reny hoe tonga izy. (Jaona 10:40-42; 11:6, 17-20, 28, 29) Azo antoka fa nampahery azy ireo ny fahatongavan’i Jesosy.

Mampahery an’ireo nidonam-pahoriana koa ny fahatongavantsika. Izany no tsapan’i Scott sy Lydia, rehefa maty i Theo zanany vao enin-taona. Hoy izy ireo: “Nila ny fianakavianay sy ny namanay izahay mba hanohana anay. Tonga dia nankany amin’ny hopitaly izy ireo tamin’ny misasakalina.” Inona no nantenain’izy mivady tamin’ireo namany? Hoy izy ireo: “Tsy ny teny holazain’izy ireo no nilainay. Ny fahatongavany dia efa nampiseho taminay hoe miahy anay ry zareo.”

Milaza ny Baiboly fa “ory dia ory” i Jesosy rehefa nahita ny olona nitomany, ka ‘nirotsaka ny ranomasony.’ (Jaona 11:33-35, 38) Tsy nieritreritra izy hoe vavivavy toetra ny olona mitomany eny imason’olona. Tsapany kosa ny alahelon’ireo olona ireo, ary nangoraka azy ireo izy. Inona no ianarantsika amin’izany? Rehefa mamangy olona nidonam-pahoriana isika, dia tsy tokony ho menatra ny hiara-mitomany amin’izay mitomany. (Romanina 12:15) Tsy hoe hanao izay hampitomany azy koa anefa isika. Mety ho tsy te hitomany eny imason’olona mantsy ilay olona.

Mihainoa tsara ary mahaiza mangoraka

Mety ho efa nisy teny noeritreretin’i Jesosy holazaina rehefa hampahery an’i Marta sy Maria izy. Azo inoana anefa fa navelany hiteny aloha izy ireo. (Jaona 11:20, 21, 32) Rehefa avy nametraka fanontaniana tamin’i Marta koa i Jesosy, dia nihaino tsara azy avy eo.—Jaona 11:25-27.

Hita hoe tena miahy an’ilay nidonam-pahoriana koa ianao, raha mihaino tsara azy. Ilaina izany mba hahafahanao hampahery azy. Afaka mametraka fanontaniana koa ianao, mba hampirisihana azy hiresaka. Aza manery azy anefa, raha tsy te hiresaka izy. Mety ho reraka be mantsy izy, ka mila miala sasatra.

Hoatran’ny hoe tsy misy fihetseham-po koa ny olona sasany nidonam-pahoriana, ka teny mitovy ihany indraindray no averiny rehefa misy miresaka aminy. Ny hafa indray mamboraka ny ao am-pony rehetra. Izany no nataon’i Maria sy Marta, rehefa niteny tamin’i Jesosy hoe: “Tompo ô, raha teto ianao dia tsy maty ny anadahiko.” (Jaona 11:21, 32) Ahoana no nataon’i Jesosy? Nihaino tsara izy sady nangoraka. Nifehy tena izy tsy hanazava ny fihetseham-po tokony ho tsapan’izy ireo. Azo antoka fa fantany hoe tena malahelo mafy izy mirahavavy.

Mety tsy ho hainao izay holazaina indraindray. Ho afaka hanombo-dresaka anefa ianao, raha mametraka fanontaniana, toy ny hoe: ‘Manao ahoana ianao izao?’, ary mihaino tsara azy avy eo. Jereo tsara izy, ary miezaha hahatakatra ny fihetseham-pony.

Tsy mora ny mahatakatra ny fihetseham-pon’ny olona nidonam-pahoriana. Hoy i Lydia: “Tsy voafehinay ny fihetseham-ponay indraindray ka nigogogogo nitomany izahay na dia nisy vahiny aza. Fampaherezana no tena nilainay tamin’izay. Niovaova ny zavatra nilainay, ka niezaka mafy ny namanay hahatakatra ny fihetseham-ponay.”

Nahavita izany tamin’ny fomba tonga lafatra i Jesosy. Fantany hoe samy manana “ny fahoriany sy ny fijaliany ny tsirairay.” (2 Tantara 6:29) Samy hafa àry ny fomba namaliany an’i Marta sy Maria. Niresaka be i Marta, ka niresaka koa i Jesosy. Nitomany kosa i Maria, ka tsy niresaka firy i Jesosy. (Jaona 11:20-28, 32-35) Inona no lesona raisintsika amin’izany? Tsara kokoa raha ilay olona no avela hiresaka voalohany. Tena mety hampahery azy ianao, raha mihaino azy mamoaka ny alahelony.

Teny manasitrana

Tsy nanome tsiny an’i Maria sy Marta i Jesosy, no sady tsy tezitra, rehefa nilaza izy ireo hoe: “Raha teto ianao.” Nanome toky an’i Marta kosa izy hoe: “Hitsangana ny anadahinao.” (Jaona 11:23) Nanampy azy hibanjina ny hoavy i Jesosy tamin’izay, no sady nampahatsiahy azy fa mbola misy fanantenana.

Tadidio fa misy vokany be ny teny vokatry ny fo sy mampahery, na dia vitsivitsy ihany aza. Azo atao koa ny manoratra teny fampiononana. Azo iverenana vakina mantsy ny taratasy na karta na dia ela be any aoriana aza, ary mbola mitondra fampiononana foana izy ireny amin’izay. Izany no tsapan’i Kath, rehefa namaky indray an’ireo karta rehetra nalefan’ny olona izy, sivy volana taorian’ny nahafatesan’i Bob vadiny. Hoy izy: “Vao mainka nampahery ahy ireo karta ireo tamin’izay.”

Inona no azonao resahina, raha manoratra taratasy fohy fampaherezana ianao? Afaka manoratra momba an’ilay olona maty ianao. Ohatra hoe ny zavatra niarahanareo natao, na ny toetra iray tena tianao taminy. Hoy i Kath: “Sady te hitsiky aho no te hitomany, rehefa namaky an’ireo teny feno hatsaram-panahy momba an’i Bob. Nisy koa nilaza zavatra mampihomehy momba azy, ka nihomehy aho ary nahatsiaro ny fiainana mahafinaritra niarahanay. Maro tamin’ireny karta ireny no nisy andinin-teny, ary tena tiako koa izy ireny.”

Aza misalasala manampy

Nanangana an’i Lazarosy tamin’ny maty i Jesosy, mba hanampiana an’ilay fianakaviana nidonam-pahoriana. (Jaona 11:43, 44) Tsy afaka manao toy izany isika, nefa mety ho azontsika atao, ohatra, ny mahandro ny sakafon’ilay olona, manasa ny lambany, mikarakara ny zanany, miantsena ho azy, mandray ny vahininy hatory ao amintsika, na mitondra azy amin’ny fiarantsika. Azo antoka fa tena hankasitraka ny fanampiana amim-pitiavana ataontsika ireo nidonam-pahoriana.

Marina fa te ho irery ny olona nidonam-pahoriana indraindray. Na izany aza anefa, dia aza misalasala mifandray amin’izy ireo. Hoy ny vehivavy iray maty zanaka: “Tsy voafaritra hoe tokony haharitra hafiriana ny alahelonao.” Mety halahelo be izy ireny amin’ny fotoana sasany, ohatra hoe rehefa mitsingerina ny daty mariaziny na ny fotoana nahafatesan’ilay olona. Miezaka mitadidy ny fotoana toy izany ny olona sasany, ka manao zavatra mba hampaherezana azy ireny. Ho namana sarobidy tokoa ianao raha eo, amin’ny fotoan-tsarotra toy ireny.—Ohabolana 17:17.

Hoy i Jesosy tamin’ny mpianany: “Matory i Lazarosy namantsika, fa handeha ho any aho hamoha azy.” (Jaona 11:11) Nanome toky izy teo fa hitsangana ny maty. Niresaka momba an’io fampanantenana io koa izy rehefa nampahery an’i Marta, sady nanontany azy hoe: “Mino izany ve ianao?” Hoy i Marta: “Eny, Tompo ô!”—Jaona 11:24-27.

Mino koa ve ianao fa hanangana ny maty i Jesosy? Raha izany no izy, dia resaho amin’ireo nidonam-pahoriana io fanantenana sarobidy io. Aza misalasala koa manampy azy ireo. Azo inoana fa hampahery azy ireo ny teninao sy ny ataonao.—1 Jaona 3:18.

[Sarintany, pejy 9]

(Jereo ny gazety)

PERE

Reniranon’i Jordana

Jeriko

Betania

Ranomasin-tsira

Jerosalema

SAMARIA