Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Fidio Tsara ny Namanao

Fidio Tsara ny Namanao

Fomba 4

Fidio Tsara ny Namanao

INONA NO AMPIANARIN’NY BAIBOLY? “Ho hendry izay miaraka amin’ny hendry.”—Ohabolana 13:20.

INONA NO OLANA? Miankina amin’ny namantsika no hahatonga antsika ho afa-po amin’ny fiainana na tsia. Tena misy heriny amintsika ny resaka ataony sy ny toe-tsainy.—1 Korintianina 15:33.

Diniho izay lazain’ny Baiboly momba ireo 12 lahy nirahina hijery ny tany Kanana. Nanao tatitra izy ireo rehefa niverina, ka ny roa taminy nilaza fa “tany soa tokoa” ilay izy. Nifanohitra tamin’izany kosa ny tenin’ireo folo, satria “ratsy ny zavatra nolazain’izy ireo tamin’ny zanak’Israely momba ilay tany.” Nisy heriny tamin’ny olona izany, ka ‘nidradradradra ny vahoaka manontolo, ary nimenomenona ny zanak’Israely rehetra.’—Nomery 13:30–14:9.

Maro koa ankehitriny ny olona “mpimenomenona” sy “be taraina ny amin’ny toe-piainana misy azy.” (Joda 16) Raha namana tsy mety afa-po no iarahantsika, dia ho sarotra amintsika koa ny ho afa-po amin’ny fiainantsika.

INONA NO AZONAO ATAO? Diniho ny resaka ifanaovanareo. Matetika ve ny namanao no mirehareha momba izay ananany, sa mitaraina foana momba izay tsy ananany? Ary ianao ve mba namana tsara ho azy ireo? Ataonao ve izay hahatonga azy hitsiriritra anao, sa kosa ampirisihinao ho afa-po amin’izay efa ananany izy?

Eritrereto ny ohatr’i Jonatana, zanak’i Saoly Mpanjaka. I Davida no voafidy ho mpanjaka hisolo an’i Saoly. Nandositra tany an-tany efitra anefa i Davida. Nitady hamono azy mantsy i Saoly, satria natahotra sao ho lasany ny fanjakana. I Jonatana kosa lasa namana akaikin’i Davida, na dia izy aza no tokony handimby ny rainy. Nekeny fa Andriamanitra no nifidy an’i Davida ho mpanjaka, ary faly izy nanohana an’io namany io.—1 Samoela 19:1, 2; 20:30-33; 23:14-18.

Namana toy izany no ilainao. Miezaka ho afa-po amin’ny fiainany izy, ary mitady izay tena hahasoa anao. (Ohabolana 17:17) Mazava ho azy fa mila manana toetra tsara toy izany koa ianao, mba hahazoanao namana tsara.—Filipianina 2:3, 4.

[Sary, pejy 7]

Manampy anao ho afa-po amin’ny fiainanao ve ny namanao, sa tsia?