Hijery ny anatiny

Inona ny Zavatra Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Inona ny Zavatra Inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Miezaka manaraka an’ilay Fivavahana Kristianina naorin’i Jesosy sy narahin’ny apostoliny izahay Vavolombelon’i Jehovah. Hiresaka fohifohy momba ny zavatra inoanay ity lahatsoratra ity.

  1.   Andriamanitra. Mivavaka amin’ilay tena Andriamanitra izahay. Izy no Andriamanitra Mahery Indrindra sy Mpamorona ny zavatra rehetra. I Jehovah no anarany. (Salamo 83:18; Apokalypsy 4:11) Izy no Andriamanitr’i Abrahama sy Mosesy ary Jesosy.—Eksodosy 3:6; 32:11; Jaona 20:17.

  2.   Baiboly. Mino izahay fa Tenin’Andriamanitra ny Baiboly, ary nataony ho an’ny olombelona izy io. (Jaona 17:17; 2 Timoty 3:16) Avy ao amin’ireo boky 66 ao amin’ny Baiboly ny zavatra inoanay, izany hoe avy ao amin’ny “Testamenta Taloha” sy ny “Testamenta Vaovao.” Nilaza toy izao momba anay i Jason BeDuhn, mpampianatra momba ny fivavahana: “Tsy hevitra efa masaka ao an-tsainy no antenainy ho hita ao amin’ny Baiboly, fa ny Baiboly mihitsy no fototry ny zavatra inoany sy ataony.” a

     Marina fa mino ny Baiboly manontolo izahay, nefa tsy raisinay ara-bakiteny daholo izay rehetra voasoratra ao. Ekenay mantsy fa misy teny an’ohatra ao.

  3.   Jesosy. Manaraka ny fampianarana sy ny modely nomen’i Jesosy Kristy izahay. Manaiky izahay hoe Mpamonjy izy sady Zanak’Andriamanitra. (Matio 20:28; Asan’ny Apostoly 5:31) Kristianina àry izahay. (Asan’ny Apostoly 11:26) Nianaranay tao amin’ny Baiboly koa anefa fa tsy i Jesosy no Andriamanitra Mahery Indrindra, ary tsy marina ilay fampianarana hoe telo izay iray Andriamanitra.—Jaona 14:28.

  4.   Ny Fanjakan’Andriamanitra. Tena fitondram-panjakana any an-danitra izy io fa tsy zavatra ao am-pon’ny Kristianina. Izy io no hisolo ny fitondran’olombelona, ary hanatanteraka ny fikasan’Andriamanitra momba ny tany. (Daniela 2:44; Matio 6:9, 10) Tsy ho ela izany dia hitranga, satria hita avy amin’ireo faminaniana ao amin’ny Baiboly fa efa “andro farany” izao.—2 Timoty 3:1-5; Matio 24:3-14.

     I Jesosy no Mpanjakan’ny Fanjakan’Andriamanitra. Efa nanomboka nanjaka izy tamin’ny 1914.—Apokalypsy 11:15.

  5.   Famonjena. Nanao sorona ny ainy i Jesosy mba hamonjena antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana. (Matio 20:28; Asan’ny Apostoly 4:12) Tsy maintsy maneho finoana an’i Jesosy izay olona te handray soa avy amin’io sorona io. Tsy maintsy manova ny fiainany koa izy ary atao batisa. (Matio 28:19, 20; Jaona 3:16; Asan’ny Apostoly 3:19, 20) Ny zavatra ataon’ilay olona no ahitana raha manam-pinoana tokoa izy na tsia. (Jakoba 2:24, 26) Tsy valisoa homena azy noho ny zavatra tsara nataony anefa ny famonjena. Hahazo azy io kosa izy noho “ny hatsaram-panahy tsy manam-paharoan’Andriamanitra.”—Galatianina 2:16, 21.

  6.   Ny lanitra. Any an-danitra no mipetraka i Jehovah Andriamanitra sy Jesosy Kristy ary ireo anjely tsy mivadika. b (Salamo 103:19-21; Asan’ny Apostoly 7:55) Hisy olona vitsivitsy miisa 144000 hatsangana ho any an-danitra mba hiara-manjaka amin’i Jesosy.—Daniela 7:27; 2 Timoty 2:12; Apokalypsy 5:9, 10; 14:1, 3.

  7.   Ny tany. Nataon’Andriamanitra honenan’ny olona mandrakizay ny tany. (Salamo 104:5; 115:16; Mpitoriteny 1:4) Hovany ho paradisa ny tany, ary hapetrany ao izay olona mankatò azy. Ho salama tsara sy ho lavorary izy ireo ary tsy ho faty intsony.—Salamo 37:11, 34.

  8.   Ny faharatsiana sy ny fijaliana. Lasa nisy ny faharatsiana sy ny fijaliana rehefa nikomy ny iray tamin’ireo anjelin’Andriamanitra. (Jaona 8:44) Nitarika ny mpivady voalohany hikomy koa io anjely io, ary nitondra loza ho an’ny olombelona izany. Nantsoina hoe “Satana” sy “Devoly” io anjely io tatỳ aoriana. (Genesisy 3:1-6; Romanina 5:12) Nisy fanontaniana nipoitra rehefa nikomy i Satana. Navelan’Andriamanitra hisy àry ny faharatsiana sy ny fijaliana mba hamaliana izany. Tsy hamela antsika hijaly mandrakizay anefa izy.

  9.   Ny fahafatesana. Tsy misy intsony ny olona iray rehefa maty. (Salamo 146:4; Mpitoriteny 9:5, 10) Tsy mijalijaly ao amin’ny afobe koa izy.

     Hanangana ny maty Andriamanitra ary an’arivony tapitrisa no hatsangany. (Asan’ny Apostoly 24:15) Hasaina mianatra momba an’Andriamanitra izy ireo aorian’izay. Horinganina izay tsy manaiky hanao an’izany, ary tsy hatsangana intsony.—Apokalypsy 20:14, 15.

  10.   Ny fianakaviana. Manaraka an’ilay fitsipik’Andriamanitra tany am-boalohany momba ny fanambadiana izahay. Lehilahy iray sy vehivavy iray no nataon’Andriamanitra ho mpivady. Tsy mahazo misaraka izy ireo raha tsy hoe mijangajanga ilay iray. (Matio 19:4-9) Resy lahatra koa izahay fa sambatra ny fianakaviana rehefa manaraka ny toro lalan’ny Baiboly.—Efesianina 5:22–6:1.

  11.   Ny fivavahanay. Tsy mankamasina lakroa na sary masina izahay. (Deoteronomia 4:15-19; 1 Jaona 5:21) Ireto avy no ataonay ao amin’ny fivavahanay:

  12.   Ny fikambananay. Mizara ho fiangonana maromaro izahay. Lehilahy vitsivitsy atao hoe anti-panahy no miandraikitra ny fiangonana tsirairay. Tsy mpitondra fivavahana anefa ireo lehilahy ireo ary tsy karamaina. (Matio 10:8; 23:8) Tsy mitaky ampahafolon-karena koa izahay sady tsy mitanty rakitra. (2 Korintianina 9:7) Fanomezana avy amin’olona tsy mitonona anarana no anohanana ny asanay rehetra.

     Kristianina matotra vitsivitsy any amin’ny foibenay any Etazonia no manome tari-dalana ho an’ny Vavolombelon’i Jehovah maneran-tany. Antsoina hoe Filan-kevi-pitantanana ireo Kristianina ireo.—Matio 24:45.

  13.   Miray saina izahay. Mitovy daholo ny zavatra inoan’ny Vavolombelon’i Jehovah eran-tany. (1 Korintianina 1:10) Miezaka mafy koa izahay mba tsy hifanavakavaka, na eo amin’ny resaka saranga, na foko, na firenena. (Asan’ny Apostoly 10:34, 35; Jakoba 2:4) Samy manana ny safidiny anefa izahay na dia miray saina aza. Afaka manao izay tiany, ohatra, ny Vavolombelona iray raha mbola mety amin’ny feon’ny fieritreretany ilay zavatra tiany hatao, sady mifanaraka amin’ny toro lalan’ny Baiboly.—Romanina 14:1-4; Hebreo 5:14.

  14.   Ny fomba fiainanay. Miezaka mafy tsy ho tia tena izahay fa ho tia ny mpiara-belona aminay. Asehonay amin’izay rehetra ataonay izany. (Jaona 13:34, 35) Tsy manao zavatra tsy tian’Andriamanitra izahay, anisan’izany ny fampidiran-dra. (Asan’ny Apostoly 15:28, 29; Galatianina 5:19-21) Tia fihavanana izahay ary tsy mandray anjara amin’ny ady. (Matio 5:9; Isaia 2:4) Manaja ny fitondram-panjakana izahay ary mankatò ny lalàna apetrany, raha mbola tsy mifanohitra amin’ny lalàn’Andriamanitra izany.—Matio 22:21; Asan’ny Apostoly 5:29.

  15.   Ny fifandraisanay amin’ny hafa. Nandidy ny mpianany i Jesosy hoe: “Tiavo ny namanao tahaka ny tenanao.” Nilaza koa izy fa “tsy anisan’izao tontolo izao” ny Kristianina. (Matio 22:39; Jaona 17:16) Miezaka ny “hanao soa amin’ny rehetra” àry izahay, nefa tsy manao politika mihitsy sady tsy mifandray amin’ny fivavahana hafa. (Galatianina 6:10; 2 Korintianina 6:14) Manaja ny safidy ataon’ny hafa momba an’ireo anefa izahay.—Romanina 14:12.

 Raha manana fanontaniana momba ny zavatra inoanay Vavolombelon’i Jehovah ianao, dia afaka manoratra atỳ aminay, na manatrika fivoriana any amin’ny Efitrano Fanjakana akaiky anao, na miresaka amin’izay Vavolombelona eo amin’ny faritra misy anao. Hahita fanazavana maro momba anay koa ianao ao amin’ny tranonkalanay.

a Jereo ny Truth in Translation, pejy 165.

b Nisy anjely ratsy noroahina avy tany an-danitra. Etỳ amin’ny manodidina ny tany izy ireo izao saingy tsy hita maso.—Apokalypsy 12:7-9.