Hijery ny anatiny

Tena Misy ve ny Afobe? Inona no Atao hoe Afobe Raha ny Baiboly no Jerena?

Tena Misy ve ny Afobe? Inona no Atao hoe Afobe Raha ny Baiboly no Jerena?

Valiny ara-baiboly

 Misy Baiboly tranainy maromaro mampiasa an’ilay teny hoe “helo” na afobe, ao amin’ny andinin-teny sasany. (Salamo 16:10; Asan’ny Apostoly 2:27 a) Asehon’ilay sary ato amin’ity lahatsoratra ity ny zavatra inoan’ny olona maro momba ny afobe. Toerana misy afo mirehitra mandrakizay, hono, izy io ary any no sazina ny ratsy fanahy. Izany ve anefa no ampianarin’ny Baiboly?

Ho hitantsika ato ireto:

 Toerana fampijalijaliana mandrakizay ve ny afobe?

 Tsia. Midika hoe “Fasana”, izany hoe ny fasana misy ny maty rehetra, ireo teny tany am-boalohany nadikan’ny Baiboly tranainy sasany hoe “helo” na afobe (Hebreo: “Sheôl”; Grika: “Haides”). Resahin’ny Baiboly hoe tsy misy intsony ny olona rehefa lasa any amin’io “Fasana” io.

  •   Tsy mahalala na inona na inona ny maty ka tsy mahatsapa fanaintainana. “Tsy misy afaka miasa, na mikasa hanao zavatra, na mahazo fahalalana, na maneho fahendrena, any amin’ny Fasana halehanao.” (Mpitoriteny 9:10) Tsy toerana feno feon’olona mitaraindraina àry ny afobe. Milaza kosa ny Baiboly hoe: “Enga anie ny ratsy fanahy hatao afa-baraka, ary hatao tsy mahateny intsony ao amin’ny Fasana!”​—Salamo 31:17; 115:17.

  •   Fahafatesana no nataon’Andriamanitra sazin’ny fahotana fa tsy fampijalijaliana any amin’ny afobe. Nilaza tamin’i Adama, ilay lehilahy voalohany, Andriamanitra hoe fahafatesana no ho saziny raha tsy mankatò ny lalàny izy. (Genesisy 2:17) Tsy niresaka momba ny fampijalijaliana mandrakizay any amin’ny afobe mihitsy izy. Rehefa nanota i Adama tatỳ aoriana, dia izao ny sazy nolazain’Andriamanitra taminy: “Vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray.” (Genesisy 3:19) Lasa tsy hisy intsony i Adama. Raha tena nalefan’Andriamanitra tany amin’ny afobe tokoa i Adama, dia tsy maintsy ho niresaka an’izany izy. Tsy niova ny sazy omen’Andriamanitra an’izay mandika ny lalàny. Izao no nasainy nosoratan’ny mpanoratra Baiboly iray, ela be taorian’ny nanotan’i Adama: “Fahafatesana no tambin’ny ota” (Romanina 6:23) Tsy misy antony tokony hanomezana sazy hafa intsony, satria “izay maty dia afaka madiodio amin’ny fahotany.”​—Romanina 6:7.

  •   Maharikoriko an’Andriamanitra ilay hoe fampijalijaliana mandrakizay. (Jeremia 32:35) Mifanipaka amin’ny zavatra ampianarin’ny Baiboly ny hevitra hoatr’izany. Milaza mantsy ny Baiboly hoe “Andriamanitra dia fitiavana.” (1 Jaona 4:8) Tiany raha fitiavana no antony anompoantsika azy, fa tsy tahotra hoe sao dia hampijalijalina mandrakizay.​—Matio 22:36-38.

  •   Mankany amin’ny afobe ny tsara fanahy. Resahin’ireo Baiboly mampiasa an’ilay teny hoe “helo” na afobe fa nisy mpanompon’Andriamanitra tsy nivadika naniry ho any. Anisan’izany i Jakoba sy Joba. (Genesisy 37:35; Joba 14:13) Na i Jesosy Kristy aza voalaza hoe tany amin’ny afobe, teo anelanelan’ny fotoana nahafatesany sy nananganana azy tamin’ny maty. (Asan’ny Apostoly 2:31, 32) Mazava àry fa rehefa mampiasa an’ilay teny hoe “helo” na afobe ireo Baiboly ireo, dia Fasana no tiany holazaina. b

 Ahoana ilay fanoharan’i Jesosy momba an’ilay mpanankarena sy Lazarosy?

 Fanoharana nolazain’i Jesosy izy io ary hita ao amin’ny Lioka 16:19-31. Natao mba hampianarana lesona momba ny fitondran-tena sy ny fomba fihevitr’Andriamanitra ny fanoharana. Tsy hoe tantara tena nisy akory ilay fanoharana momba an’ilay mpanankarena sy Lazarosy. (Matio 13:34) Raha te hahafantatra bebe kokoa momba an’io fanoharana io ianao, dia jereo ilay lahatsoratra hoe “Iza Ilay Mpanankarena sy Lazarosy?

 Midika ve ny afobe hoe tafasaraka amin’Andriamanitra ny olona iray?

 Tsia. Mifanipaka amin’ny Baiboly ilay fampianarana hoe mbola afaka mahatsapa ny maty hoe tafasaraka amin’Andriamanitra izy. Milaza mantsy ny Baiboly fa tsy mahalala na inona na inona intsony ny maty.​—Salamo 146:3, 4; Mpitoriteny 9:5.

 Efa nisy olona tafavoaka avy any amin’ny afobe ve?

 Ie. Misy olona sivy tantarain’ny Baiboly hoe efa tany amin’ny Fasana (adikan’ny Baiboly sasany hoe “helo” na “afobe”), nefa natsangana tamin’ny maty dia velona indray. c Raha nahatsiaro saina ry zareo tany, dia tsy maintsy ho nitantara momba an’izay zavatra niainany tany. Tsy nisy tamin-dry zareo anefa niresaka fampijalijaliana na nitantara zavatra hafa. Fa nahoana? Satria araka ny ampianarin’ny Baiboly dia hoe tsy nahalala na inona na inona ry zareo, fa hoatran’ny olona “matory” be.​—Jaona 11:11-14; 1 Korintianina 15:3-6, fanamarihana ambany pejy.

a Tsy mampiasa an’ilay teny hoe “helo” ny ankamaroan’ny Baiboly amin’izao, ao amin’ny Asan’ny Apostoly 2:27. Misy, ohatra, mampiasa an’ilay hoe “toeran’ny maty” (Dikan-teny Iombonana eto Madagasikara), “fitoeran’ny maty” (Fandikan-teny Katolika), na “fiainan-tsi-hita.”​—Fandikan-teny Protestanta.

b Jereo ilay efajoro hoe “ Teny Tany Am-boalohany.”