Mpanjaka Faharoa 13:1-25

  • Joahaza, mpanjakan’ny Israely (1-9)

  • Joasy, mpanjakan’ny Israely (10-13)

  • Notsapain’i Elisa ny hafanam-pon’i Joasy (14-19)

  • Maty i Elisa; nitsangana tamin’ny maty ilay lehilahy nahakasika ny taolany (20, 21)

  • Tanteraka ny faminaniana farany nolazain’i Elisa (22-25)

13  Tamin’ny taona faha-23 nanjakan’i Joasy+ zanak’i Ahazia+ mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely tany Samaria i Joahaza zanak’i Jeho.+ Ary nanjaka 17 taona izy.  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana i Joahaza, ka tsy niala tamin’ny fahotana nataon’ny Israely noho ny fitaoman’i Jeroboama zanak’i Nebata.+ Tsy niala tamin’izany izy.  Tezitra be tamin’ny Israely+ àry i Jehovah,+ ka nataony resin’i Hazaela+ mpanjakan’i Syria sy Beni-hadada+ zanak’i Hazaela izy ireo, nandritra izany fotoana izany.  Nitalaho famindram-po tamin’i* Jehovah i Joahaza, tatỳ aoriana. Dia nihaino azy i Jehovah, satria hitany hoe nampahorin’ny mpanjakan’i Syria ny Israely.+  Nomen’i Jehovah mpamonjy àry ny Israely+ mba hanafaka azy ireo teo ambany fahefan’i Syria. Dia afaka nipetraka tao an-tranony toy ny teo aloha* indray ny Israelita.  Tsy niala tamin’ny fahotan’ny ankohonan’i Jeroboama anefa izy ireo, dia ny fahotana nataon’ny Israely noho ny fitaoman’i Jeroboama.+ Nanao an’izany foana izy ireo,* ary na ilay tsato-kazo masina*+ aza mbola nitsangana tany Samaria ihany.  Tsy nisy afa-tsy mpitaingin-tsoavaly 50 sy kalesy 10 ary miaramila 10 000 mpandeha an-tongotra tao amin’ny tafik’i Joahaza. Naringan’ny mpanjakan’i Syria mantsy ny ankamaroan’ny tafiny,+ ka nohosihoseny toy ny vovoka eny am-pamoloana.+  Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve ny sisa amin’ny tantaran’i Joahaza, izany hoe izay rehetra nataony sy ny heriny?  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Joahaza, ka nalevina tany Samaria.+ Ary i Joasy zanany no nanjaka nandimby azy. 10  Tamin’ny taona faha-37 nanjakan’i Joasy+ mpanjakan’ny Joda, no lasa mpanjakan’ny Israely tany Samaria i Joasy zanak’i Joahaza. Ary nanjaka 16 taona izy. 11  Nanao izay ratsy teo imason’i Jehovah foana izy, ka tsy niala tamin’ny fahotana rehetra nataon’ny Israely noho ny fitaoman’i Jeroboama zanak’i Nebata.+ Nanao an’izany fahotana izany foana* izy. 12  Ary tsy efa voasoratra ao amin’ny boky mirakitra ny tantara tamin’ny andron’ireo mpanjakan’ny Israely ve ny sisa amin’ny tantaran’i Joasy, izany hoe izay rehetra nataony sy ny heriny ary ny niadiany tamin’i Amazia mpanjakan’ny Joda?+ 13  Dia nodimandry any amin’ny razambeny i Joasy, ary i Jeroboama*+ no nipetraka teo amin’ny seza fiandrianany. Nalevina tany Samaria, tany amin’izay nisy ny mpanjakan’ny Israely, i Joasy.+ 14  Narary i Elisa+ ary izany aretina izany no hahafaty azy amin’ny farany. Nidina tany aminy i Joasy mpanjakan’ny Israely ka nitomany teo aminy, sady nilaza hoe: “Ry raiko ô, ry raiko ô! Ny kalesy fitondran’ny Israely miady sy ny mpitaingin-tsoavaliny!”+ 15  Ary hoy i Elisa taminy: “Makà tsipìka sy zana-tsipìka.” Dia naka tsipìka sy zana-tsipìka izy. 16  Ary niteny tamin’ny mpanjakan’ny Israely i Elisa hoe: “Ataovy eo amin’ny tsipìka ny tananao.” Dia nataony teo ny tanany, ary nataon’i Elisa teo amin’ny tanan’ny mpanjaka ny tanany avy eo. 17  Ary hoy izy: “Sokafy ny varavarankely atsinanana.” Dia nosokafany izany. Ary hoy i Elisa: “Mitifira!” Dia nitifitra izy. Hoy àry i Elisa: “Zana-tsipìkan’ny fandresen’i* Jehovah, dia ny zana-tsipìka handresena* an’i Syria! Hamely* an’i Syria ao Afeka+ ianao, mandra-pandringanao azy.” 18  Hoy koa i Elisa: “Raiso ny zana-tsipìka.” Dia noraisiny izany. Ary niteny tamin’ny mpanjakan’ny Israely i Elisa hoe: “Kapohy ny tany.” Ary nokapohiny intelo ny tany, dia nijanona izy. 19  Koa tezitra taminy ilay lehilahin’Andriamanitra, ka niteny hoe: “Tokony ho nokapohinao indimy na inenina ny tany, amin’izay ianao ho namely an’i Syria mandra-pandringanao azy. Fa izao kosa dia intelo ihany ianao no hamely azy.”+ 20  Ary maty i Elisa taorian’izay ka nalevina. Nisy Moabita mpandroba+ tonga teo amin’ilay tany, isaky ny fiandohan’ny taona.* 21  Nisy olona nandevina lehilahy iray tamin’izay, ary nahatazana an’ireo mpandroba izy ireo. Tonga dia natsipiny haingana tao amin’ilay toerana nandevenana an’i Elisa ilay faty, dia lasa izy ireo nitsoaka. Rehefa nahakasika ny taolan’i Elisa ilay faty, dia velona+ ka nijoro. 22  Nampijalin’i Hazaela+ mpanjakan’i Syria ny Israely,+ tamin’ny andro rehetra nanjakan’i Joahaza. 23  Tsara fanahy tamin’izy ireo sy niantra azy anefa i Jehovah+ ka nikarakara azy ireo, noho ny fifanekena nataony tamin’i Abrahama+ sy Isaka+ ary Jakoba.+ Tsy tiany ho ringana izy ireo, ka tsy nariany tanteraka tsy ho eo anatrehany hatramin’izao. 24  Rehefa maty i Hazaela mpanjakan’i Syria, dia i Beni-hadada zanany no nanjaka nandimby azy. 25  Nalain’i Joasy zanak’i Joahaza indray ireo tanàna azon’i Beni-hadada zanak’i Hazaela, tamin’i Beni-hadada niady tamin’i Joahaza rain’i Joasy. Namely* azy intelo i Joasy,+ ka azony indray ireo tanànan’ny Israely.

Fanamarihana

Abt: “Nampitony ny tarehin’i.”
Izany hoe niadana sy nilamina.
Abt: “Nandeha tamin’izany izy.”
Jereo F.T.
Abt: “Nandeha tamin’izany.”
Izany hoe Jeroboama II.
Na: “famonjen’i.”
Na: “zana-tsipìkan’ny famonjena hamelezana.”
Na: “Handresy.”
Abt: “fidiran’ny taona.” Azo inoana hoe tamin’ny lohataona tany Israely (manomboka Martsa na Aprily). Jereo F.F. B15.
Na: “Nandresy.”