Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Ahoana no Handresena ny Fahafatesana?

Ahoana no Handresena ny Fahafatesana?

LASA mpanota sy maty ny olombelona rehetra, rehefa tsy nankatò i Adama sy Eva. Tsy niova anefa ny fikasan’Andriamanitra momba ny olombelona. Betsaka ny andinin-teny manaporofo an’izany.

  • “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.”Salamo 37:29.

  • “Hofoanany tsy hisy mandrakizay ny fahafatesana. Hofafan’i Jehovah Tompo Fara Tampony koa ny ranomaso amin’ny tarehy rehetra.”Isaia 25:8.

  • “Hofoanana ny fahafatesana, izay fahavalo farany.”1 Korintianina 15:26.

  • “Tsy hisy fahafatesana intsony, sady tsy hisy intsony ny alahelo na ny fitarainana na ny fanaintainana.”Apokalypsy 21:4.

Inona no hataon’Andriamanitra, mba hanafoanana ny fahafatesana? Hoy ny Baiboly: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” Resahiny koa anefa hoe: “Na iza na iza olo-marina eto ambonin’ny tany ka manao ny tsara dia mbola manota ihany.” (Mpitoriteny 7:20) Havelan’Andriamanitra hiaina mandrakizay ve izany ny olona, na dia tsy mankatò ny didiny aza? Tsy izany mihitsy. Tsy mifanaraka amin’ny teniny ny zavatra ataony raha izany. “Tsy mahay mandainga” anefa Andriamanitra. (Titosy 1:2) Inona àry no hataony mba hanatanterahana ny fikasany momba ny olombelona?

HOFOANAN’ANDRIAMANITRA “TSY HISY MANDRAKIZAY NY FAHAFATESANA.”—ISAIA 25:8

MILA VIDIM-PANAVOTANA ISIKA

Tia antsika i Jehovah Andriamanitra, ka nanao zavatra mba hanafahana antsika amin’ny fahafatesana. Nanome vidim-panavotana izy. Ny hoe vidim-panavotana dia izay aloa mba hanonerana ny zavatra nosimbana na hanaovana ny rariny. Mpanota daholo ny olona ka tsy maintsy maty. Hoy ny Salamo 49:7, 8: “Tsy misy amin’izy ireo mahavita manavotra ny rahalahiny, na manome an’Andriamanitra ny vidim-panavotana ho azy,—fa lafo loatra ny vidiny hanavotana ny ain’izy ireo, ka tsy ho voaloa mandritra ny fotoana tsy voafetra.”

Tsy mahavita manavotra na iza na iza amin’ny ota sy ny fahafatesana ny olona iray rehefa maty. Afaka amin’ny fahotany fotsiny izy. (Romanina 6:7) Mila olona lavorary sy tsy misy ota isika, mba hanome ny ainy ho antsika. Tsy hoe maty noho ny fahotany izy io, fa maty noho ny fahotantsika.—Hebreo 10:1-4.

Nanao zavatra Andriamanitra mba hanatanterahana an’izany. Nirahiny ho etỳ an-tany i Jesosy Zanany, ka lasa olombelona lavorary sy tsy misy ota. (1 Petera 2:22) Nilaza i Jesosy hoe tonga teto an-tany izy, mba “hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.” (Marka 10:45) Afaka manantena hiaina mandrakizay isika noho izany.—Jaona 3:16.

RAHOVIANA NO HO RESY NY FAHAFATESANA?

Miaina amin’ny andro farany isika izao. Efa tanteraka mantsy ilay faminanian’ny Baiboly hoe: “Amin’ny andro farany, dia hisy fotoan-tsarotra tsy mora setraina.” (2 Timoty 3:1) Inona no hitranga rehefa ho tapitra ny andro farany? Ho avy ny “andro fitsarana sy fandringanana an’ireo tsy matahotra an’Andriamanitra.” (2 Petera 3:3, 7) Ho tafita velona kosa ny olona tia an’Andriamanitra, ka hahazo “fiainana mandrakizay.”—Matio 25:46.

Tonga teto an-tany i Jesosy, mba “hanome ny ainy ho vidim-panavotana ho takalon’ny maro.”—Marka 10:45

Afaka manantena ny hiaina mandrakizay koa ny olona an-tapitrisany efa nodimandry, rehefa hatsangana amin’ny maty. Efa nanangana ny maty i Jesosy. Maty, ohatra, ny zanaky ny vehivavy iray mpitondratena, tao amin’ny tanàna iray atao hoe Naina. “Nangoraka” an’ilay vehivavy i Jesosy ka nanangana ny zanany. (Lioka 7:11-15) Afaka nilaza àry ny apostoly Paoly hoe: “Manantena amin’Andriamanitra aho ... fa hisy fitsanganan’ny marina sy ny tsy marina.” (Asan’ny Apostoly 24:15) Hita hoe tena tian’Andriamanitra ny olombelona.

Olona an’arivony tapitrisa no afaka manantena ny hiaina mandrakizay. Hoy mantsy ny Salamo 37:29: “Ny olo-marina no handova ny tany, ka honina eo mandrakizay.” Tena ho faly izy ireo amin’izany fotoana izany, ka hiombom-pihetseham-po amin’ny apostoly Paoly, izay nanoratra hoe: “Ry fahafatesana ô, aiza ny fandresenao? Ry fahafatesana ô, aiza ny fanindronanao?” (1 Korintianina 15:55) Efa resy tanteraka ny fahafatesana amin’izay!