Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Nahoana Isika no Mihantitra sy Maty?

Nahoana Isika no Mihantitra sy Maty?

TSY fikasan’Andriamanitra ny hoe ho faty ny olombelona. Nomeny vatana sy saina lavorary i Adama sy Eva. Afaka ny ho velona foana àry izy ireo, na dia hatramin’izao aza. Ahoana no ahalalantsika an’izany? Andao hojerentsika ilay didy nomen’i Jehovah an’i Adama momba ny voan’ny hazo iray tao amin’ny zaridainan’i Edena.

Niteny tamin’i Adama Andriamanitra hoe: “Amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.” (Genesisy 2:17) Tsy ho niteny an’izany mihitsy izy raha tsy maintsy hihantitra sy ho faty i Adama. Fantatr’i Adama hoe raha tsy mihinana amin’ny voan’ilay hazo izy dia ho velona foana.

TSY FIKASAN’ANDRIAMANITRA NY HOE HO FATY NY OLOMBELONA

Tsy hoe ho faty mosary akory i Adama sy Eva raha tsy nihinana tamin’ny voan’ilay hazo. Tsy izy io irery mantsy no hazo nisy voany tao amin’ilay zaridaina. (Genesisy 2:9) Ho hita hoe nankatò ny Mpamorona izy mivady, raha tsy nihinana tamin’ny voan’ilay hazo voarara. Ho nasehon’izy ireo koa hoe Andriamanitra no manana zo hilaza izay azony atao sy tsy azony atao.

NAHOANA I ADAMA SY EVA NO MATY?

Manampy antsika hamaly an’izany ilay resaka nataon’i Satana Devoly tamin’i Eva. Mbola misy vokany amintsika izy io hatramin’izao. Bibilava no nampiasain’i Satana tamin’izay mba hamitahana an’i Eva. Hoy ny Genesisy 3:1: “Ary ny menarana no malina indrindra tamin’ny bibidia rehetra nataon’i Jehovah Andriamanitra. Koa hoy izy io tamin-dravehivavy: ‘Marina tokoa ve fa niteny taminareo Andriamanitra hoe tsy tokony hihinananareo ny voan’ny hazo rehetra ato amin’ny zaridaina?’”

Namaly i Eva hoe: “Mahazo mihinana ny voan’ireo hazo ato amin’ny zaridaina izahay. Fa hoy kosa Andriamanitra taminay momba ny voan’ilay hazo eo afovoan’ny zaridaina: ‘Aza ihinananareo io, ary aza kasihinareo mba tsy ho faty ianareo.’” Niteny indray ilay menarana hoe: “Tsy ho faty velively ianareo. Fa fantatr’Andriamanitra fa amin’ny andro hihinananareo azy io, dia hahiratra ny masonareo, ary ho tahaka an’Andriamanitra ianareo, hahalala ny tsara sy ny ratsy.” Te hilaza àry i Satana hoe mpandainga i Jehovah sady nisy zavatra tsara tsy nomeny azy mivady.—Genesisy 3:2-5.

Nino ny tenin’i Satana i Eva. Nojereny tsara ny voan’ilay hazo. Hoatran’ny tsara be ilay izy, dia nakany, ary nohaniny. Hoy ny Baiboly: “Avy eo dia nomeny koa ny vadiny rehefa tafaraka taminy, ary dia nihinana izy.”—Genesisy 3:6.

Hoy Andriamanitra tamin’i Adama: “Amin’ny andro ihinananao azy, dia ho faty tokoa ianao.”—GENESISY 2:17

Nanao fanahy iniana tsy nankatò an’Andriamanitra ny zanany! Tsy maintsy ho nalahelo be i Jehovah nahita an’izany. Ahoana no nataony? Hoy izy tamin’i Adama: ‘Hiverina amin’ny tany ianao fa avy tamin’ny tany no nakana anao. Fa vovoka ianao ary hiverina ho vovoka indray ianao.’ (Genesisy 3:17-19) Maty tokoa àry i Adama, rehefa ‘nahatratra telopolo sy sivinjato taona ny andro rehetra niainany.’ (Genesisy 5:5) Tsy hoe nankany an-danitra akory i Adama, na hoe lasa tany ankoatra. Tsy nisy izy talohan’ny namoronan’i Jehovah azy avy tamin’ny vovoka. Rehefa maty àry izy, dia lasa tsy nisy aina hoatran’ilay vovoka namoronana azy. Tsy nisy intsony izy. Mampalahelo ny niafarany.

NAHOANA ISIKA NO TSY LAVORARY?

Nanao fanahy iniana tsy nankatò i Adama sy Eva, ka lasa tsy lavorary sady tsy afaka nanantena hiaina mandrakizay intsony. Tsy izy mivady irery anefa no nizaka ny vokany rehefa nanota izy ireo. Lasa tsy lavorary sy mpanota koa ny taranany. Hoy ny Romanina 5:12: “Tahaka ny nidiran’ny ota avy tamin’ny olona iray [Adama] ho amin’izao tontolo izao, ary avy tamin’ny ota no nidiran’ny fahafatesana, ka niely tamin’ny olona rehetra ny fahafatesana, satria samy efa nanota izy rehetra.”

Oharin’ny Baiboly amin’ny “rakotra izay mandrakotra ny vahoaka rehetra” ny ota sy ny fahafatesana, sady toy ny “lamba voatenona manarona ny firenena rehetra.” (Isaia 25:7) Tsy afa-miala amin’ireo mihitsy àry ny olombelona. Tena marina ilay hoe: ‘Maty ao amin’i Adama ny rehetra.’ (1 Korintianina 15:22) Iza àry no hanafaka antsika amin’ny ota sy ny fahafatesana?—Romanina 7:24.