Hijery ny anatiny

Ho any amin'ny loha hevitra

Afaka ny ho Sambatra Ianao Dieny Izao

Afaka ny ho Sambatra Ianao Dieny Izao

ERITRERETO hoe tsy misy intsony ny olona marary, na antitra, na maty. Afaka ny hiaina an’izany ianao amin’ny hoavy! Mbola be dia be anefa ny olana amin’izao. Inona àry no hanampy anao ho sambatra sy ho afa-po dieny izao? Misy torohevitra tena tsara ao amin’ny Baiboly. Andao isika hijery ohatra vitsivitsy.

MIEZAHA HIANINA AMIN’IZAY ANANANAO

Torohevitry ny Baiboly: “Aoka ny fomba fiainanareo tsy hisy fitiavam-bola, fa aoka ianareo hianina amin’izay efa eo.”Hebreo 13:5.

Mampirisika antsika hanana zavatra be dia be ny tontolo misy antsika. Tsy ho sambatra, hono, isika raha tsy manana azy ireny. Milaza anefa ny Baiboly fa afaka ‘mianina amin’izay efa eo’ isika. Ahoana no hanaovana an’izany?

Aza ‘tia vola.’ Ny vola izao no zava-dehibe kokoa amin’ny olona sasany, fa tsy ny fianakaviany sy ny namany. ‘Tia vola’ koa ny olona, ka tsy raharahainy intsony ny fahasalamany, ny fitondran-tenany, na ny fahitan’ny hafa azy. (1 Timoty 6:10) Ho voa mafy izay manao an’izany! “Tsy ho afa-po” amin’izay harena azony koa izy.—Mpitoriteny 5:10.

Aza atakalo fananana ny olona. Marina aloha hoe ilaintsika ny fitaovana toy ny telefaonina sy ny ordinatera. Tsy afaka ny ho tia anao sy hankasitraka anao anefa ireny. Ny olona ihany no mahavita an’izany. Afaka manampy anao ho afa-po amin’ny fiainana ny “tena namana.”—Ohabolana 17:17.

AFAKA NY HO SAMBATRA IANAO DIENY IZAO RAHA MANARAKA NY TOROHEVITRY NY BAIBOLY

MIEZAHA HO FALIFALY NA DIA MARARY AZA

Torohevitry ny Baiboly: “Ny fo falifaly dia sady mahasoa no manasitrana.”Ohabolana 17:22.

Manampy antsika hizaka ny aretina mahazo antsika ny “fo falifaly.” Inona anefa no hanampy antsika ho falifaly foana na dia marary aza?

Miezaha hahay hankasitraka. ‘Hanjombona foana ny androntsika’, raha ny aretintsika no ifantohantsika. (Ohabolana 15:15) Miezaha àry ‘hahay hankasitraka’, na dia amin’ny zavatra kely aza. (Kolosianina 3:15) Manampy antsika hankafy fiainana, ohatra, ny masoandro mody, ny tsio-drivotra malefaka, na ny tsikitsiky avy amin’ny olona tiantsika.

Manaova zavatra ho an’ny hafa. Tadidio foana hoe “mahasambatra kokoa ny manome noho ny mandray.” (Asan’ny Apostoly 20:35) Mahatsiaro ho afa-po isika rehefa mankasitraka ny ezaka nataontsika ny hafa. Lasa tsy mieritreritra be an’ilay aretintsika isika amin’izay. Ho sambatra kokoa isika raha manampy ny hafa ho sambatra.

MIEZAHA HANANA TOKANTRANO SAMBATRA

Torohevitry ny Baiboly: ‘Fantaro tsara izay zava-dehibe kokoa.’Filipianina 1:10.

Tokony ho anisan’ny zava-dehibe indrindra amin’ny mpivady ny fanambadian’izy ireo. Mety tsy hifankatia be intsony izy ireo raha indraindray ihany vao miaraka.

Miaraha manao zavatra. Ahoana raha atao ao anatin’ny fandaharam-potoananareo mihitsy izany? Milaza ny Baiboly hoe: “Tsara ny roa noho ny iray.” (Mpitoriteny 4:9) Azonareo atao, ohatra, ny miaraka mahandro sakafo, manao fanatanjahan-tena, manao raharaha, na mitsangantsangana.

Asehoy hoe tianao ny vadinao. Milaza ny Baiboly hoe tokony hifankatia sy hifanaja ny mpivady. (Efesianina 5:28, 33) Inona, ohatra, no hanampy azy ireo hifankatia kokoa? Tsy voatery ho zavatra lehibe foana ilay izy, fa mety hoe tsikitsiky na fanomezana kely. Tsy tokony hohadinoin’ny mpivady koa hoe amin’ny vadiny ihany izy no tokony hanao firaisana.—Hebreo 13:4.