Hijery ny anatiny

Hoatran’ny Ahoana Ilay hoe Mianatra Baiboly Miaraka Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

Hoatran’ny Ahoana Ilay hoe Mianatra Baiboly Miaraka Amin’ny Vavolombelon’i Jehovah?

 Ahoana no atao rehefa mianatra Baiboly?

 Hisy mpampianatra iray hanampy anao hahafantatra an’izay lazain’ny Baiboly, ary alefa isaky ny foto-kevitra ilay izy. Rehefa mampiasa an’ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! ianareo, dia ho hainao tsikelikely hoe inona no lazain’ny Baiboly ary nahoana izy io no mahasoa anao. Raha mila fanazavana fanampiny, dia jereo ity video ity.

 Andoavam-bola ve ilay fianarana?

 Tsia. Manaraka an’ity toromarik’i Jesosy ity ny Vavolombelon’i Jehovah: “Nahazo maimaim-poana ianareo, ka manomeza maimaim-poana.” (Matio 10:8) Tsy vidina koa ireo fitaovana fianarana, anisan’izany ny Baiboly sy ilay boky hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana!

 Maharitra hafiriana ilay fianarana?

 Lesona 60 no ianarana, amin’ny fitambarany. Miankina aminao ihany ny fotoana hamitana an’ireo. Betsaka no mamita lesona iray na mihoatra an’izay, isan-kerinandro.

 Ahoana no hataoko raha te hianatra aho?

  1.  1. Fenoy ilay fangatahana ao amin’ny Internet. Tsy ampiasainay amin-javatra hafa ny mombamomba anao fa amin’ny fikarakarana an’izay nangatahinao ihany, dia ny hoe mba hisy Vavolombelon’i Jehovah hifandray aminao.

  2.  2. Hisy mpampianatra iray hifandray aminao. Hohazavainy aminao hoe hoatran’ny ahoana ny fandehan’ilay fianarana. Afaka mamaly ny fanontanianao koa izy.

  3.  3. Hodinihinareo ny fomba hanaovana an’ilay fianarana. Azo atao mivantana ilay izy, nefa koa azo atao an-telefaonina, amin’ny alalan’ny vidéoconférence, taratasy, na e-mail. Maharitra adiny iray ilay izy amin’ny ankapobeny, fa azo hafohezina na halavaina arakaraka ny fandaharam-potoananao.

 Afaka manandrana fotsiny ve aho amin’ny voalohany?

 Ie. Fenoy ilay fangatahana ao amin’ny Internet. Rehefa misy mpampianatra Baiboly miresaka aminao avy eo, dia teneno izy hoe te hanandrana fotsiny aloha ianao mba hahitana hoe tianao ve ilay fianarana. Hampiasa an’ilay bokikely hoe Ankafizo Mandrakizay ny Fiainana! izy. Misy lesona fampidirana telo ao amin’izy io. Ho hitanao, amin’izay, raha tianao ilay fianarana na tsia.

 Hoterena ho lasa Vavolombelon’i Jehovah ve aho raha manaiky hianatra?

 Tsia. Tia mampianatra ny olona momba ny Baiboly izahay Vavolombelon’i Jehovah, nefa tsy manery na iza na iza hanaraka ny fivavahanay. Manaja ny olona izahay rehefa mampahafantatra azy ireo an’izay lazain’ny Baiboly. (1 Petera 3:15) Ekenay mantsy hoe manana zo hifidy an’izay zavatra tiany hinoana ny tsirairay.

 Afaka mampiasa ny Baiboliko ve aho?

 Ie, afaka mampiasa an’izay fandikan-tenin’ny Baiboly tianao ianao. Tianay ny mampiasa Ny Soratra Masina​—Fandikan-tenin’ny Tontolo Vaovao satria mazava sy marina tsara izy io. Ekenay koa anefa hoe aleon’ny olona maro mampiasa ny fandikan-teny efa mahazatra azy.

 Afaka manasa olon-kafa ve aho amin’ilay fianarana?

 Ie, ohatra hoe ny fianakavianao manontolo, na izay namana mba tianao hasaina.

 Mbola afaka miverina mianatra ve aho raha efa nianatra Baiboly tamin’ny Vavolombelon’i Jehovah taloha?

 Ie. Mety ho tianao kokoa aza ilay fianarana amin’izao satria efa nampifanarahina amin’izay ilain’ny olona. Betsaka kokoa mantsy ny sary sy video amin’ilay izy, sady hoatran’ny resadresaka ilay fianarana.

 Misy fomba fianarana hafa tsy miaraka amin’ny mpampianatra ve?

 Ie. Marina aloha hoe rehefa misy mpampianatra ny ankamaroan’ny olona no tena mandray soa. Misy ihany anefa te hianatra irery amin’ny voalohany. Azonao jerena ilay pejy hoe Fitaovana Fianarana Baiboly. Misy fitaovana isan-karazany maimaim-poana afaka manampy anao hianatra Baiboly ao, ary anisan’izany ireto:

  •   Fianarana Baiboly Amin’ny Internet. a Mamaly fanontaniana lehibe ireo lesona ao, ohatra hoe: Iza moa Andriamanitra? Nahoana no misy ny fijaliana sy ny faharatsiana? Mba hofoanan’Andriamanitra ihany ve ny fijaliana indray andro any?

  •   Video Ara-baiboly. Manazava fampianarana fototra ao amin’ny Baiboly ireo video fohy ao.

  •   Valin’ireo Fanontaniana Ara-baiboly. Mamaly fanontaniana ara-baiboly be dia be ny lahatsoratra ao.

  •   Fanazavana Andinin-teny. Ho hitanao ao ny dikan’ny andinin-teny sy teny mahazatra ny olona ao amin’ny Baiboly.

a Mbola tsy misy amin’ny teny malagasy izy io, fa efa misy amin’ny fiteny maro hafa.